Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Vola sy asa fanompoana, samy ilaina.

Daty
Zoma 14 March 2025

 "Mitenena amin'ny Zanak’Isiraely mba hitondra fanatitra ho Ahy izy; dia avy amin'ny olona rehetra izay amporisihin'ny fony no handraisanareo ny fanatitra ho Ahy." - Eks. 25:2.

Mofon’aina:
Reko ny amin'ireo lehilahy sy vehivavy miasa any amin'ny trano pirinty sy ny toeram-pitsaboana izay mitaraina noho ny ora fiasany mihoatra. Tsy faly izy ireo rehefa tsy afaka ny hampitsahatra ny asany aorian'ny adiny valo natao hiasana. Kanefa ireny olona ireny, dia hiasa adiny folo (...) ary matetika aza manitatra ny ora iasany hatramin'ny adiny roa ambin'ny folo, rehefa miasa ho an'ny tombontsoany manokana. Tsy mitaraina izy ireo satria ho tombontsoany manokana izany. (...)

Mahafaly kokoa noho ny fanan-gonan-karena ny fanompoana feno fanoloran-tena na dia kely aza ny fahafaha-manao ampiasaina ho amin'izany. Raha antony tsara no manosika hanao izany dia hisaina ho fotoana natokana hanompoana an'Andriamanitra izany. Handany ron-doha sy hitaky asa mafy izany asa (…) izany - na ny fanorenana, na ny fambolena sy ny fijinjana ny vokatra, na koa izay asa hafa. Hahazoana tombony anefa izany, hampitombo izay ananana Andriamanitra ary hanampy amin'ny fampitomboana izay ilaina ho amin'ny asa.

(…) Zava-dehibe indrindra ny fanokanana fotoana ho an'Andriamanitra eo amin'ny karazana asa rehetra. (...) Azontsika atao ny manompo an'Andriamanitra (...) amin'ny fanoloran-tena hanao asa manokana.

Misy ireo mihevitra fa ny fanomezany ampaham-bola hanaovana ny asan'Andriamanitra no hany takina aminy ka tsy ampiasainy tsara ny fotoana sarobidy omen'Andriamanitra azy ahafahany manao fanompoana manokana ho Azy. Tombontsoa sy adidin'izay rehetra manana fahasalamana sy herim-batana ny manompo an'Andriamanitra amim-pahazotoana. Tsy afaka hisolo toerana izany ny fanolorana vola ho fanomezana. Ireo izay tsy manam-bola homena dia afaka manolo izany amin'ny asa manokana (...).

Afaka ny ho mpiara-miasa amin'Andriamanitra ny olona rehetra. Ireo ora lanina amin'ny fialamboly tsy mitondra famelombelomana ho an'ny vatana na ny saina dia azo lanina amin'ny fanohanana ireo fanahy mahantra mila fanampiana, amin'ny famangiana ny sahirana sy ny marary ary ireo mijaly. An'Andriamanitra ny fotoantsika, ary amin'ny maha-Kristianina antsika dia tokony hampiasa izany ho Voninahiny isika. MR 6:79, 80.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 09 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fampidirana.
Sat 09 May 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA -
Sun 10 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Elia nivavaka tao anatin’ny fotoan-tsarotra.
Mon 11 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Rehefa toy ny tsy ahazoam-baliny ny vavaka.
Tue 12 May 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA -
Tue 12 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Mampianatra antsika hivavaka i Jesôsy.
Wed 13 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fiderana,fiaiken-keloka,fangatahana ary fisaorana.
Thu 14 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fanontaniana maromaro mikasika ny vavaka.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 02 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Fampidirana.
Sun 03 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Daniela mahatoky.
Mon 04 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Ny fihetsika eo am-pivavahana.
Tue 05 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Nandeha no niresaka i Enoka.
Wed 06 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Mosesy, Mpitarika manana toe-panahy araka an’Andriamanitra.
Thu 07 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Nifona ho an’ny firenena i Mosesy.
Fri 08 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Fianarana fanampiny.
Sat 09 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 16 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Fampidirana.
Sun 17 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Omeo famantarana fotsiny.
Mon 18 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Tsy fihetseham-po ny finoana.
Tue 19 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Tsy fihetseham-po ny finoana.
Wed 20 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Ohatra amin’ny finoana.
Thu 21 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Ny finoana an’i Jesôsy.
Fri 22 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Fianarana fanampiny.
Sat 23 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal