"Mitenena amin'ny Zanak’Isiraely mba hitondra fanatitra ho Ahy izy; dia avy amin'ny olona rehetra izay amporisihin'ny fony no handraisanareo ny fanatitra ho Ahy." - Eks. 25:2.
Mofon’aina:
Reko ny amin'ireo lehilahy sy vehivavy miasa any amin'ny trano pirinty sy ny toeram-pitsaboana izay mitaraina noho ny ora fiasany mihoatra. Tsy faly izy ireo rehefa tsy afaka ny hampitsahatra ny asany aorian'ny adiny valo natao hiasana. Kanefa ireny olona ireny, dia hiasa adiny folo (...) ary matetika aza manitatra ny ora iasany hatramin'ny adiny roa ambin'ny folo, rehefa miasa ho an'ny tombontsoany manokana. Tsy mitaraina izy ireo satria ho tombontsoany manokana izany. (...)
Mahafaly kokoa noho ny fanan-gonan-karena ny fanompoana feno fanoloran-tena na dia kely aza ny fahafaha-manao ampiasaina ho amin'izany. Raha antony tsara no manosika hanao izany dia hisaina ho fotoana natokana hanompoana an'Andriamanitra izany. Handany ron-doha sy hitaky asa mafy izany asa (…) izany - na ny fanorenana, na ny fambolena sy ny fijinjana ny vokatra, na koa izay asa hafa. Hahazoana tombony anefa izany, hampitombo izay ananana Andriamanitra ary hanampy amin'ny fampitomboana izay ilaina ho amin'ny asa.
(…) Zava-dehibe indrindra ny fanokanana fotoana ho an'Andriamanitra eo amin'ny karazana asa rehetra. (...) Azontsika atao ny manompo an'Andriamanitra (...) amin'ny fanoloran-tena hanao asa manokana.
Misy ireo mihevitra fa ny fanomezany ampaham-bola hanaovana ny asan'Andriamanitra no hany takina aminy ka tsy ampiasainy tsara ny fotoana sarobidy omen'Andriamanitra azy ahafahany manao fanompoana manokana ho Azy. Tombontsoa sy adidin'izay rehetra manana fahasalamana sy herim-batana ny manompo an'Andriamanitra amim-pahazotoana. Tsy afaka hisolo toerana izany ny fanolorana vola ho fanomezana. Ireo izay tsy manam-bola homena dia afaka manolo izany amin'ny asa manokana (...).
Afaka ny ho mpiara-miasa amin'Andriamanitra ny olona rehetra. Ireo ora lanina amin'ny fialamboly tsy mitondra famelombelomana ho an'ny vatana na ny saina dia azo lanina amin'ny fanohanana ireo fanahy mahantra mila fanampiana, amin'ny famangiana ny sahirana sy ny marary ary ireo mijaly. An'Andriamanitra ny fotoantsika, ary amin'ny maha-Kristianina antsika dia tokony hampiasa izany ho Voninahiny isika. MR 6:79, 80.