Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ampamoahina ny amin'izay nomena azy avy

Daty
Talata 18 March 2025

"Izay rehetra azon'ny tànanao atao dia ataovy amin'ny herinao; fa tsy misy asa, na hevitra, na fahalalana, na fahendrena, any amin'ny fiainan-tsi-hita izay alehanao." -Mpitt. 9:10.

Mofon’aina: 
Tokony hodinihina amim-pitandremana fatratra sy amim-  bavaka ny fanoharana mikasika ny talenta satria misy fiantraikany manokana eo amin'ny lehilahy sy ny vehivavy ary ny zaza izay nomena fahafahana misaina izany. Mifanentana amin'ireo talenta nomen'Andriamanitra anao ny adidy aman'andraikitrao. Tsy misy mpanara-dia an'i Kristy izay nomena fanomezana manokana ka tsy hampamoahin'Andriamanitra ny amin'izany.

 Maro ny olona miala tsiny noho ny tsy anolorany ny talentany hoenti-manompo an'i Kristy, satria tsy mba toy ny olona sasany izay manana tombontsoa betsaka sy talenta mamirapiratra izy. Ela nanjakana ny fiheverana fa izay manana talenta be ihany no ilaina hanolotra ny fahaizany hoenti-manompo an'Andriamanitra. Ataon'ny maro fa ny talenta dia omena ny antokon'olona voafidy ihany, fa ny sasany kosa avahana, satria tsy voantso hanana anjara amin'ny asa, na amin'ny valisoa.

Nefa tsy izany no aseho ao amin'ny fanoharana. Rehefa nantsoin'ny tompon-trano ny mpanompony dia samy nomeny ny anjara raharahany avy izy. Manana andraikitra hampiasa ny fananan'ny Tompony avokoa ny ankohonan'Andriamanitra manontolo. Ny olona rehetra, avy amin'ny ambany sy ny tso-piaina indrindra ka hatramin'ireo lehibe sy ambony indrindra, dia mpiasa nomena fahaiza-manao izay ampamoahana azy eo anatrehan'Andriamanitra. Notendrena hitantana ireo talentan'ny Tompony ny rehetra, amin'ny lafiny lehibe na kelikely kokoa. Ny fahaiza-manao ara-panahy sy ara-tsaina ary ara-batana, ny hery miasa mangina, ny toerana misy, ny fananana, ny fihetsehampo, ny firaisam-po ary ireo talenta sarobidy dia tokony hampiasaina ho an'ny asan'ny Tompo mba ho famonjena ireo fanahy nanoloran' i Kristy ny ainy. (...)

Takin'Andriamanitra ny hahatonga ny rehetra ho mpiasa ao amin'ny tanimboalobony. Aoka hotontosainao ny asa napetraka eo anoloanao, ary ataovy amim-pahatokiana izany. "Izay rehetra azon'ny tànanao atao dia ataovy amin 'ny herinao; fa tsy misy asa, na hevitra, na fahalalana, na fahendrena, any amin'ny fiainan-tsi-hita izay alehanao." - Mpitt. 9:10. - RH, 1 Mey 1888.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.
Sun 11 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Olombelona ny mpaminany.
Mon 12 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mamantatra ny atao hoe mpaminany marina.
Tue 13 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Ny asan’ny Mpaminany.
Wed 14 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mpaminany vavy.
Fri 16 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Tsy Tonga lafatra saingy manolo-tena.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.
Sun 04 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Abrahama mpitandrina ny fanekena.
Tue 06 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Isaia ilay mpaminanin’i Filazantsara.
Wed 07 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - DANIELA, ilay mpanampy mahatoky.
Thu 08 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - JAONA Mpanao batisa, manomana vahoaka iray.
Fri 09 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Nantsoina hanao ny asan’ny Mpamonany.l
Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • June 2026 (38)
  • July 2026 (77)
  • August 2026 (52)
  • September 2026 (52)
  • October 2026 (40)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal