Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Manan-danja sy mety mitombo ny talenta madinika

Daty
Alarobia 19 March 2025

  "Ny tenin'ny hendry dia toy ny fanindronan-omby sy toy ny hombo voatsatoka, ry mpanangona - omen'ny mpiandry iray izy." - Mpitt. 12:11.

Mofon’aina:
Aoka ny lehilahy sy vehivavy mpandraharaha hanao ny asany amin'ny fomba izay manome voninahitra ny Tompony amin'ny fahatokian'izy ireo. Aoka izy ireo hitondra ny fivavahany ao amin'ny zavatra rehetra ataony ary hampiseho ny toe-tsain'i Kristy (...). Aoka ny mpahaimilina ho olona mazoto sy mahatoky izay maneho an'Ilay niasa mafy raha nanao ireo adidy tsotra teo amin'ny fiainana andavanandro tao an-tanànan'i Jodia. Aoka izay rehetra mitondra ny anaran'i Kristy hiasa tahaka izany, mba hahitan'ny hafa ny asa tsara ataon'izy ireo ka hanomezany voninahitra ny Mpamorona sy ny Mpanavotra azy. "Ary na inona na inona ataonareo, dia ataovy amin'ny fo, tahaka ny ho an 'ny Tompo." - Kôl. 2:23. Aoka ho ao an-tsainao mandrakariva ny hampiorina ny fanjakan'i Kristy, ary aoka ny ezaka rehetra ataonao mba hifantoka amin'izany tanjona izany.

 Ireo izay nahazo fitahiana tamin'ny alalan'ny talenta ambony kokoa dia tsy tokony hanao tsinontsinona ny tombambidin'ny fanompoana ataon' ireo nomena talenta latsadatsaka kokoa noho ny azy. 
Avy amin'Andriamanitra ny talenta madinika indrindra nankinina tamin'ny olona iray. (...) Ny fikasana lalina, ny ezaka feno fandavan-tena, dia hitan' ilay Andriamanitry ny lanitra ary ekeny sy ankasitrahany. "Mitandrema, fandrao manao tsinontsinona na dia ny iray aza amin'ireny madinika ireny hianareo." - Mat. 18:10. Andriamanitra irery no mahay manombana ny lanjan'ny fanompoana ataon'izy ireny, Izy irery no mahita ny hery miasa mangina mahataka-davitr' ireo izay miasa ho voninahitr'Ilay Mpanao azy.

Tokony hampiasa ny fotoana fanararaotra omena antsika ho amin'ny tsara indrindra isika, ary hazoto hanolotra ny tenantsika ho an' Andriamanitra. (...) Aoka isika tsy hanamavo ny andron'ny zava-madinika fa hanararaotra ny fotoana sy ny talenta madinika, amin'ny alalan'ny fitandremana fatratra sy ny faharetana. H ampiasaintsika ireny fotoana sy talenta madinika ireny ho fampandrosoana ny fiainam-panahintsika, ary koa mba handrisika antsika hanao fanompoana tsara sy mahomby kokoa. - RH, 1 Mey 1888. 
 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 10 Jan 2026
Lesona 3:FIAINANA SY FAHAFATESANA - Fampidirana.
Sun 11 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Hery tsy manam-petra.
Mon 12 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Tombony ny fahafatesana.
Tue 13 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Mahatoky.
Wed 14 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - "Maharitra amin’ny fanahy iray."
Thu 15 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Miray saina sy tsy matahotra.
Fri 16 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 03 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fampidirana.
Sun 04 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fitomboana ao amin’ny Filazantsara.
Mon 05 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Ireo antombavak’i Paoly.
Tue 06 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fampiharana ny fahaiza-manavaka ara-panahy.
Wed 07 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Voan’ny Filazantsara.
Thu 08 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Ny herin’ny vavaka.
Fri 09 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fianarana fanampiny.
Sat 10 Jan 2026
Lesona 3:FIAINANA SY FAHAFATESANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal