Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Miara-miasa aminy hamonjy ny very

Daty
Zoma 21 March 2025

  "Indro, avy faingana Aho; ary eto amiko ny famaliako, mba hamaliako ny olona rehetra araka ny asany." - Apôk. 22:12.

Mofon’aina:
Hodinihin' i Jesôsy Tompo akaiky ny talenta tsirairay ary manantena hahazo tombony mi fanentan a amin'ny renivola nankininy tamin'ny tsirairay Izy. Tamin'ny fampietrena an'i Kristy sy ny hirifiry niaretany no nandoavany ny sandan'ny famonjena antsika, ary manan-jo hitaky ny fanompoantsika Izy. (...) Ny fahaiza-manao sy ny fotoana fanararaotra rehetra, dia efa nankinina tamintsika mba hampiasaina amim-pahendrena ka handraisan'i Kristy ny Azy sy ny tombon'izany.

Niakatra ho any amin'ny avo Ilay Tompon'ny lanitra, ary nitondra olona maro ho babo, sy nanolotra fanomezana ho an'ny lehilahy sy ny vehivavy - dia ny harem-pahamarinan'ny lanitra izay natao hotorina amin'izao tontolo rehetra izao. Ahoana no ampiasan'ny tsirairay avy amintsika ireny fanomezana sy talenta ireny? Moa ve isika tahaka ilay mpanompo tsy hendry sady tsy mahatoky ka mandevina ireo talenta ireo ao amin'izao tontolo izao, nefa tsy hitondra tombony ho an'Andriamanitra izany? Anjaran'ny tsirairay ny mampitombo amim-pahatokiana ny talenta nankinina taminy, satria hitombo ny talenta rehefa ampiasaina hahasoa ny taranak'olombelona sy ho voninahitr ' Andriamanitra.

 Tokony hikatsaka ny fanjakan' Andriamanitra sy ny fahamarinany aloha ny fanahy tsirairay avy. (...) Liana amin'ny asa lehibe nahatongavan'i Jesôsy teto amin'ity tanintsika ity ny tontolo tsy lavo iray manontolo, eny, liana amin'ny famonjena ny fanahintsika koa aza izy ireo. Moa ve isika mety maty tsy hiara-miasa amin' ilay Mpanavotra antsika, izay niakatra ho any an-danitra mba hanao fanelanelanana ho antsika? Moa ve isika tsy haneho hafanam-po manokana sy fahalianana feno fanoloran-tena amin'ny asa izay notendren'ny lanitra hotanterahina eto an-tany ho tombontsoan'ny lehilahy sy ny vehivavy maro? Moa ve isika izay novidina tamin'ny ra sarobidin'i Kristy handà tsy hanao ny asa natao teo am-pelatanantsika? Moa ve holavintsika ny hiara-miasa amin'ireo anjelin'ny lanitra eo amin'ny asa famonjena ireo izay lavo? Moa ve isika tsy handeha hatrany amin'ny faran'ny tany mihitsy aza mba hahatonga ny taratry ny fahamarinana izay nomen'ny lanitra antsika hamirapiratra eo amin'ireo olombelona namantsika? - RH, 24 Janoary 1893.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fampidirana.
Sun 06 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Ny ohapiainan’i Jesôsy.
Mon 07 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Ny antony manesika.
Tue 08 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Manao drafitra.
Wed 09 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Toetsaina.
Thu 10 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Firaisana.
Fri 11 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fianarana fanampiny.
Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 29 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fampidirana.
Sun 30 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Ny vokatry ny fanompoana tena izy.
Mon 31 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fahoriana sy voninahitra.
Tue 01 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -Fanompoam-pivavahana mifantoka amin’i Kristy.
Wed 02 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Antso ho amin’ny fahamasinana.
Thu 03 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fiononana sy alahelo.
Fri 04 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fianarana fanampiny.
Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.
Sun 13 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Ady ara-panahy.
Mon 14 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Mirehareha ny amin’i Jehôvah.
Tue 15 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fantatra ireo mpampianatra sandoka.
Wed 16 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Miaripahoriana noho ny filazantsara.
Thu 17 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Antso ho an’ireo tsy mbola nibebaka.
Fri 18 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fianarana fanampiny.
Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal