Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Miara-miasa aminy hamonjy ny very

Daty
Zoma 21 March 2025

  "Indro, avy faingana Aho; ary eto amiko ny famaliako, mba hamaliako ny olona rehetra araka ny asany." - Apôk. 22:12.

Mofon’aina:
Hodinihin' i Jesôsy Tompo akaiky ny talenta tsirairay ary manantena hahazo tombony mi fanentan a amin'ny renivola nankininy tamin'ny tsirairay Izy. Tamin'ny fampietrena an'i Kristy sy ny hirifiry niaretany no nandoavany ny sandan'ny famonjena antsika, ary manan-jo hitaky ny fanompoantsika Izy. (...) Ny fahaiza-manao sy ny fotoana fanararaotra rehetra, dia efa nankinina tamintsika mba hampiasaina amim-pahendrena ka handraisan'i Kristy ny Azy sy ny tombon'izany.

Niakatra ho any amin'ny avo Ilay Tompon'ny lanitra, ary nitondra olona maro ho babo, sy nanolotra fanomezana ho an'ny lehilahy sy ny vehivavy - dia ny harem-pahamarinan'ny lanitra izay natao hotorina amin'izao tontolo rehetra izao. Ahoana no ampiasan'ny tsirairay avy amintsika ireny fanomezana sy talenta ireny? Moa ve isika tahaka ilay mpanompo tsy hendry sady tsy mahatoky ka mandevina ireo talenta ireo ao amin'izao tontolo izao, nefa tsy hitondra tombony ho an'Andriamanitra izany? Anjaran'ny tsirairay ny mampitombo amim-pahatokiana ny talenta nankinina taminy, satria hitombo ny talenta rehefa ampiasaina hahasoa ny taranak'olombelona sy ho voninahitr ' Andriamanitra.

 Tokony hikatsaka ny fanjakan' Andriamanitra sy ny fahamarinany aloha ny fanahy tsirairay avy. (...) Liana amin'ny asa lehibe nahatongavan'i Jesôsy teto amin'ity tanintsika ity ny tontolo tsy lavo iray manontolo, eny, liana amin'ny famonjena ny fanahintsika koa aza izy ireo. Moa ve isika mety maty tsy hiara-miasa amin' ilay Mpanavotra antsika, izay niakatra ho any an-danitra mba hanao fanelanelanana ho antsika? Moa ve isika tsy haneho hafanam-po manokana sy fahalianana feno fanoloran-tena amin'ny asa izay notendren'ny lanitra hotanterahina eto an-tany ho tombontsoan'ny lehilahy sy ny vehivavy maro? Moa ve isika izay novidina tamin'ny ra sarobidin'i Kristy handà tsy hanao ny asa natao teo am-pelatanantsika? Moa ve holavintsika ny hiara-miasa amin'ireo anjelin'ny lanitra eo amin'ny asa famonjena ireo izay lavo? Moa ve isika tsy handeha hatrany amin'ny faran'ny tany mihitsy aza mba hahatonga ny taratry ny fahamarinana izay nomen'ny lanitra antsika hamirapiratra eo amin'ireo olombelona namantsika? - RH, 24 Janoary 1893.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 02 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Fampidirana.
Sun 03 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Daniela mahatoky.
Mon 04 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Ny fihetsika eo am-pivavahana.
Tue 05 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Nandeha no niresaka i Enoka.
Wed 06 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Mosesy, Mpitarika manana toe-panahy araka an’Andriamanitra.
Thu 07 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Nifona ho an’ny firenena i Mosesy.
Fri 08 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Fianarana fanampiny.
Sat 09 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 25 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fampidirana.
Sun 26 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Ny fotoana.
Mon 27 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Toerana iray.
Tue 28 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fandinihana lalina ny baiboly.
Wed 29 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fitahiana roa sosona.
Thu 30 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Endrey ny hamamin’ny teninao.
Fri 01 May 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fianarana fanampiny.
Sat 02 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 09 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fampidirana.
Sun 10 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Elia nivavaka tao anatin’ny fotoan-tsarotra.
Mon 11 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Rehefa toy ny tsy ahazoam-baliny ny vavaka.
Tue 12 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Mampianatra antsika hivavaka i Jesôsy.
Wed 13 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fiderana,fiaiken-keloka,fangatahana ary fisaorana.
Thu 14 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fanontaniana maromaro mikasika ny vavaka.
Fri 15 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fianarana fanampiny.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal