Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Hitombo ny talenta ampiasaina amim-pahatokiana

Daty
Sabotsy 22 March 2025

"Fa ny fanjakan'ny lanitra dia tahaka ny olona izay efa handeha ho any an-tany hafa ka niantso ny mpanompony, dia nanolotra azy ny fananany; koa ny anankiray nomeny talenta dimy, ny anankiray roa, ary ny anankiray iray - samy araka izay fahaizany avy; dia lasa nandeha izy." - Mat. 25:14,15.

Mofon’aina:
Aoka tsy hiandry ny fanosorana ireo mpitandrina ny famitana ny asa tokony hatao. Raha toa tsy misy mpitandrina afaka hanatontosa ny asa, aoka ny lehilahy sy ny vehivavy manam-pahalalana, izay tsy mieritreritra momba ny fomba hanangonany harena betsaka indrindra, honina any amin'ireny tanàna sy vohitra ireny ka hanandratra ny fanevan'ny hazo fijaliana, amin'ny fampiasana ny fahalalana efa azony ho famaboana fanahy ho an'ny fahamarinana.

 (...) Na dia ny talenta iray izay nankinin'ny Tompo aza dia tokony hampiasaina amim-pahatokiana mba hahazoana talenta hafa. Aiza ireo lehilahy sy vehivavy novelombelomin'ny reniranom-pitahiana izay nikoriana avy eo amin'ny seza fiandrianan'Andriamanitra? Aoka izy ireo hanontany tena ny amin'izay nataony mba hampitana izany fahazavana izany amin'izay tsy nanana ny tombontsoa nananany. Ahoana no hataon' ireo izay nanao an-tsirambina ny fampiasana ny talentany rehefa hijoro eo amin'ny fitsarana (...)? Nanankina talenta tamin'ny mpanompony tsirairay ilay Tompo avy any an-danitra. "(...) ny anankiray nomeny talenta dimy, ny anankiray roa, ary ny anankiray iray -samy araka izay fahaizany avy." - Mat. 25:15. 

Tsy olom-bitsy notsongaina ihany no nomen'Andriamanitra talenta fa ny olon-drehetra (...). Maro tamin' ireo izay nomen'Andriamanitra talenta no nandà tsy hampiasa ireny ho fampandrosoana ny fanjakan'Andriamanitra; hampamoa-hin'Andriamanitra ny amin'ny fomba nampiasany ny fanomezany anefa izy ireny. Ny olon-drehetra, na ny manompo an'Andriamanitra na ny manao izay mahafinaritra ny tenany, dia nanankinana fananana, ka ny fampiasana izany araka ny tokony ho izy dia hanome voninahitra an'Andriamanitra ary ny fampiasana izany tsy araka ny tokony ho izy kosa dia fandrobana ny Mpanome. Tsy manaisotra ny fahamelohan'ireo izay nomena ny talenta ny tsy fahatakarany ny zon'Andriamanitra hitaky izany aminy. Raha misafidy ny hilahatra eo ambany faneva maintin'ilay andrian'ny haizina izy amin'izao fiainana izao, dia handà azy i Kristy amin'ny andro farany izay hampamoahana azy. - ST, 23 Janoary 1893. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana
Sun 21 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Teo ianareo.
Mon 22 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Amin’ny fahitsiana sy ny fahamarina
Tue 23 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Afaka misafidy ny hanompo
Wed 24 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Loza mifandraika amin’ny fanompoan-tsampy
Thu 25 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Tsara fiafara
Fri 26 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana
Sun 14 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - "Tanteraka avokoa izany rehetra izany"
Mon 15 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Hoavy mampanahy
Tue 16 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Faritra mazava mampisaraka
Wed 17 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Ny fahatezeran’i Jehôvah
Thu 18 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Mifikira amin’Andriamanitra
Fri 19 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fianarana fanampiny
Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal