Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ambarao ny Fitiavany

Daty
Talata 25 March 2025

"Jehôvah Tompo nanome Ahy ny lelan'ny efa mahay, mba hahaizako manao teny hampahatanjaka izay reraka; ampandrenesiny isa-maraina isa-maraina, eny, ampandrenesiny ny sofiko hihaino tahaka ny efa mahay." — Isa. 50:4.

Mofon’aina:
Manodidina antsika rehetra eny dia misy fanahy tra-pahoriana. (...) Aoka isika hitady ireo olona mijaly ireo ka hanao teny amin'ny fotoany hampahatanjaka ny fony. Aoka isika ho fantsona mandrakariva izay ikorianan'ny rano mamelombelon'ny fangoraham-po.

Tokony hotsaroana eo amin'ny fifandraisantsika rehetra fa misy toko voatombo-kase tsy ho hitan'ny mason' olombelona mety maty ao amin'ny fanandramana nataon'ny hafa. Misy tantara mampalahelo izay ambenana tsy ho hitan'ny maso tia jerijery eo amin'ny takila vosoratry ny fitadidiana. Voarakitra ao ireo ady maharitra sy mafy niaraka tamin'ny toe-javatra nitarika fitsapana (...) Ireo izay mitolona eo amin'ny adin'ny fiainana noho ny tsy fifankahazoana be dia azo hatanjahina sy ampaherezina amin'ny alalan'ny fikarakarana madinidinika izay tsy mitaky afa-tsy fiezahana feno fitiavana. Amin'ny olona toy izany, ny famihinan-tanana mafy sy mitondra fanampiana ataon'ny tena sakaiza dia misy vidiny noho ny volamena sy ny volafotsy. (...)

 Ao koa ireo vahoaka maro miady amin'ny fahantrana (...) ary tara raha mba mahazo izay farafahakeliny ilainy hivelomana. Ny asa mafy sy ny tsy fananana, tsy misy fihatsarana azo antenaina, dia mahatonga ny entany ho tena mavesatra. Rehefa tovonan'ny fanaintainana sy ny aretina dia mita tsy ho zaka mihitsy ny vesatry ny entana. (...) Miraisa fo aminy eo amin'ny fitsapana entiny, amin'ny fahoriam-pony sy ny fahadisoam-panantenany. Hampidanadana lalana ho anao hanampianao azy izany. Lazao azy ireo teny fikasan'Andriamanitra; mivavaha miaraka aminy sy ho azy. Ampitsirio ao aminy ny fanantenana. (...)

 Miaraha miasa aminy, mameno an'izao tontolo izao ny tsy fahatokiana sy ny fankahalana, fa ny mpianatr'i Kristy kosa dia tokony hampiseho ny toe-tsaina izay manjaka any an-danitra.

 Mitenena amin'ny fomba ho nitenenany, miasà amin'ny fomba ho niasany. Asehoy mandrakariva ny fahatsaran'ny toetra amam-panahiny. Asehoy ny haren'ny fahasoavana izay fototry ny fampianarany rehetra sy ny fifandraisany rehetra tamin'ny olona.

 Ny mpiasa tsotra indrindra, miara-miasa amin'i Kristy, dia afaka mikitika tadim-baliha izay hamoaka feo hanakoako hatrany amin'ny faran'ny tany sy feo izay hitambatra ho feon-kira mandritra ny mandrakizay. — TMF, tt. 98,99. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fampidirana.
Sun 15 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny Daniela toko faharoa sy ny tantara.
Mon 16 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Miankohoka amin’ny sary.
Tue 17 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Miankohoka amin’ny sary indray.
Wed 18 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny fanenjehana ny fiangonana voalohany.
Thu 19 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny mariky ny bibidia.
Fri 20 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fianarana fanampiny.
Sat 21 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Fampidirana.
Sun 08 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Mosary tany Amin ny "tranon’nymofo"
Mon 09 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - I Rota sy i Boaza.
Tue 10 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Boaza amin’ny maha-mpanavotra azy.
Wed 11 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - I Hamana sy I Satana.
Thu 12 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Ho amin’izao andro izao mihintsy.
Fri 13 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 21 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fampidirana.
Sun 22 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Ilay mpaminany malaina.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (65)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal