Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mitoria amim-pahalemem-panahy

Daty
Alakamisy 27 March 2025

"Aoka tsy haloaky ny vavanareo izay teny maloto, fa izay tsara ho fampandrosoana, araka izay tokony hanaovana, mba hahazoan'ny mihaino fahasoavana." — Efes. 4:29.

Mofon’aina:
Amin'ny maha-mpanaraka an'i Kristy antsika dia tokony hataontsika izay hahatonga ny tenintsika ho fifampianarana sy fifampaherezana eo amin'ny fiainana kristianina. (...) Tokony holazaintsika ny famindrampo sy ny halemem-panahy ombam-pitiavana nasehon'Andriamanitra tamintsika, sy ny halalin'ny fitiavan'ny Mpamonjy tsy hita lany ho antsika. Tokony ho tenim-piderana sy fisaorana ny fitenintsika. (...) Tsy ho sarotra amintsika ny hizara izay zavatra raiki-tampisaka ao amin'ny fiainantsika ara-panahy. Ny hevitra mavesa-danja, ny faniriana ambony, ny fahatsapana mazava ny fahamarinana, ny fikatsahana fiainam-pivavahana sy fahamarinana, dia samy hitondra vokatra ao amin'ny teny izay maneho ny toetry ny herin'ny fo. Rehefa aseho toy izany eo amin'ny fiteny i Kristy, dia hanan-kery izany fiteny izany ka hahazo fanahy ho Azy.

Tokony hilaza an'i Kristy amin'ireo izay tsy mahalala Azy isika. Na taiza na taiza nisy Azy, na tao amin'ny sinagôga, na teny amoron-dalana, na teny amin'ny sambokely nahantsona lavidavitry ny tany, (...) dia niteny tamin'ny olona ny amin'ny zavatra momba ny fiainana any ambony Izy. Ny lalàna mifehy ny zava-boary, ny toe-javatra nitranga teo amin'ny fiainana andavanandro dia nampifandraisiny tamin'ny tenin'ny fahamarinana. Ny fon'ny mpihaino Azy dia voasintona teo Aminy, satria efa nanasitrana ny marary sy nampionona ny malahelo Izy ary nandray ny zaza teo an-trotroany ka nitahy azy. Rehefa nanoka-bava hiteny Izy, dia nifantoka teo Aminy ny sain'izy ireny, ka ny teniny rehetra dia hanitry ny fiainana ho amin'ny fiainana ho an'ny fanahy.

Tokony ho toy izany koa amintsika. Na aiza na aiza misy antsika, dia tokony hanararaotra ny fotoana mety isika hilazana ny Mpamonjy amin'ny hafa. Raha manaraka ny ohatra nomen'i Kristy isika amin'ny fanaovana soa, dia hivoha ho antsika tahaka ny taminy koa ny fo. Tsy atao an-drezatra, fa amin'ny fahaizana avy amin'ny fitiavan'Andriamanitra, no hilazantsika Ilay «notsongaina tamin'ny alinalina» sy Ilay «mahate-ho-tia avokoa». Io no asa ambony indrindra azontsika ampiasana ny talentantsika eo amin'ny fitenenana. Nomena antsika izany mba hahazoantsika mampiseho an'i Kristy amin'ny maha-Mpamonjy mpamela heloka Azy. — HF, tt. 348,349.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.
Sun 15 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny mpivady.
Mon 16 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny ray amandreny sy ny zanaka.
Tue 17 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny fifandraisana araka asa.
Wed 18 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mifampivavaka.
Thu 19 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mandeha amin’ny fahendrena.
Fri 20 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.
Sun 08 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Misaina ny zavatra any ambony.
Mon 09 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Atsaharo ny fisainana momba ny tany.
Tue 10 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Havaozina ho amin’ny fahalalana tsara.
Wed 11 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Ny toetry ny fiainam-baovao.
Thu 12 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fiainam-baovao.
Fri 13 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (67)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal