Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ny hery miasa mangina, mety ho tsara na ratsy

Daty
Zoma 28 March 2025

"Ary aza mampalahelo ny Fanahy Masin'Andriamanitra, Izay nanisiana tombo-kase anareo ho amin 'ny andro fanavotana. Esory aminareo ny fo-lentika rehetra sy ny fahavinirana sy ny fahatezerana sy ny fitabatabana sy ny fitenenan-dratsy ary ny lolompo rehetra; ary aoka samy halemy fanahy amin'ny namany avy hianareo, ka hifampiantra sy hifamela heloka, tahaka ny namelan 'Andriamanitra ny helokareo ao amin'i Kristy." —Efes. 4:30-32.

Mofon’aina:
Ny fiainan'i Kristy dia hery miasa mangina mihamivelatra hatrany (...) ka namatotra Azy tamin'Andriamanitra sy tamin' ny fianakavian'ny olombelona manontolo. Amin'ny alalan'i Kristy, dia notafin'Andriamanitra hery ny olombelona mba hahatonga azy ho tsy afaka ho velona ho an'ny tenany samirery. (...) Fikasan'Andriamanitra ny hahatsapan'ny tsirairay fa ilaina izy hahasoa ny hafa sy hiezaka hampitombo ny fahasambaran' izy ireny.

Ny fanahy tsirairay dia voahodidin' ny rivo-piainan'ny tenany, rivo-piainana izay mety ho feno hery manome aina avy amin'ny finoana, ny herim-po sy ny fanantenana, ary hamerovero avy amin'ny fofo-manitry ny fitiavana mamy. Mety havesatra koa izany na mangatsiaka noho ny tsy fifaliana manjombona sy ny fitiavan-tena, na hitondra poizina noho ny fahotana mahafaty nankamamiana. Ny rivo-piainana manodidina antsika dia miasa amin'ny olona rehetra mifandray amintsika na tsapany izany na tsia.

Andraikitra tsy azontsika ialana izany. Ny teny ataontsika, ny asa ataontsika, ny fomba fitafintsika, ny fomba fihetsitsika ary na dia ny fijerin'ny endritsika aza, dia manan-kery miasa mangina. Ary ny zavatra tsapa avy amin'izany no iantonan'ny vokatra ho amin'ny tsara na ho amin'ny ratsy izay tsy azon'olona refesina. (...) Masom-by iray eo amin'ny rojo lavaben'ny toe-javatra eo amin'ny fiainan'ny olona izany, ary miitatra hatramin'izay tsy fantatsika. Raha manampy ny hafa isika amin'ny ohatra omentsika eo amin'ny fitomboan'ny foto-kevitra tsara, dia manome azy ireo hery hanaovana ny tsara isika. Dia anjarany indray ny mampiasa hery toy izany amin'ny hafa, ary ireo koa amin'ny hafa indray. (...)

Ny vato kilonjy iray atsipy ao amin'ny farihy dia mahatonga onja iray, dia anankiray hafa, dia anankiray hafa indray; ary arakaraka ny hitomboany no mahalehibe kokoa ny faribolana mandra-pahatrarany ny moron-drano mihitsy aza. Toy izany koa ny hery miasa avy amintsika. (...) — HF, tt. 349,350. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.
Sun 27 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Ny fifandrraisana tany Edena.
Mon 28 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Niery an’Andriamanitra.
Tue 29 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mitady ny olombelona Andriamanitra.
Wed 30 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Voaroaka tao amin’ny saha.
Thu 01 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mpitondra tenin’Andriamanittra.
Fri 02 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fianarana fanampiny.
Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.
Sun 20 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fahasoavan’i Jesôsy.
Mon 21 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fitiavan’Andriamanitra.
Tue 22 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ilay Andriamanitra fitiavana.
Wed 23 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny firaisana amin’ny Fanahy Masina.
Thu 24 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny Andriamanitsika telo ilay.
Fri 25 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - FIanarana fanampiny.
Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY -

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal