Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mampiasa tsara ny hery miasa mangina noho ny fahasoavana

Daty
Sabotsy 29 March 2025

 "Ary izay mahatoky amin'ny kely indrindra dia mahatoky koa amin'ny be; ary izay tsy marina amin'ny kely indrindra dia tsy marina koa amin'ny be." — Lio. 16:10.

Mofon’aina:
Hery ny toetra amam-panahy. Ny vavolombelona mangina entin'ny fiainana marina (...) dia hery tsy azo toherina mihitsy. Ny fanehoantsika eo amin'ny fiainantsika ny toetra amam-panahin'i Kristy, dia fiarahantsika miasa Aminy eo amin'ny asa famonjem-panahy. (...) Ary arakaraka ny maha-lehibe ny faritra hiasan'ny hery avy amintsika no habetsahan'ny soa mety ho vitantsika. Rehefa manaraka ny ohatra nomen'i Kristy ireo izay milaza fa manompo an'Andriamanitra, ka mampihatra ny foto-kevitry ny lalàna eo amin'ny fiainany andavanandro; rehefa vavolombelona ny asany rehetra fa tia an'Andriamanitra ambonin'ny zavatra rehetra izy ary tia ny namany tahaka ny tenany, amin'izay ny fiangonana dia hanana hery hanetsika an'izao tontolo izao. 

Nefa tsy tokony hohadinoina na oviana na oviana fa ny hery miasa avy amin'ny tena dia mety ho hery miasa ho amin'ny ratsy koa. (...) Eritreritra mahatahotra izany hoe hery miasa mangina avy amintsika no ho hanitry ny fahafatesana ho amin'ny fahafatesana. (...) Ny famelany ny fiahiahiana sy ny fialonana ary ny tsy fifaliana aseho  fiteny, dia fanoloran-tena ho fiasan'i Satana. Alohan'ny hahatsapany izay ataony, dia efa nahatanteraka ny fikasany tamin'ny alalan'izy ireo ny fahavalo. (...) Ny tsy fahatokiana, ny tsy finoana, ny fivadihana an-kitsirano dia efa naka ny toeran'ny Mpamonjy tao am-po. Amin' izay fotoana izay dia afa-po ny mpiasan'i Satana mijery ireo notarihiny ho amin'ny fisalasalana, ary ankehitriny efa mafy tsy 1aitry ny fananarana sy ny fiangaviana intsony. Mandoka tena izy fa raha ampitahaina amin'ireo fanahy ireo dia tsara toetra sy marina kokoa. Tsy tsapany fa ireo faharavan-toetra amam-panahy mahonena ireo dia asan'ny lelany tsy voafehy sy ny fony mpikomy ihany. (...)

 Toy izany koa ny toetra maivamaivana, ny fampanaranampo ny tena, ny tsy firaihana feno tsirambina (...) dia mampivily fanahy maro hiala amin'ny lalan'ny fiainana. Betsaka no hatahotra hanatrika ny vokatry ny hery miasa mangina avy aminy eo amin'ny toeram-pitsaran'Andriamanitra.

 Amin'ny alalan'ny fahasoavan' Andriamanitra ihany no ahazoantsika mampiasa tsara io fanomezana io. tt. 350-352.

 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fampidirana.
Sun 06 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Ny ohapiainan’i Jesôsy.
Mon 07 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Ny antony manesika.
Tue 08 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Manao drafitra.
Wed 09 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Toetsaina.
Thu 10 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Firaisana.
Fri 11 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fianarana fanampiny.
Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 29 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fampidirana.
Sun 30 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Ny vokatry ny fanompoana tena izy.
Mon 31 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fahoriana sy voninahitra.
Tue 01 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -Fanompoam-pivavahana mifantoka amin’i Kristy.
Wed 02 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Antso ho amin’ny fahamasinana.
Thu 03 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fiononana sy alahelo.
Fri 04 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fianarana fanampiny.
Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.
Sun 13 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Ady ara-panahy.
Mon 14 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Mirehareha ny amin’i Jehôvah.
Tue 15 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fantatra ireo mpampianatra sandoka.
Wed 16 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Miaripahoriana noho ny filazantsara.
Thu 17 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Antso ho an’ireo tsy mbola nibebaka.
Fri 18 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fianarana fanampiny.
Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal