Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 13: NY FITIAVANA NO FAHATANTERAHANA NY LALANA - Lalàm-pitiavana.

Daty
Alahady 23 March 2025

Tsy fitsipika manjavozavo no mandrafitra ny lalan'Andriamanitra, fa maneho fifandraisana kosa izany. Hita mazava tsara ao amin'ny Didy folo izany. Efa napetraka hatrany amin'ny saha Edena ny foto-kevitra iorenan'ny Didy folo, dia ny foto-kevitry ny fitiavana izay tokony hifehy ny fifandraisan'Andriamanitra sy ny olombelona, ary ny olona samy olona.

Rehefa nosoratana tamin'ny vato fisaka ny Didy Folo ao amin'ny Eks. 20, dia tao anatin'ny tontolon-kevitry ny fifandraisana ao anatin'ny fanekena no nanomezana izany ny Isiraely. Taorian'ny nanafahan'ny Tompo ny vahoaka avy tao Egipta no nanoratana ireo didy ireo, ary ny fitiavan'Andriamanitra sy ny teny fikasany ho an'ny firenena no fototra niorenany (jereo ny Eks. 6:7,8 sy ny Lev. 26:12). Hitantsika ao amin'ireo fizarana roan'ny Didy Folo fa mikendry izay hahatsara ny fifandraisan'ny olombelona amin'Andriamanitra sy ny fifandraisany amin'izy samy izy izany.

Vakio ny Eks. 20:1-17. Ahoana no anehoan'ireo andininy ireo foto-kevitra roa, dia ny fitiavana an'Andriamanitra sy ny fitiavana ny hafa?

Mikasika ny fifandraisan'ny olombelona amin'Andriamanitra ireo didy efatra voalohany, ary ireo enina sisa kosa dia momba ny fifandraisan'ny olona samy olona. Tsy maintsy fehezin'ny foto-kevitry ny lalàn'Andriamanitra ny fifandraisantsika amin'Andriamanitra sy ny fifandraisantsika amin'ny hafa.

Ireo fizarana roa ao amin'ny lalana ireo dia mifanandrify indrindra amin'ilay lazain'i Jesôsy hoe didy roa lehibe indrindra - "Tiava an'i Jehôvah Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ary ny sainao rehetra - Mat. 22:37 (ampitahao amin'ny Deo. 6:5), sy "Tiava ny namanao tahaka ny tenanao" - Mat. 22:39 (ampitahao amin'ny Lev. 19:18).

Ambaran'i Jesôsy mazava ny fifandraisan'ireo didy roa lehibe ireo tanteraka amin'ny lalàna. "Izany didy roa izany no ihantonan'ny lalàna rehetra sy ny mpaminany."-Mat. 22:40.

Araka izany dia miorina amin'ny fitiavana ny lalàn'Andriamanitra manontolo; tsy azo sarahina ny fitiavan'Andriamanitra sy ny lalàna. Fandrentsika matetika ny hoe: "Tsy mila mitandrina ny lalana isika fa ny fitiavantsika an'Andriamanitra sy ny hafa dia ampy." Nahoana no tsy mitombina izany hevitra izany?

Ahoana no ahafahantsika maneho fitiavana an'Andriamanitra na fitiavana ny hafa raha toa ka dikaintsika ny Didy folo, na ny anankiray amin'izany monja aza?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fampidirana.
Sun 15 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny Daniela toko faharoa sy ny tantara.
Mon 16 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Miankohoka amin’ny sary.
Tue 17 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Miankohoka amin’ny sary indray.
Wed 18 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny fanenjehana ny fiangonana voalohany.
Thu 19 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny mariky ny bibidia.
Fri 20 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fianarana fanampiny.
Sat 21 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Fampidirana.
Sun 08 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Mosary tany Amin ny "tranon’nymofo"
Mon 09 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - I Rota sy i Boaza.
Tue 10 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Boaza amin’ny maha-mpanavotra azy.
Wed 11 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - I Hamana sy I Satana.
Thu 12 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Ho amin’izao andro izao mihintsy.
Fri 13 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 21 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fampidirana.
Sun 22 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Ilay mpaminany malaina.
Mon 23 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Asa mitory fibebahana
Tue 24 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Tao amin’ny lanonan’i Belsazara.
Wed 25 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Ny faharetan’ny onin’ny Eofrata.
Thu 26 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - I Kirosy, Ilay voahosotra.
Fri 27 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fianarana fanampiny.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (65)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal