Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 13: NY FITIAVANA NO FAHATANTERAHANA NY LALANA - Mihoatra ny zavatra rehetra, mifankatiava tsara.

Daty
Alakamisy 27 March 2025

Raha ny fitiavana no fahatanterahana ny lalána, dia tsy ho voatandrintsika amin'ny fahafenoany ny lalán Andriamanitra amin'ny fiezahantsika fotsiny tsy hanao ratsy. Ny lalan'ny fitiavana mihitsy (izay hita ao amin'ny Soratra Masina manontolo) no tsy mibaiko antsika tsy hanao ratsy fotsiny. fa mandrisika antsika hanao asa izay maneho ny fitiavan'Andriamanitra amin'ny hafa koa-tsy amin'ireo mambran'ny fiangonana ihany fa amin'ny olona maneran-tany, izay tena mila ny fijoroana ho vavolombelona avy amin'ny Kristianina marina.

Vakio ny Jak. 2:9. Inona ny hafatra lehibe omena antsika eto?

Melohin'i Jakôba mafy ny tsy rariny eo amin'ny fiarahamonina eto, ka asongadiny manokana amin'izany ny fanalam-baraka ny malahelo sy ny fampahoriana ataon'ny mpanankarena sasany. Avy eo dia sarihiny ho amin'ny lalan'ny fitiava-namana ny saina, ka lazainy fa raha mankato izany lalána izany isika, dia "manao tsara" (Jak. 2:8).

Hoy i Ellen G. White: "Ny fitiavana ny olona no fisehoan'ny fitiavan'Andriamanitra eto an-tany. Ny hampitoetra io fitiavana io, ny hanao antsika ho zanaky ny fianakaviana iray no nahatonga ny Mpanjakan'ny voninahitra ho iray amintsika. Ary rehefa tanteraka ny teny nataony raha handeha Izy hoe: 'Izao no didiko, dia ny mba hifankatiavanareo tahaka ny nitiavako anareo' - Jao. 15:12; rehefa tia an'izao tontolo izao tahaka ny nitiavany azy isika, amin'izay dia tanteraka ho antsika ny asa nanirahana Azy. Vonona ho any an-danitra isika satria manana ny lanitra ao am-pontsika."- IFM, 1. 535 (ed. 2023).

Rehefa tia an'izao tontolo izao tahaka ny nitiavan'i Kristy azy isika, dia "vonona ho any an-danitra". Maneho mazava ny atao hoe mpanara-dia an'i Kristy tokoa izany!

Nandidy ny mpianany mba hifankatia tahaka ny nitiavany azy ireo i Jesõsy (Jao. 13:34). Hoy koa i Jesōsy: "Izany no ahafantaran'ny olona rehetra fa mpianatro hianareo, raha mifankatia." Jao. 13:35. Manan-danja lehibe amin'ny finoana kristianina tokoa ny fitiavana satria Andriamanitra dia fitiavana (1 Jao 4:8,16). Ary izay mitory an'Andriamanitra fitiavana dia tsy maintsy mifankatia (ampitahao amin'ny 1 Jao. 3:11; 4:20,21).

Toy izany koa, misy antso ho an'ny Kristianina ao amin'ny 1 Pet. 4:8: "Ary mihoatra noho ny zavatra rehetra, mifankatiava tsara; fa 'ny fitiavana manarona fahotana maro" (jereo koa ny Heb. 10:24 sy ny 1 Tes. 3:12).

Saintsaino ny hoe: tia an'izao tontolo izao tahaka ny nitiavan'i Kristy an'izao tontolo izao. Ahoana no anampian'izany antsika hahatakatra mazava kokoa ny atao hoe fahatanterahana kristianina, sy ny fomba hahavonona antsika ho any an-danitra? Ento eo amin'ny kilasy ny valin-teninao amin'ny Sabata.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fampidirana.
Sun 15 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny Daniela toko faharoa sy ny tantara.
Mon 16 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Miankohoka amin’ny sary.
Tue 17 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Miankohoka amin’ny sary indray.
Wed 18 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny fanenjehana ny fiangonana voalohany.
Thu 19 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny mariky ny bibidia.
Fri 20 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fianarana fanampiny.
Sat 21 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Fampidirana.
Sun 08 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Mosary tany Amin ny "tranon’nymofo"
Mon 09 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - I Rota sy i Boaza.
Tue 10 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Boaza amin’ny maha-mpanavotra azy.
Wed 11 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - I Hamana sy I Satana.
Thu 12 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Ho amin’izao andro izao mihintsy.
Fri 13 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 21 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fampidirana.
Sun 22 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Ilay mpaminany malaina.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (65)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal