Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ny tena fahendrena, ao amin’Andriamanitra irery.

Daty
Talata 01 April 2025

"Sambatra izay olona mahita fahendrena sy izay olona mahazo fahalalana." Ohab. 3:13.

Mofon’aina:   
Haren-tsarobidy maharitra tahaka ny fiainana mandrakizay ny tena fahendrena marina. Maro amin’ireo voalaza ho olon-kendry eo amin’izao tontolo izao no hendry araka ny tombana ataon’ny tenany fotsiny. Mionona amin’ny fahazoana ny fahendrena araka izao tontolo izao izy ireo ka tsy mba miditra velively eo amin’ny zaridainan’Andriamanitra mba hahafantatra ireo haren’ny fahalalana voarakitra ao amin’ny Teniny Masina. Mihevitra ny tenany ho hendry izy ka tsy mahalala ny amin’ny fahendrena tsy maintsy ananan’ny rehetra mba hahazoana ny fiainana mandrakizay. Ataony tsinontsinona ny bokin’Andriamanitra, kanefa raha nodinihiny sy nohajainy tsara izany dia ho nahazoany ny tena fahendrena.

Zava-miafina tsy hay takarina ho azy ireo ny Baiboly. Maizina aminy ireo fahamarinana lalina sy lehibe ao amin’ny Testamenta Taloha sy Vaovao, satria tsy ara-panahy no andinihany ny zava-panahy. Mila mianatra izy ireo fa ny fahatahorana an’i Jehôvah no fiandoham-pahendrena, ary raha tsy misy io fahendrena io, dia tsy misy Ianjany ny fianarany.

Ireo izay mitady fanabeazana ao amin’ny siansa, nefa tsy nianatra ny lesona momba ny fahatahorana an’Andriamanitra ho fiandoham-pahendrena, dia miasa tsy misy fahaizana sy fanantenana, misalasala ny amin’ny zavatra rehetra. Mety handray lesona avy amin’ny siansa izy ireo, saingy raha tsy manana fahalalana ny Baiboly sy fahalalana an’Andriamanitra izy dia tsy manana fahendrena marina. Ny olona tsy nianatra kosa, raha mahafantatra an’Andriamanitra sy i Jesôsy Kristy, dia manana fahendrena maharitra mihoatra lavitra noho ny olona avara- pianarana indrindra izay manamavo ny fampianaran’Andriamanitra aza. – SDABC, b. 3, t. 1156.

Tsy takatry ny sain’ny hendry eto amin’izao tontolo izao ny tena fahendrena marina. I Kristy ao anatintsika, Izay fanantenana ny voninahitra, no fahendrena miafina, dia fahendrena ambony toy ny lanitra. Be voninahitra sy mandrakizay ireo foto-kevitra lalin’ny fahamasinana. Ny fanandramana kristianina ihany no afaka manampy antsika hahatakatra izany, sy hahazo ny harem-pahalalana izay nafenina ao amin’ny torohevitr’Andriamanitra, fa ankehitriny naseho ho an’izay rehetra manana fifandraisana velona amin’i Kristy. – RH, 18 Jolay 1899.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.
Sun 08 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Misaina ny zavatra any ambony.
Mon 09 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Atsaharo ny fisainana momba ny tany.
Tue 10 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Havaozina ho amin’ny fahalalana tsara.
Wed 11 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Ny toetry ny fiainam-baovao.
Thu 12 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fiainam-baovao.
Fri 13 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARAMONINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 28 Feb 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Fampidirana.
Sun 01 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Ny fahendren’Andriamanitra sy ny fahalalany.
Mon 02 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Mamaka sy mitombo ao amin’i Kristy.
Tue 03 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Nofantsihana teo Amin’ny hazo fijaliana.
Wed 04 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Tandindona sa tena izy?
Thu 05 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Didin’olombelona.
Fri 06 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Fianarana fanampiny
Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (67)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal