Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ho an'izay mandalina ny haren-tsarobidy

Daty
Alakamisy 10 April 2025

"Raha mitady azy toy ny fitady volafotsy hianao, ary mikatsaka azy toy ny fikatsaka harena afenina, dia ho fantatrao marina ny fahatahorana an'i Jehôvah , ary ho hitanao ny fahalalana an 'Andriamanitra." - Ohab. 2:4,5.

Mofon’aina:
Ahoka tsy hisy hihevitra fa tsy misy intsony fahalalana horantovina. Azo refesina ny halalin'ny sain'olombelona; azo atao ny mahalala tanteraka ny asan'ny mpanoratra malaza, fa tsy hahatakatra ny sain'Andriamanitra kosa ny manan-tsaina indrindra. Misy tsy hita fetra any ankoatr 'izay rehetra azontsika fantarina. Mangirana kely fotsiny no hitantsika ny amin'ny voninahitr'Andriamanitra sy ny fahalalany tsy hita fetra ary ny fahendreny (...). Tsy maintsy halentika lalina hatrany ny lelan'angady, mba hahitana ny harena be voninahitra. Amin'ny alalan'ny finoana marina dia hanjary fahalalan'Andriamanitra ny fahalalan'olombelona. 

Tsy misy olona mikaroka ny Soratra Masina amin'ny fanahin'i Kristy ka tsy hahazo valisoa. Rehefa maniry ny hampianarina toy ny zazakely ny olona, rehefa milefitra tanteraka amin'Andriamanitra izy, dia hahita ny fahamarinana ao amin'ny teniny. Raha mba mety mankatò ny olona, dia ho takany ny drafitry ny fanjakan'Andriamanitra, hisokatra hozahany ireo efitrefitra feno fahasoavana sy voninahitra any amin'ny tontolo any an-danitra. Ho tonga hafa dia hafa noho izao toetrany ankehitriny izao ny olombelona satria hanandratra azy ny fikatsahana ny fahamarinana. Ny zava-miafin'ny fanavotana sy i Kristy tonga nofo ary ny fanati-panorenana nataony dia tsy hanjavozavo tahaka ny ankehitriny intsony. Tsy hoe hihazava fotsiny izy ireny, fa hankasitrahana fatratra koa. (...)

Ambony noho ny volamena sy ny volafotsy ny tombambidin'io harena io. Tsy azo ampitahaina aminy ny haren'ny vatosoan'ny tany. "Hoy ny lalina: tsy ato anatiko izy; ary, tsy ato amiko izy, hoy ny ranomasina. Ny volamena tsara tsy mahatakalo azy, ary ny volafotsy tsy azo lanjaina ho vidiny; ny volamena avy any Ofira tsy ampy ho tombany, na ny beryla saro-bidy sy ny safira aza. Ny volamena sy ny fitaratra tsy azo ampitahaina aminy. Ary tsy azo takalozana firavaka tena volamena izy. Tsy tokony hotsaroana akory ny voahangy sy ny vato krystaly, fa ny fahazoana fahendrena dia mihoatra noho ny voahangy". - Jôba 28:14-18. — ST, 12 Septambra 1996. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 24 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 25 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fanambarana ankapobeny sy fanambarana manokana.
Mon 26 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Ny tsindrimandrin’Andriamanitra.
Tue 27 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Hafatra am-bava.
Wed 28 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Hafatra an-tsoratra.
Thu 29 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fanehoana ohatra mivaingana, tandindona, fanoharana.
Fri 30 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Ny tenin’i Ellen G. White momba ny fanambarana sy ny tsindrimandry avy amin’Andriamanitra.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.
Sun 18 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Jesôsy, amin’ny maha Mpaminany azy.
Mon 19 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny Apôstôly sy ny mpaminany.
Tue 20 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny asan’ireo Mpaminanin’ny TV.
Wed 21 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo mpaminany vavy sy zatovo mpitandrina, mpiara-miasa.
Thu 22 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo Mpaminany sandoka ao amin’ny TV.
Fri 23 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Manao an’i Jesôsy ho ivo.
Sat 24 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • June 2026 (38)
  • July 2026 (77)
  • August 2026 (52)
  • September 2026 (52)
  • October 2026 (55)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal