Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Diniho tsara ny foto-pinoana tsirairay

Daty
Sabotsy 12 April 2025

 "Nitodika aho, ka nampiasaiko ny foko hahalala sy handinika ary hitady fahendrena sy izay anton-javatra ary hahafantatra ny faharatsiana ho fahadalana, ary ny fahadalana ho fahaverezan-tsaina." Mpitt. 7:25.

Mofon’aina:
Naseho ahy fa maro amin' ireo izay milaza ho manam-pahalalana momba ny fahamarinana ankehitriny no tsy mahalala akory izay inoany. Tsy takany ireo porofon'ny finoany. Tsy ankasitrahany ny asa atao ho an'ny ankehitriny. Rehefa ho avy ny fotoan'ny fizahan-toetra, dia misy olona izay mitory amin'ny hafa amin'izao fotoana izao, rehefa mandinika ny toerana misy azy, hahita fa tsy fantany mazava izay antony itoriany. Tsy fantany ny tsy fahalalany raha tsy teo izany fizahan-toetra izany. (...) 

Rehefa tafasaraka amin'ireo izay miray finoana aminy izy ka voatery hijoro irery hanazava ny finoany dia ho gaga fa mikorontana ny heviny mikasika izay nekeny ho fahamarinana. Tsy isalasalana fa nanalavitra an'Andriamanitra velona isika ary nitodika tany amin'ny mety maty, ka fahendren' olombelona no natakalontsika ny fahendren' Andriamanitra. 

Hamoha ny vahoakany Andriamanitra. (...) Miantso ireo rehetra mino ny teniny Andriamanitra mba hifoha amin'ny torimasony. Tonga ny fahazavana sarobidy, mifanaraka indrindra amin'izao andro izao. Fahamarinana ara-Baiboly izany, izay mampiseho ireo loza mananontanona antsika. Tokony hitarika antsika ho amin'ny fianarana amim-pahazotoana ny Soratra Masina sy ny fandinihana akaiky sy lalina ny foto-kevitra tanantsika, io fahazavana io. Tian'Andriamanitra ny handalinantsika amim-paharetana ireo foto-kevi-dehibe tsirairain' ny fahamarinana, amim-bavaka sy amim-pifadian-kanina. Tsy tokony hianina amin'ny fanombantombanana sy ny hevitra tsy marim-pototra mikasika ny atao hoe fahamarinana ny mpino. Tokony hiorina mafy amin'ny tenin'Andriamanitra ny finoany, ka raha ho avy ny fotoam-pizahan-toetra ka hoentina eo anatrehan'ny filan-kevitra izy ireo hamaly ny amin'ny finoany, dia afaka hanome ny anton'ny fanantenana ao anatiny amin'ny fahalemem-panahy sy fanajana. (...)

Ireo izay nanazatra ny tenany ho havanana amin'ny fandaharan-kevitra dia ahina mafy tsy hihazona ny Tenin'Andriamanitra amim-pahitsiana. Eo anatrehan'ireo izay tsy mitovy hevitra amintsika dia tokony hanao ezaka matotra isika mba haneho ireo lohahevitra amin'ny fomba mampifoha ny faharesen-dahatra ao an-tsainy, fa tsy ny hitady izay hahazoan' ilay mpino toky fotsiny. - TFC, b. 5, tt. 707,708. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 24 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 25 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fanambarana ankapobeny sy fanambarana manokana.
Mon 26 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Ny tsindrimandrin’Andriamanitra.
Tue 27 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Hafatra am-bava.
Wed 28 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Hafatra an-tsoratra.
Thu 29 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fanehoana ohatra mivaingana, tandindona, fanoharana.
Fri 30 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Ny tenin’i Ellen G. White momba ny fanambarana sy ny tsindrimandry avy amin’Andriamanitra.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.
Sun 18 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Jesôsy, amin’ny maha Mpaminany azy.
Mon 19 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny Apôstôly sy ny mpaminany.
Tue 20 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny asan’ireo Mpaminanin’ny TV.
Wed 21 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo mpaminany vavy sy zatovo mpitandrina, mpiara-miasa.
Thu 22 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo Mpaminany sandoka ao amin’ny TV.
Fri 23 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Manao an’i Jesôsy ho ivo.
Sat 24 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • June 2026 (38)
  • July 2026 (77)
  • August 2026 (52)
  • September 2026 (52)
  • October 2026 (55)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal