Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mandinika ny teny.

Daty
Alahady 13 April 2025

‘’Ny tenin’Andriamanitra dia voadio avokoa, ampinga ho an‘izay mialoka aminy Izy. Aza manampy ny teniny, fandrao hanariny hianao ka ho hita fa mpandainga.’’ Ohab. 30:5,6.

Mofon'aina:    
Ny mandresy lahatra ireo fanahy hanaiky ny fahamarinana no tanjona izao. Ny ezaka ataon’ny tena manokana no fomba tsara indrindra hanatrarana izany, amin’ny fitondrana ny fahamarinana isan-tokantrano sy amin’ny fiaraha-mivavaka amin’izy ireo, sady manokatra ny Baiboly aminy.

Mila mitandrina izay manao izany asa izany mba tsy ho zary tsianjery mahamonamonaina ny drafitr’asa ataony, tahaka ny tokony hataon’ny mpitandrina miasa any amin’ny biraony koa. Tokony hianatra zava-baovao mandrakariva izy ireo, tokony hanana zotom-po sy ho feno fitandremana mba hanatrarana ny tsara indrindra amin’ny fahaizana ny Soratra Masina. (...) Mila mikolokolo fahazarana mianatra tsara sy mampiasa saina izy ireo, amin’ny alalan’ny fivavahana sy ny fandinihana lalina ny Soratra Masina. Maro no meloka amin’ny tsy fanatanterahana izany. Tsy kely ny fitakian’Andriamanitra aminy, kanefa afa-po amin’ny fahalalana voafetra ananany momba ny Soratra Masina izy ireo, ary tsy miezaka ny hanatsara ny sainy sy ny fombany.

Ny hevitra rehetra avy amin’ny tantaran’ny faminaniana, ny lesona rehetra nomen’i Kristy hampiharina eo amin’ny fiainana, dia tokony hodinihina tsara tsirairay mba tsy hisy hadino. Manome hery, mampivelatra, ary mandranitra ny saina ny fanaovana izany. Tsy maintsy ampiasaina ny saina, raha tsy izany dia ho osa. (...) Aoka ny saina hiatrika ireo olana sarotra ao amin’ny Tenin’Andriamanitra, dia hifoha tanteraka izy, ka tsy teny feno fahambaniana no hivoaka fa teny tsara sy mampahery, izay avy amin’ny saina mavitrika sy miasa.

Tsy maintsy manatratra ny fenitra ambony indrindra ny mpanompon’i Kristy. Mpanabe izy ireo, ary tokony hahay tsara ny Soratra Masina. (...) Mirakitra ny fahamarinana tokana izay manadio ny fanahy ny Baiboly, ary izy noboky tsara indrindra ho fikolokoloana ny saina. Ny fahatsorana sy ny fahamendrehana anehoany ireo foto- pampianarana manan-danja dia tena izay ilain’ny tanora sy ny mpanompon’i Kristy rehetra mba hampianatra azy ireo ny fomba hitoriany ny zava-miafin’ny famonjena amin’ireo izay ao anatin’ny haizina. — RH, 8 Desambra 1885

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.
Sun 08 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Misaina ny zavatra any ambony.
Mon 09 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Atsaharo ny fisainana momba ny tany.
Tue 10 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Havaozina ho amin’ny fahalalana tsara.
Wed 11 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Ny toetry ny fiainam-baovao.
Thu 12 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fiainam-baovao.
Fri 13 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 28 Feb 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Fampidirana.
Sun 01 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Ny fahendren’Andriamanitra sy ny fahalalany.
Mon 02 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Mamaka sy mitombo ao amin’i Kristy.
Tue 03 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Nofantsihana teo Amin’ny hazo fijaliana.
Wed 04 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Tandindona sa tena izy?
Thu 05 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Didin’olombelona.
Fri 06 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Fianarana fanampiny
Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (67)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal