Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Aza vakina fotsiny, fa diniho.

Daty
Alarobia 16 April 2025

"Dinihinareo ny Soratra Masina, satria ataonareo fa ao aminy no anananareo fiainana mandrakizay, ary ireny no manambara Ahy." - Jao. 5:39.

Mofon’aina:
Tokony ho velom-pisaorana isika fa manana teny faminaniana   azo antoka, mba tsy hisy amintsika ho voafitaka. Fantatsika fa misy fampianaran-diso sy angano eto amin'izao tontolo izao ankehitriny, ary maniry hahalala ny marina isika. Mila mandinika tsara isika mba hahazoantsika izany fahalalana izany. Tsy afaka manao izany amin'ny famakiana fotsiny n , iî:pratra Masina isika, fa tsy maintsy mampitaha ny Soratra Masina amin’ny Soratra masina. 

Tokony handalina ny Soratra Masina ho an'ny tenantsika isika, mba tsy ho voafitaka; ary na maro aza no voafitaka noho ny fampianarana isan-karazany eto amin'izao tontolo izao, dia tokana ihany ny fahamarinana. Maro no mety hanatona anao ka hilaza ho manana ny fahamarinana, fa anjaranao ny mandinika ny Soratra Masina ho an'ny tenanao. "Ho amin'ny lalana sy ny teni-vavolombelona ihany! Raha tsy miteny araka izany teny izany izy, dia olona izay tsy hiposahan'ny fahazavan 'ny maraina." — Isa. 8:20. (...)

Aoka isika hamaly izay rehetra manontany antsika ny amin'ny anton'ny fanantenana ao anatintsika, amin'ny fahalemem-panahy sy ny fanaj ana, hoy ny apôstôly. "Mahazava ny famoahana ny hevitry ny teninao ka manome fahalalana ho an 'ny kely saina. " — Sal. 119:130. Tsy ampy ny mamaky fotsiny, fa tsy maintsy miditra ao am-pontsika sy ao an-tsaintsika ny Tenin'Andriamanitra, mba ho tafaorina amin'ny fahamarinana masina isika. Raha tsy mandinika ny Soratra Masina ho an'ny tenantsika isika mba hahafantarantsika ny fahamarinana, dia ho tompon'andraikitry ny fahavere-zantsika (...). Na voafetra aza ny fisainantsika dia mety ho tonga manam-pahaizana momba ny Soratra Masina, amin'ny fianarana amim-pahazotoana ny Tenin'Andriamanitra, ary afaka hanazava izany amin'ny hafa.

Ny fiangonana rehetra hatsangana (...) dia tokony hampianarina momba io fahamarinana io. "Be ny vokatra, fa ny mpiasa no vitsy. " — Mat. 9:38. Tsy afaka hitoetra eo anilanao mandrakariva ny mpampianatra hampiseho aminao ny fahamarinana mba tsy hanekenao ireo fahadisoana izay mameno ny tanintsika. Kanefa raha tafaorina ao amin'ny Soratra Masina ianao, dia hahatsapa ny andraikitrao ary handalina ny Soratra Masina ho an'ny tenanao, hahafahanao manampy ny hafa. — RH, 3 Avrily 1888. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.
Sun 08 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Misaina ny zavatra any ambony.
Mon 09 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Atsaharo ny fisainana momba ny tany.
Tue 10 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Havaozina ho amin’ny fahalalana tsara.
Wed 11 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Ny toetry ny fiainam-baovao.
Thu 12 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fiainam-baovao.
Fri 13 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 28 Feb 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Fampidirana.
Sun 01 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Ny fahendren’Andriamanitra sy ny fahalalany.
Mon 02 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Mamaka sy mitombo ao amin’i Kristy.
Tue 03 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Nofantsihana teo Amin’ny hazo fijaliana.
Wed 04 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Tandindona sa tena izy?
Thu 05 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Didin’olombelona.
Fri 06 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Fianarana fanampiny
Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (67)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal