Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 4 : NY FIRENENA REHETRA: FIZARANA I - Nimroda sy Ninive.

Daty
Alahady 20 April 2025

Minoa ny Mpaminany: PM 1

Nohariana ho fonenana tsara indrindra ho an'ny taranak'olombelona ny saha Edena. Rehefa tafiditra ny fahotana dia voatery nesorin'Andriamanitra tamin'ny olombelona ilay saha sy ny hazon'aina, hatreto aloha.

Tsy maintsy niasa mafy ny olombelona teny ivelan'ny saha Edena, mba ho velona. Nihamafy ny fiainana, ny fahoriana sy ny hatsembohan'ny tavantsika no manjary tsy maintsy hahazoantsika hanina (Gen. 3:16-19). Nino sy natoky ireo ray aman-drenintsika voalohany fa hahita vahaolana hahazoana miverina indray ao Edena llay Mpanjaka ara-dalana; ary nitondra fanatitra teo am-bavahadin'ny saha Edena izy ireo, sady nanantena ilay fanavotana natolotr'Andriamanitra an'izao tontolo izao raha vantany vao lavo izy.

"Mbola naharitra nitoetra ela teto an-tany ilay fonena-mamy izay tsy azon'ny olona naleha intsony. (...) Teo am-bavahadin'ilay saha tsy manam-paharoa izay nohidin'ny anjely mpiambina sy nisehoan'ny voninahitr'Andriamanitra, no nivorian'i Adama sy ny zanany mba hiankohofany teo anatrehan'ny Mpamorona sy hanavaozany indray ny voadim-pankatoavany. Taty aoriana, rehefa nanafotra ny tany ny onjam-paharatsiana ka efa hipaoka handevona ny olona noho ny helony ny Safo-drano, dia nesorin'llay tanana izay efa nametraka azy teto an-tany tsy ho ety intsony ny saha Edena. Fa amin'ny fotoana izay hamerenana indray ny toe-javatra rehetra ho amin'ny laoniny, amin'ny fotoana izay hisehoan'ny 'lanitra vaovao sy ny tany vaovao' (Apôk. 21:1), eny, amin'izay fotoana izay, dia haverina indray izy, ka ho be voninahitra noho ny tamin'ny fotoana nanolorana azy voalohany." - PM, tt. 39,40.

Ny sasany kosa nitady "vahaolana" avy amin'ny olombelona ihany mba hamahana ilay olana vaovao nipoitra, nipoitra, ary hitantsika fa nanorina tanana-fanjakana izy ireo, niezaka nanamora kokoa ny fiainana, ary angamba nanandrana nanamboatra indray izay very tany Edena.

Vakio ny Gen. 10:1-12. Eto no ampahafantarin'ny Baiboly antsika ireo fahefana põlitika lehibe maromaro, Izay mbola ho hita manerana ny Baiboly, anisan'izany i Ninive sy i Babilona. Araka ny fantatsika momba ny anjara tanan'ireo tanana ireo aty aorlana, iona ny hevitra azontsika tsoahina avy amin'ireo andininy ireo?

Misy ireo nanatsoaka hevitra rehefa namaky momba an'i Nimroda fa izy dia olona mahery fo mendri-kaja, tahaka irony mpiady mahery hita ao amin'ny anganon'ny mpanompo sampy irony. Kanefa ny namaritan'ny Baiboly azy ho "olona mahery tambonin'ny tany sy "mpihaza mahery teo anatrehan'i Jehôvah dia tsy fiderana azy. Nihevi-tena ho lehibe i Nimroda, ary ny fijoroany "teo anatrehan'i Jehôvah" dia fijoroana ho fanoherana an'Andriamanitra. Ny fielezan'ny fikomiana amin'Andriamanitra no hitantsika ao amin'ireo lahatsoratra ireo, fikomiana izay hisy hatrany mandra-pahatongan'ny fotoana izay hamongorana azy rehetra mandrakizay.

Nahoana ny fahotana amin'ny fikomiana amin'Andriamanitra no tsy misehoseho kokoa, tsy araka izay iheverantsika azy? Ahoana no hiarovantsika tena tsy hanana io toetra ratsin'ny olombelona io?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fampidirana.
Sun 06 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Ny ohapiainan’i Jesôsy.
Mon 07 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Ny antony manesika.
Tue 08 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Manao drafitra.
Wed 09 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Toetsaina.
Thu 10 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Firaisana.
Fri 11 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fianarana fanampiny.
Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 29 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fampidirana.
Sun 30 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Ny vokatry ny fanompoana tena izy.
Mon 31 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fahoriana sy voninahitra.
Tue 01 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -Fanompoam-pivavahana mifantoka amin’i Kristy.
Wed 02 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Antso ho amin’ny fahamasinana.
Thu 03 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fiononana sy alahelo.
Fri 04 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fianarana fanampiny.
Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.
Sun 20 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITATIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fahasoavan’i Jesôsy.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal