Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 5 : NY FIRENENA REHETRA: FIZARANA II - Daniela 2

Daty
Alatsinainy 28 April 2025

Nandritra ny fahababoana tao Babilona, tamin'ny alalan'ny mpaminany Daniela no nanoritsoritan'Andriamanitra tamin'ny fomba mandresy lahatra indrindra ny amin'ny fifandraisan'ny vahoakany amin'ireo fanjakana eto amin'izao tontolo izao. Tsy mahaleo tena intsony ny vahoakany; mizaka ny vokatry ny safidiny izao izy ireo (ary mety handray lesona avy amin'izany koa ve?).

Vakio ny Dan. 2:31-35, izay manome topy maso momba ny tantaran'izao tontolo izao hatramin'ny andro farany. Inona ireo fahamarinana manan-danja azontsika tsoahina avy amin'io faminaniana mahatalanjona io?

Maro ireo olona naneho indray ny fitokiany tamin'ny fandrosoan'ny olombelona tamin'ny faran'ny taonjato fahasivy ambin'ny folo. Ny "Exposition universelle tao Paris (1900), ohatra, dia fampisehoana miavaka ny fanantenana momba ny hoavy. Ninoana fa raha ny fandroson'ny teknôlôjia sy ny siansa dia maro amin'ireo olana lehibe indrindran'ny olombelona no ho foana hatreo! Teo am-pidiran'ny olombelona tamin'ny taonjato faharoapolo dia nisy io fanantenana lehibe io teo amin'ireo mpandinika maro momba ilay antsoiny hoe "Fahazavana" sy ny foto-kevitra voiziny toy ny fahatanterahan'ny olombelona sy ny herin'ny saina izay ho fiantombohan'ny vanim-potoana vaovao mahafinaritra ho an'ny olombelona.

Ravan'ny ady lehibe voalohany anefa izany nofinofy izany, ary ain'olona miisa 200 tapitrisa no nafoy tamin'ny faran'ny taonjato faha-20, vokatry ny ady. Mety ho nandroso ara-teknolojia tokoa isika, saingy tsy nandroso tamin'ny lafiny fitondran-tena sy fahendrena velively. Raha fintinina ny voalazan'i Dr Martin Luther King Jr. dia izao: manana balafomanga mahay mikendry tsara isika, fa ny olona kosa very saina. Ary mampatahotra indrindra ny fitambaran'ireo.

Maro amin'ireo mpandinika ny faminaniana no nahita fa ireo karazana metaly ao amin'ny Dan. 2 dia manomboka amin'ny sarobidy indrindra mankamin'ny tsotra indrindra: nihen-danja ny volamena ka nanome toerana ny volafotsy, ny volafotsy nanome toerana ny varahina, ny varahina nanome toerana ny vy, ka vy sy tanimanga sisa no niafarany.

Niezaka nandresy lahatra antsika i Darwin sy i Karl Marx mbamin'ireo mpandinika hafa tamin'ny taonjato faha-19 fa azo lazaina ho mihatsara ny olombelona mivoatra miandalana ara-toe-batana sy ara-piarahamonina hono isika. Kanefa na mihatsara aza ny olombelona amin'ny lafiny sasany (ara-materialy ohatra), dia misy resy lahatra tokoa ve fa hitombo ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana ary ny fanambinana amin'ny hoavy, rehefa dinihina ny fomba itarihana sy itantanana izao tontolo izao ankehitriny?

Nampitandrina i Jesôsy : "Ary handre ady sy filazana ady hianareo: koa mitandrema, aza matahotra; fa tsy maintsy ho tonga izany; nefa tsy mbola tonga ny farany. Fa hisy firenena hitsangana hamely firenena, ary hisy fanjakana hitsangana hamely fanjakana; ary hisy mosary sy horohorontany amin'ny tany samy hafa." - Mat. 24:6,7. Na izany aza, ahoana no andraisantsika faherezana avy amin'ny fahalalana fa efa nilazana mialoha isika momba izany?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.
Sun 08 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Misaina ny zavatra any ambony.
Mon 09 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Atsaharo ny fisainana momba ny tany.
Tue 10 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Havaozina ho amin’ny fahalalana tsara.
Wed 11 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Ny toetry ny fiainam-baovao.
Thu 12 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fiainam-baovao.
Fri 13 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 28 Feb 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Fampidirana.
Sun 01 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Ny fahendren’Andriamanitra sy ny fahalalany.
Mon 02 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Mamaka sy mitombo ao amin’i Kristy.
Tue 03 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Nofantsihana teo Amin’ny hazo fijaliana.
Wed 04 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Tandindona sa tena izy?
Thu 05 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Didin’olombelona.
Fri 06 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Fianarana fanampiny
Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (67)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal