Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 5 : NY FIRENENA REHETRA: FIZARANA II - Daniela 2

Daty
Alatsinainy 28 April 2025

Nandritra ny fahababoana tao Babilona, tamin'ny alalan'ny mpaminany Daniela no nanoritsoritan'Andriamanitra tamin'ny fomba mandresy lahatra indrindra ny amin'ny fifandraisan'ny vahoakany amin'ireo fanjakana eto amin'izao tontolo izao. Tsy mahaleo tena intsony ny vahoakany; mizaka ny vokatry ny safidiny izao izy ireo (ary mety handray lesona avy amin'izany koa ve?).

Vakio ny Dan. 2:31-35, izay manome topy maso momba ny tantaran'izao tontolo izao hatramin'ny andro farany. Inona ireo fahamarinana manan-danja azontsika tsoahina avy amin'io faminaniana mahatalanjona io?

Maro ireo olona naneho indray ny fitokiany tamin'ny fandrosoan'ny olombelona tamin'ny faran'ny taonjato fahasivy ambin'ny folo. Ny "Exposition universelle tao Paris (1900), ohatra, dia fampisehoana miavaka ny fanantenana momba ny hoavy. Ninoana fa raha ny fandroson'ny teknôlôjia sy ny siansa dia maro amin'ireo olana lehibe indrindran'ny olombelona no ho foana hatreo! Teo am-pidiran'ny olombelona tamin'ny taonjato faharoapolo dia nisy io fanantenana lehibe io teo amin'ireo mpandinika maro momba ilay antsoiny hoe "Fahazavana" sy ny foto-kevitra voiziny toy ny fahatanterahan'ny olombelona sy ny herin'ny saina izay ho fiantombohan'ny vanim-potoana vaovao mahafinaritra ho an'ny olombelona.

Ravan'ny ady lehibe voalohany anefa izany nofinofy izany, ary ain'olona miisa 200 tapitrisa no nafoy tamin'ny faran'ny taonjato faha-20, vokatry ny ady. Mety ho nandroso ara-teknolojia tokoa isika, saingy tsy nandroso tamin'ny lafiny fitondran-tena sy fahendrena velively. Raha fintinina ny voalazan'i Dr Martin Luther King Jr. dia izao: manana balafomanga mahay mikendry tsara isika, fa ny olona kosa very saina. Ary mampatahotra indrindra ny fitambaran'ireo.

Maro amin'ireo mpandinika ny faminaniana no nahita fa ireo karazana metaly ao amin'ny Dan. 2 dia manomboka amin'ny sarobidy indrindra mankamin'ny tsotra indrindra: nihen-danja ny volamena ka nanome toerana ny volafotsy, ny volafotsy nanome toerana ny varahina, ny varahina nanome toerana ny vy, ka vy sy tanimanga sisa no niafarany.

Niezaka nandresy lahatra antsika i Darwin sy i Karl Marx mbamin'ireo mpandinika hafa tamin'ny taonjato faha-19 fa azo lazaina ho mihatsara ny olombelona mivoatra miandalana ara-toe-batana sy ara-piarahamonina hono isika. Kanefa na mihatsara aza ny olombelona amin'ny lafiny sasany (ara-materialy ohatra), dia misy resy lahatra tokoa ve fa hitombo ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana ary ny fanambinana amin'ny hoavy, rehefa dinihina ny fomba itarihana sy itantanana izao tontolo izao ankehitriny?

Nampitandrina i Jesôsy : "Ary handre ady sy filazana ady hianareo: koa mitandrema, aza matahotra; fa tsy maintsy ho tonga izany; nefa tsy mbola tonga ny farany. Fa hisy firenena hitsangana hamely firenena, ary hisy fanjakana hitsangana hamely fanjakana; ary hisy mosary sy horohorontany amin'ny tany samy hafa." - Mat. 24:6,7. Na izany aza, ahoana no andraisantsika faherezana avy amin'ny fahalalana fa efa nilazana mialoha isika momba izany?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 25 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fampidirana.
Sun 26 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ny helok’ireo Kananita
Mon 27 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay mpitsara faratampony
Tue 28 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fandroahana sa fandringanana?
Wed 29 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Safidy malalaka.
Thu 30 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay Andrian’ny fiadanana.
Fri 31 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fianarana fanampiny
Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 18 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fampidirana
Sun 19 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Komandin’ny miaramilan’i Jehôvah
Mon 20 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ady tany an-danitra
Tue 21 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah dia mpiady mahery
Wed 22 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah hiady ho anareo
Thu 23 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ny safidy tsara indrindra faharoa
Fri 24 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fianarana fanampiny
Sat 25 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana
Sun 02 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY -
Mon 03 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY -
Tue 04 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY -
Wed 05 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY -
Thu 06 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY -
Fri 07 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY -

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal