Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 5 : NY FIRENENA REHETRA: FIZARANA II - Ny tany sy ny ranomasina

Daty
Alarobia 30 April 2025

Ny sary an'ohatra momba ny tany sy ny ranomasina ao amin'ny Baiboly, indrindra fa amin'ny faminaniana, dia azo andraisana fampianarana lehibe. Diniho ny tranga ahitana ny fampiasana ara-tandindona ny tany sy ny ranomasina ao amin'ny faminanian'ny Baiboly, izay mifanohitra tanteraka.

"Raha tandindona no resahina, rehefa ampitahaina ny tany sy ny ranomasina, ny tany dia matetika maneho izao tontolo izao misy firindrana, maneho ny tanin'ny Isiraely mihitsy aza, fa ny ranomasina kosa manondro ny firenena jentilisa izay mampidi-doza azy tahaka ny ranomasina mampidi-doza ny tany." Beatrice S. Neall, "Sealed Saints and the Tribulation," ao amin'ny Symposium on Revelation, b. 1, ed. Frank B. Holbrook, (Silver Spring, MD: Biblical Research Institute, General Conference of Seventh-day Adventists, 1992), t. 260.

Araka io fisainana io, ny tany dia toerana milamina, miorina amin'ny fitondran’Andriamanitra; ny ranomasina kosa dia maneho ny fisavorovoron'ny firenena vokatry avonavon'ny olombelona.

Vakio ao anatin'izany tontolon-kevitra izany ny Apôk . 12:15,16 sy ny Apôk. 13:1,11. Mari ho ny tsy fitovian'ny rano sy ny tany. Ahoana no ampiasana azy ireo, ary inona no ampianariny antsika mikasika ny fomba tokony hahatakarantsika ny faminaniana?

Mariho fa nampiasa rano ny dragona hanenjehana ilay vehivavy (ny Fiangonana). Araka ny efa hitantsika, matetika ny rano no maneho ireo fitondram-panjakan'izao tontolo izao sy ny fikorontanana miaraka aminy, ao amin'ny faminaniana. Hitantsika araka izany, teo amin'ny tantaran'ny fiangonana ankapobeny, ny fomba nampiasan'i Satana ny sarambabe, tarihin'ireo mpitondra azy, mba hanenjika ny vahoakan’Andriamanitra.

Takatry ny Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito fa manondro ny fifindra-monin'ireo mpino nenjehina ho ao Amerika ny Apôkalipsy 12:16. Raha marina ny fahatakarantsika momba ny tany sy ny ranomasina, inona no ambaran'izany momba ny fototra iorenan'ny Repoblika Amerikanina?

Azontsika heverina ho ilay "tany" tahaka ny "Tany Nampanantenaina" - toerana natokana ho an'ny vahoakan'Andriamanitra ve izany? Mety ho izany ve no mahatonga ilay biby niakatra avy tamin'ny tany ho toy ny zanak'ondry amin'ny voalohany? Na dia tsy tonga "Isiraely Vaovao" mihitsy aza i Amerika, araka ny nofinofin'ireo nanorina azy tany am-piandohana, dia tany feno fahalalahana ara-pivavahana kosa izy ho an'ireo vahoaka an-tapitrisany maneran-tany izay nenjehina noho ny fivavahany.

Indrisy fa indray andro any, io bibidia tahaka ny zanak'ondry io dia hiteny "tahaka ny dragona" (Apôk . 13:11). I Etazonia, izay nahitan'ireo voaenjika fahafahana maharitra, no hanjary mpanenjika lehibe indrindra ny fivavahana. Hitantsika eto ny ohatra iray hafa maneho izay mitranga rehefa mifidy hitondra ny tenany ny olombelona fa tsy hotarihin'Andriamanitra.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 07 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fampidirana
Sun 08 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Faka-tahaka.
Mon 09 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - "Tomoera tsara ao amin’ny Tompo"
Tue 10 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Mifalia mandrakariva amin’i Tompo.
Wed 11 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Hevero izany.
Thu 12 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Ny tsiambaratelon’ny fifaliana.
Fri 13 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 31 Jan 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Fampidirana.
Sun 01 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Mifaly ao amin’i Tompo.
Mon 02 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Ny fiainan’i Paoly tamin’ny lasa.
Tue 03 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Wed 04 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Thu 05 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Fri 06 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Sat 07 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (67)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal