Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Henoy ny feon'i Kristy

Daty
Alakamisy 17 April 2025

"Ary Jesôsy namaly ka nanao taminy hoe: Mahadiso hevitra anareo ny tsi-fahafantaranareo ny Soratra Masina na ny herin'Andriamanitra." - Mat. 22:29.

Mofon’aina:
Feon'Andriamanitra miresaka amintsika ny Teniny, ary hisy feo maro hafa koa ho rentsika. Nampitandrina antsika anefa i Kristy ny amin'ireo izay hilaza hoe: "Indro, aty Kristy, na Indro, ary" Izy. Ahoana àry no hahafantarantsika fa tsy manana ny fahamarinana izy ireo, raha tsy sedraintsika amin'ny Soratra Masina ny zavatra rehetra? Nampitandrina antsika ny amin'ireo mpaminany sandoka izay ho avy amin'ny anarany i Kristy, izay hilaza fa izy no Kristy.

Ankehitriny, raha heverinao fa tsy dia zava-dehibe ho an'ny tenanao ny mahatakatra ny hevitry ny Soratra Masina, dia tandindomin-doza ho voafitak' ireny fampianarana ireny ianao. Nilaza i Kristy fa amin'ny andro fitsarana sy famaliana dia hisy vondron' olona hanao hoe: "Tompoko, Tompoko, tsy efa naminany tamin'ny anaranao va izahay? ary tsy efa namoaka demonia tamin'ny anaranao va izahay? ary tsy efa nanao asa lehibe maro tamin'ny anaranao va izahay?" — Mat. 7:22. Fa hamaly azy ireo i Kristy hoe: "mialà amiko, hianareo mpanao meloka." —Mat. 7:23b. 

Mila mahalala ny atao hoe fahotana isika izao; fandikana ny lalàn'Andriamanitra izany. Izay ihany no famaritana omena ao amin'ny Soratra Masina. Hitantsika araka izany fa izay mitonon-tena hotarihin' Andriamanitra kanefa manalavitra Azy sy ny lalàny, dia tsy mandinika ny Soratra Masina. Kanefa hitarika ny olony Andriamanitra; niteny mantsy Izy fa ny ondriny manaraka Azy satria mahalala ny feony ireo, ary ny vahiny tsy harahiny. (...)

Ho avy ny andro hanaovan'i Satana fahagagana eo imasonareo sy hilazany fa izy no Kristy; koa raha tsy miorina tsara amin'ny fahamarinan 'Andriamanitra ny tongotrareo, dia hiala amin'ny fanorenana ianareo. Ny hany fiarovana ho anareo dia ny mikatsaka ny fahamarinana tahaka ny harena miafina. Katsaho tahaka ny fikatsahanareo harena eto an-tany ny fahamarinana, ka ento eo anatrehan'ilay Rainareo any an-danitra ny Tenin'Andriamanitra, dia ny Baiboly, ary lazao hoe: "Hazavao aho; ary ampianaro ahy ny atao hoe fahamarinana." Ary rehefa tonga ao am-ponareo ny Fanahiny Masina mba handrakitra ny fahamarinana ao amin'ny fanahinareo, dia tsy havelanareo handeha mora foana Izy. — RH, 3 Avrily 1888.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 13 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fampidirana.
Sun 14 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Avy amin’ny haben’ny ao am-po.
Mon 15 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Feno hery nefa tsy manery.
Tue 16 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Hevitra vitsivitsy ho fitoriana an’i Jesôsy.
Wed 17 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Zanaka mpaniasia.
Thu 18 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Ento miverina izy.
Fri 19 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fianarana fanampiny.
Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 06 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Fampidirana.
Sun 07 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Ireo tafiodrivotry ny fiainana.
Mon 08 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Sitràna amin’ny aretinao.
Tue 09 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Jôba.
Wed 10 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Teny an- dalana ho any Emaosy.
Thu 11 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Mahita an’i Jesôsy.
Fri 12 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Fianarana fanampiny.
Sat 13 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.
Sun 21 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Miaina anio.
Mon 22 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Mifanatrika aminy nony farany.
Tue 23 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Ny ampakarina.
Wed 24 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Manaraka ny zanak’ondry.
Thu 25 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - "Avia!".
Fri 26 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Fianarana fanampiny.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal