Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mitondra fiovam-po marina.

Daty
Zoma 18 April 2025

"Fa Ezra nampiomana ny fony hitady ny làlan'i Jehôvah ka hankatò izany ary hampianatra ny Isiraely ny didy sy ny fitsipika." - Ezra 7:10.

Mofon’aina:
Tamin'ny maha-taranak'i Arôna azy no nahazoan'i Ezra ny fiofanana ho mpisorona. Nilozoka koa nandinika ireo bokin'ny mpanana ody sy ny mpanandro ary ny olon-ke ridrin'ny fanjakana Mediana sy Persiana izy. Na izany aza anefa dia tsy afa-po tamin'ny toetra ara-pa lahy nananany izy, fa nitady fatratra hampifanaraka ny fiainany tamin'ny Tompo, ka naniry mafy ha lazo fahendrena avy any ambony mba hahafahany manatanteraka ny sitrapon'Andriamanitra. Koa dia "nampiomana ny fony  hitady ny làlan'i  Jehôvah ka hankatò izany " Izy.

Nahatonga azy hianatra tsara ny tantaran'ny vahoakan'Andriamanitra izany, dia araka izay voatantara ao amin'ny soratra navelan ' ireo mpaminany sy mpanjaka. Nodinihiny ireo boky misy tantara sy tononkira ao amin'ny Baiboly hahalalany ny antony namelan'Andriamanitra an' i Jerosalema holevonina sy ny namelany ny Jiosy hobaboina tany amin'ny tanin'ny mpanompo sampy. 

Nandalina manokana indrindra ny tantaran'ny Isiraely i Ezra, nanomboka tamin'ny fotoana nandraisan' i Abrahama ny teny fikasana avy tamin'Andriamanitra ka hatramin'ny nanafahana azy ireo tamin'ny fan indevozan'ny Egiptianina. Nianarany ireo torohevitra nomena tany amin'ny tendrombohitra Sinay sy ireo noraisin'ny vahoaka jiosy nandritra ny firenireneny tany an' efitra. Arakaraka ny nahafantarany ny fomba mahagaga nitondran'Andriamanitra ny vahoakany no nahatohina lalina ny fony sy nahalalany bebe kokoa ny fahamasinan'ny Lalàna nomena teo Sinay. Nandalo tamin'ny fiovam-po marina izy, ary tapa-kevitra hianatra sy hahafehy ny tantara ao amin'ny Testamenta Taloha, tsy hanomezana fahafaham-po ny tenany fotsiny, fa hahafahany mampahita soa sy fahazavana ny vahoaka jiosy amin' izany koa. Teo an-dalam-pahatanterahana ny sasany tamin'ireo faminaniana; nokatsahiny tamim-pahazotoana ilay fahazavana izay nohamaizinina.

Niezaka niomana ho amin'ny asa izay noheveriny fa nankinina taminy i Ezra. Nikatsaka an'Andriamanitra mafy tokoa izy mba hahatonga ny tenany ho mpanompo sy mpampianatra tsy hanala baraka ny Tompony. Nodinihiny ireo teny nosoratana momba ny adidin'ny vahoaka voafidin'Andriamanitra, ary hitany ny faneken'ny Isiraelita sy ny fanoloran-tenany hankatò ny Tenin'ny Tompo, ary ny fanoloran-tenan'Andriamanitra ho setrin'izany kosa, fa hotahiny tokoa izy ireo raha mankatò. — RH, 30 Janoary 1908. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 13 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fampidirana.
Sun 14 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Avy amin’ny haben’ny ao am-po.
Mon 15 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Feno hery nefa tsy manery.
Tue 16 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Hevitra vitsivitsy ho fitoriana an’i Jesôsy.
Wed 17 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Zanaka mpaniasia.
Thu 18 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Ento miverina izy.
Fri 19 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fianarana fanampiny.
Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 06 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Fampidirana.
Sun 07 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Ireo tafiodrivotry ny fiainana.
Mon 08 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Sitràna amin’ny aretinao.
Tue 09 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Jôba.
Wed 10 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Teny an- dalana ho any Emaosy.
Thu 11 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Mahita an’i Jesôsy.
Fri 12 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Fianarana fanampiny.
Sat 13 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.
Sun 21 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Miaina anio.
Mon 22 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Mifanatrika aminy nony farany.
Tue 23 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Ny ampakarina.
Wed 24 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Manaraka ny zanak’ondry.
Thu 25 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - "Avia!".
Fri 26 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Fianarana fanampiny.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal