Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Fenitra hoenti-mitsara

Daty
Sabotsy 19 April 2025

 "Fa ny atao rehetra dia ho entin'Andriamanitra ho amin'ny fitsarana ny zava-miafina rehetra, na soa na ratsy." - Mpitt. 12:14

Mpitari-dalana tsy mety diso ho an'ny taranak'olombelona amin'ny lafim-piainany rehetra ny Baiboly. Voalaza mazava ao ireo fepetra hahazoana ny fiainana mandrakizay. Voafaritra tsara ao ny fiavahan'ny ratsy sy ny tsara, ary aseho amin'ny endriny maharikoriko indrindra ny fahotana, manao akanjom-pahafatesana. Raha dinihina sy ankatoavina tsara ny torolalany dia ho toy ny andry rahona ho antsika izy, izay nitarika ny zanak'Isiraely namakivaky ny tany efitra. Fa raha atao tsinontsinona sy tsy ankatoavina kosa izy dia ho vavolombelona hanameloka antsika amin'ny andro fitsarana. Ny Teniny no hitsaran'Andriamanitra ny olona rehetra, dia araka ny nitandreman'izy ireo ny fitakiany na tsia; na ho tafajoro izy ireo, na tsia. 

"Koa amin'izany na inona na inona tianareo hataon'ny olona aminareo, dia mba ataovy aminy kosa tahaka izany fa izany no lalàna sy mpaminany," hoy i Kristy (Mat. 7:12). Lehibe indrindra ny lanjan'ireo teny ireo, ary tokony ho fitsipi-piainantsika. Kanefa tanterahintsika ve io fitsipiky ny lanitra io? Araka izay tiantsika itondrana antsika tokoa ve no itondrantsika ireo namana mifanerasera amintsika? 

Mizaha toetra ny lehilahy sy ny vehivavy eo amin'ny fiainany andavanandro Andriamanitra. Maro amin'ireo milaza fa manompo Azy anefa no tsy tafajoro ao anatin'io fisedrana io. Vato tsy marina, mizana mandainga no ampiasainy noho ny faniriany fatratra hahazo tombony. Tsy nataon'izy ireo fitsipi-piainana ny Baiboly, koa tsy hitany ny ilana ny fahitsiana sy ny fahatokiana tanteraka. Ny fanangonan-karena no maharevo azy, koa avelany hahazo vahana tsikelikely ao amin'ny asany ny tsy fahatokiana. Mandinika ny fitondran-tenany izao tontolo izao, ary dia tsy mihambahamba mitsara ny maha-Kristianina azy amin'ny alalan'ny fomba fandraharahany.

Tsy miova ny ambaran'ny Baiboly; ny fahotana dia fahotana hatrany, na olona mpanefoefo na mpangataka eny amoron-dalana no manao izany. Aleo lavitra mahantra kanefa be fitahiana avy amin'Andriamanitra, toy izay manana ny haren-tsarobidin'izao tontolo izao kanefa tsy misy fitahiana. mety hanan-karena be isika, saingy raha tsy tsapantsika fa Andriamanitra no mitahy antsika, dia mahantra indrindra isika. — ST, 24 Desambra 1896. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 25 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fampidirana.
Sun 26 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ny helok’ireo Kananita
Mon 27 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay mpitsara faratampony
Tue 28 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fandroahana sa fandringanana?
Wed 29 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Safidy malalaka.
Thu 30 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay Andrian’ny fiadanana.
Fri 31 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fianarana fanampiny
Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 18 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fampidirana
Sun 19 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Komandin’ny miaramilan’i Jehôvah
Mon 20 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ady tany an-danitra
Tue 21 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah dia mpiady mahery
Wed 22 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah hiady ho anareo
Thu 23 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ny safidy tsara indrindra faharoa
Fri 24 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fianarana fanampiny
Sat 25 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana
Sun 02 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY -
Mon 03 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY -
Tue 04 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY -
Wed 05 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY -
Thu 06 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY -
Fri 07 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY -

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal