Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mampivelatra ny saina

Daty
Alahady 20 April 2025

"Ary rehefa mipetraka eo ambonin'ny sezam-panjakany izy, dia aoka hadikany ho azy amin'ny boky izao lalàna izao (...). Ary ho ao aminy izany ka hovakiny amin'ny andro rehetra hiainany, mba hianarany hatahotra an'i Jehovah Andriamaniny ka hitandrina ny teny rehetra amin 'izao lalàna izao sy ireto didy ireto hankatoavany azy - Deo. 17:18,19.

Mofon’aina:
Mahavariana ny saina ny famakiana maimaika ny Baiboly, ary manjary tsy mahaliana ny fandraisana ny Tenin'Andriamanitra. Mitaky fisaintsainana sy fandinihana amktbavaka ny Baiboly. Tsy ampy ny Mena ivelambelany fotsiny. Misy andlieeratra Masina tsotra sy mazava ka tsy mety ho diso ny fahatakarana azy; mi sy hafa kosa mitaky fandalinana tsara sy faharetana. Mila tadiavina sy tehirizina ao an-tsaina ireo vatosoan'ny fahamarinana, tahaka ny metaly sarobidy miafina any an-tendrombohitra sy havoana, mba hampiasaina amin'ny hoavy.

 Raha manam-paniriana lalina hahafantatra ny marina ianao eo am-pandinihana ny Soratra Masina, dia handrotsaka ny Fanahiny ao am-ponao Andriamanitra, ary hanilo ny sainao amin'ny fahazavan'ny Teniny. Ny Baiboly no mpandika ny tenany, ny andininy iray manazava ny iray hafa. Amin'ny fampitahana ireo andinin-tSoratra Masina izay miresaka lohahevitra iray ihany, dia hahita firindrana sy fahatsarana tsy noeritreretinao akory ianao. Tsy misy boky hafa izay manatanjaka sy mampivelatra, ary manandratra sy manome fahamendrehana ny saina ny famakiana azy, tahaka ity Boky ambonin'ny boky rehetra ity.

Mibaiko ny Tenin'Andriamanitra hoe: "Miasà amin'ny tahotra sy ny hovitra hahatan teraka ny famonjena anareo. Fa Andriamanitra no miasa ao anatinareo na ny fikasana na ny fanaovana hahatanteraka ny sitrapony." — Fil. 2:12,13. Natao hiara-miasa amin'Andriamanitra ny olombelona. Tsy maintsy miasa hahatanteraka ny asan'Andriamanitra ao anaty ny rehetra. Mila mampiasa ny fahalalana noraisiny ny mpianatra, ary manararaotra ny fotoana rehetra omena azy. Tokony hahatsapa ny adidiny izy ireo ka hampiasa ny fahalalany sy ny fahaizany amin'ny lafiny rehetra, mba hampitombo izany. (...)

Diniho izany teo amin'ny fiainan'i Kristy. Araho Izy nanomboka teo amin'ny fihinanam-bilona ka hatreo Kalvary, ary tahafo ny fihetsika amam-panaony. Natao hotananao koa ireo foto-kevitra lehibe notanany. Ny fenitra natao hotratrarinao dia ny toetrany madio sy masina ary tsy misy pentina. — YI, 30 Jona 1898. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 24 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 25 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fanambarana ankapobeny sy fanambarana manokana.
Mon 26 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Ny tsindrimandrin’Andriamanitra.
Tue 27 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Hafatra am-bava.
Wed 28 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Hafatra an-tsoratra.
Thu 29 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fanehoana ohatra mivaingana, tandindona, fanoharana.
Fri 30 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Ny tenin’i Ellen G. White momba ny fanambarana sy ny tsindrimandry avy amin’Andriamanitra.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.
Sun 18 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Jesôsy, amin’ny maha Mpaminany azy.
Mon 19 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny Apôstôly sy ny mpaminany.
Tue 20 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny asan’ireo Mpaminanin’ny TV.
Wed 21 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo mpaminany vavy sy zatovo mpitandrina, mpiara-miasa.
Thu 22 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo Mpaminany sandoka ao amin’ny TV.
Fri 23 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Manao an’i Jesôsy ho ivo.
Sat 24 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • June 2026 (38)
  • July 2026 (77)
  • August 2026 (52)
  • September 2026 (52)
  • October 2026 (55)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal