Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mampivelatra ny saina

Daty
Alahady 20 April 2025

"Ary rehefa mipetraka eo ambonin'ny sezam-panjakany izy, dia aoka hadikany ho azy amin'ny boky izao lalàna izao (...). Ary ho ao aminy izany ka hovakiny amin'ny andro rehetra hiainany, mba hianarany hatahotra an'i Jehovah Andriamaniny ka hitandrina ny teny rehetra amin 'izao lalàna izao sy ireto didy ireto hankatoavany azy - Deo. 17:18,19.

Mofon’aina:
Mahavariana ny saina ny famakiana maimaika ny Baiboly, ary manjary tsy mahaliana ny fandraisana ny Tenin'Andriamanitra. Mitaky fisaintsainana sy fandinihana amktbavaka ny Baiboly. Tsy ampy ny Mena ivelambelany fotsiny. Misy andlieeratra Masina tsotra sy mazava ka tsy mety ho diso ny fahatakarana azy; mi sy hafa kosa mitaky fandalinana tsara sy faharetana. Mila tadiavina sy tehirizina ao an-tsaina ireo vatosoan'ny fahamarinana, tahaka ny metaly sarobidy miafina any an-tendrombohitra sy havoana, mba hampiasaina amin'ny hoavy.

 Raha manam-paniriana lalina hahafantatra ny marina ianao eo am-pandinihana ny Soratra Masina, dia handrotsaka ny Fanahiny ao am-ponao Andriamanitra, ary hanilo ny sainao amin'ny fahazavan'ny Teniny. Ny Baiboly no mpandika ny tenany, ny andininy iray manazava ny iray hafa. Amin'ny fampitahana ireo andinin-tSoratra Masina izay miresaka lohahevitra iray ihany, dia hahita firindrana sy fahatsarana tsy noeritreretinao akory ianao. Tsy misy boky hafa izay manatanjaka sy mampivelatra, ary manandratra sy manome fahamendrehana ny saina ny famakiana azy, tahaka ity Boky ambonin'ny boky rehetra ity.

Mibaiko ny Tenin'Andriamanitra hoe: "Miasà amin'ny tahotra sy ny hovitra hahatan teraka ny famonjena anareo. Fa Andriamanitra no miasa ao anatinareo na ny fikasana na ny fanaovana hahatanteraka ny sitrapony." — Fil. 2:12,13. Natao hiara-miasa amin'Andriamanitra ny olombelona. Tsy maintsy miasa hahatanteraka ny asan'Andriamanitra ao anaty ny rehetra. Mila mampiasa ny fahalalana noraisiny ny mpianatra, ary manararaotra ny fotoana rehetra omena azy. Tokony hahatsapa ny adidiny izy ireo ka hampiasa ny fahalalany sy ny fahaizany amin'ny lafiny rehetra, mba hampitombo izany. (...)

Diniho izany teo amin'ny fiainan'i Kristy. Araho Izy nanomboka teo amin'ny fihinanam-bilona ka hatreo Kalvary, ary tahafo ny fihetsika amam-panaony. Natao hotananao koa ireo foto-kevitra lehibe notanany. Ny fenitra natao hotratrarinao dia ny toetrany madio sy masina ary tsy misy pentina. — YI, 30 Jona 1898. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.
Sun 08 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Misaina ny zavatra any ambony.
Mon 09 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Atsaharo ny fisainana momba ny tany.
Tue 10 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Havaozina ho amin’ny fahalalana tsara.
Wed 11 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Ny toetry ny fiainam-baovao.
Thu 12 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fiainam-baovao.
Fri 13 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 28 Feb 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Fampidirana.
Sun 01 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Ny fahendren’Andriamanitra sy ny fahalalany.
Mon 02 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Mamaka sy mitombo ao amin’i Kristy.
Tue 03 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Nofantsihana teo Amin’ny hazo fijaliana.
Wed 04 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Tandindona sa tena izy?
Thu 05 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Didin’olombelona.
Fri 06 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Fianarana fanampiny
Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (34)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal