Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Fototra anorenana ny finoana.

Daty
Alarobia 23 April 2025

"Fa izay rehetra voasoratra fahiny dia nosoratana ho fianarantsika hananantsika ny fanantenana amin'ny faharetana sy ny fiononana avy amin'ny Soratra Masina." - Rôm. 15:4.

Mofon’aina:
Tsy namafy voan'ny Tenin' Andriamanitra ireo mpampia-  natra teo amin'ny Israely. Ny asan'i Kristy tamin'ny maha-mpampianatra ny fahamarinana Azy dia nifanohitra indrindra tamin'izay nataon'ny Raby tamin'ny androny. Nitoetra teo amin'ny lovan-tsofina, teo amin'ny vinavinan-kevitra sy ny hevi-dravin' olombelona izy ireo. Matetika izay nampianarin'ny olona sy nosoratany momba ny teny dia nomeny ny toeran'ny teny mihitsy. Tsy nanan-kery hamelombelona ny fanahy ny fampianarany. Ny Tenin'Andriamanitra no votoatin'ny fampianaran' i Kristy sy ny toriteniny. Notsenainy tamin'ny "voasoratra hoe" mazava ny mpanontany Azy. "Tsy mbola novakinareo va ny teny ao amin’ny Soratra Masina?" - Mat. 21:42, "Manao ahoana no famakinao azy?" - Lio. 10:26. Isaka ny misy fotoana mety, (...) dia namafy ny voan'ny teny Izy. Izy Ilay Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana. Izy mihitsy Ilay Teny velona no nanondro ny Soratra Masina nanao hoe: "Ireny no manambara Ahy". Ary "nanomboka hatramin'i Mosesy sy ny mpaminany rehetra Izy", ka nanambara tamin'ny mpianany, "ny hevitry ny teny milaza Azy ao amin'ny Soratra Masina rehetra". 

Ny mpanompon'i Kristy dia tokony hanao asa soa toy izany koa. Amin' izao androntsika izao, tahaka ny fahiny, dia avela ireo fahamarinana misy aina ao amin'ny Tenin'Andriamanitra ka atakalo vinavinan-kevitra sy hevi-dravin'olombelona. Maro ireo izay milaza ho mpitory ny Filazantsara no tsy manaiky ny Baiboly manontolo ho teny avy amin'ny tsindriman-drin ' Andriamanitra. (…) Manao fanamarihana toa ambony noho ny tenin'Andriamanitra izy ireny ka ny Soratra Masina izay tena ampianariny dia mifototra amin'ny fahefan'ny tenany ihany. Potika amin'izay ny maha-izy ny Soratra Masina avy amin'Andriamanitra. Amin'izay dia miparitaka lavitra ny voan'ny tsy finoana, satria mikorontana ny ao an-tsain'ny olona ary tsy fantany intsony izay hinoana. Be dia be ireo finoana tsy tratry ny saina hodinihina. Tamin'ny andron'i Kristy dia nanangana rafitra noterena sy saro-pantarina teo amin'ny ampahany maro amin'ny Soratra Masina ny Raby. (...) Atao koa izany zavatra izany ankehitriny. Atao izay hisehoan'ny Tenin'Andriamanitra ho zavatra saro-pantarina sy maizina mba hanala tsiny ny fandikany ny lalàna. Notenenin'i Kristy mafy ireny fomba amam-panao ireny tamin'ny androny. (...) — HF, tt. 22,23. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 24 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 25 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fanambarana ankapobeny sy fanambarana manokana.
Mon 26 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Ny tsindrimandrin’Andriamanitra.
Tue 27 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Hafatra am-bava.
Wed 28 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Hafatra an-tsoratra.
Thu 29 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fanehoana ohatra mivaingana, tandindona, fanoharana.
Fri 30 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Ny tenin’i Ellen G. White momba ny fanambarana sy ny tsindrimandry avy amin’Andriamanitra.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.
Sun 18 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Jesôsy, amin’ny maha Mpaminany azy.
Mon 19 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny Apôstôly sy ny mpaminany.
Tue 20 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny asan’ireo Mpaminanin’ny TV.
Wed 21 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo mpaminany vavy sy zatovo mpitandrina, mpiara-miasa.
Thu 22 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo Mpaminany sandoka ao amin’ny TV.
Fri 23 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Manao an’i Jesôsy ho ivo.
Sat 24 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • June 2026 (38)
  • July 2026 (77)
  • August 2026 (52)
  • September 2026 (52)
  • October 2026 (55)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal