Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Fototra anorenana ny finoana.

Daty
Alarobia 23 April 2025

"Fa izay rehetra voasoratra fahiny dia nosoratana ho fianarantsika hananantsika ny fanantenana amin'ny faharetana sy ny fiononana avy amin'ny Soratra Masina." - Rôm. 15:4.

Mofon’aina:
Tsy namafy voan'ny Tenin' Andriamanitra ireo mpampia-  natra teo amin'ny Israely. Ny asan'i Kristy tamin'ny maha-mpampianatra ny fahamarinana Azy dia nifanohitra indrindra tamin'izay nataon'ny Raby tamin'ny androny. Nitoetra teo amin'ny lovan-tsofina, teo amin'ny vinavinan-kevitra sy ny hevi-dravin' olombelona izy ireo. Matetika izay nampianarin'ny olona sy nosoratany momba ny teny dia nomeny ny toeran'ny teny mihitsy. Tsy nanan-kery hamelombelona ny fanahy ny fampianarany. Ny Tenin'Andriamanitra no votoatin'ny fampianaran' i Kristy sy ny toriteniny. Notsenainy tamin'ny "voasoratra hoe" mazava ny mpanontany Azy. "Tsy mbola novakinareo va ny teny ao amin’ny Soratra Masina?" - Mat. 21:42, "Manao ahoana no famakinao azy?" - Lio. 10:26. Isaka ny misy fotoana mety, (...) dia namafy ny voan'ny teny Izy. Izy Ilay Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana. Izy mihitsy Ilay Teny velona no nanondro ny Soratra Masina nanao hoe: "Ireny no manambara Ahy". Ary "nanomboka hatramin'i Mosesy sy ny mpaminany rehetra Izy", ka nanambara tamin'ny mpianany, "ny hevitry ny teny milaza Azy ao amin'ny Soratra Masina rehetra". 

Ny mpanompon'i Kristy dia tokony hanao asa soa toy izany koa. Amin' izao androntsika izao, tahaka ny fahiny, dia avela ireo fahamarinana misy aina ao amin'ny Tenin'Andriamanitra ka atakalo vinavinan-kevitra sy hevi-dravin'olombelona. Maro ireo izay milaza ho mpitory ny Filazantsara no tsy manaiky ny Baiboly manontolo ho teny avy amin'ny tsindriman-drin ' Andriamanitra. (…) Manao fanamarihana toa ambony noho ny tenin'Andriamanitra izy ireny ka ny Soratra Masina izay tena ampianariny dia mifototra amin'ny fahefan'ny tenany ihany. Potika amin'izay ny maha-izy ny Soratra Masina avy amin'Andriamanitra. Amin'izay dia miparitaka lavitra ny voan'ny tsy finoana, satria mikorontana ny ao an-tsain'ny olona ary tsy fantany intsony izay hinoana. Be dia be ireo finoana tsy tratry ny saina hodinihina. Tamin'ny andron'i Kristy dia nanangana rafitra noterena sy saro-pantarina teo amin'ny ampahany maro amin'ny Soratra Masina ny Raby. (...) Atao koa izany zavatra izany ankehitriny. Atao izay hisehoan'ny Tenin'Andriamanitra ho zavatra saro-pantarina sy maizina mba hanala tsiny ny fandikany ny lalàna. Notenenin'i Kristy mafy ireny fomba amam-panao ireny tamin'ny androny. (...) — HF, tt. 22,23. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.
Sun 08 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Misaina ny zavatra any ambony.
Mon 09 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Atsaharo ny fisainana momba ny tany.
Tue 10 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Havaozina ho amin’ny fahalalana tsara.
Wed 11 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Ny toetry ny fiainam-baovao.
Thu 12 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fiainam-baovao.
Fri 13 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 28 Feb 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Fampidirana.
Sun 01 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Ny fahendren’Andriamanitra sy ny fahalalany.
Mon 02 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Mamaka sy mitombo ao amin’i Kristy.
Tue 03 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Nofantsihana teo Amin’ny hazo fijaliana.
Wed 04 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Tandindona sa tena izy?
Thu 05 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Didin’olombelona.
Fri 06 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Fianarana fanampiny
Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (34)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal