" (...) Aoka isika hihazakazaka amin'ny faharetana amin'izao fihazakazahana filokana napetraka eo anoloantsika izao, mijery an 'i Jesôsy , Tompon 'ny finoantsika sy Mpanefa azy (...)" - Heb. 12:1,2.
Mofon’aina:
Tsy misy lehilahy na vehivavy na tanora mety hahatratra ny fahatanterahan-toetra kristianina raha manao rainazy ny fandinihana ny Tenin'Andriamanitra. Raha mandalina ny Teniny amim-pitandremana isika dia mankatô ilay baikon'i Kristy hoe: "Diniho ny Soratra Masina, satria ataonareo fa ao aminy no anananareo fiainana mandrakizay, ary ireny no manambara Ahy. " — Jao. 5:39. Toy izany no ahafahan'ny mpianatra mibanjina Ilay Môdely avy any an-danitra, satria manambara an'i Kristy ny Soratra Masina. Tsy maintsy jerena ma tetika sy dinihina akaiky ny Môdely mba hahazoana maka tahaka azy.
Rehefa fantatry ny olombelona tsara ny tantaran'ny Mpanavotra, dia manjary hitany ny tsy fahatanterahan-toetrany ary lehibe ny tsy fitoviany amin'i Kristy, hany ka tsapany fa tsy afaka hanara-dia Azy izy raha tsy misy fanovana goavana atao eo amin'ny fiainany. Manohy mandinika ny ka dinihiny ny endriny, ny fihetsiny, hak tahaka Ilay Modeliny lehibe, ary ny fisainan'Ilay Mpampianatra Soratra Masina anefa izy, sady maniry malalany. Voaova amin'ny fibanjinana Azy izy ireo. "Mijery an 'i Jesôsy, Tompon'ny finoantsika sy Mpanefa azy. " — Heb. 12:2. Tsy amin'ny fanalavirana na ny fanadinoana an'i Jesôsy no anahafantsika ny fiainany, fa amin'ny fisaintsainana sy ny firesahana momba Azy, ary ny fiezahana hanitsy ny fironantsika sy hanandratra ny toetrantsika. Aoka hiezaka fatratra sy amim-paharetana hanakaiky Ilay Môdely tonga lafatra, amin'ny alalan'ny finoana sy ny fitiavana.
Rehefa mibanjina an'i Kristy ny saina dia manjary vita sokitra ao am-po ny endriny madio tsy misy pentina, dia Ilay "notsongaina tamin'ny alinalina" ary "mahate-ho-tia avokoa izy" - Tonk. 5:10,16. Mihamitovy amin'izay ifankazarantsika isika, na tsy tsapantsika aza izany. Rehefa manana fahalalana an'i Kristy, ny teniny, ny fahazarany, ny lesona sy ny fampianarany isika, ary rehefa maneho ny hatsaran-toetrany izay efa nodinihintsika akaiky, dia feno ny fanahin'ny Tompo Ilay tena tiantsika sy nohajaintsika. (...)
Ny Tenin'Andriamanitra miteny amin'ny fo dia manana hery mamelona, ary ireo izay mitady fialan-tsiny tsy hianarana izany dia hanao tsirambina ny fitakian'Andriamanitra amin'ny lafiny maro. — RH, 28 Nôvambra 1878.