Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ankafizo ny hanim-py ao amin'ny Teny

Daty
Zoma 25 April 2025

 "Ary ny aminareo, dia ilay hosotra noraisinareo taminy no mitoetra ao aminareo, ka tsy mila hampianarin'olona hianareo; fa satria ny hosotra avy aminy no mampianatra anareo ny zavatra rehetra, sady marina fa tsy lainga izany, dia tomoera ao aminy hianareo, araka ny nampianarany anareo." - 1 Jao. 2:27.

Mofon’aina:
Andeha isika hino ny Teny. Izay mihinana ny mofo avy any an-danitra dia mahazo hanina isan'andro ary hahalala ny tian'izao teny izao hambara: "tsy mila hampianarin'olona hianareo." - 1 Jao. 2:27. (...)

Fototra mafy azontsika anorenana ny Tenin'Andriamanitra sarobidy. Rehefa manatona anao miaraka amin'ny tomban-keviny ny olona, dia lazao azy fa efa navelan'ilay Mpampianatra Lehibe ho anao ny Teniny, izay manana tombambidy tsy hay sandaina; lazao azy fa efa nirahiny Ilay Mpampahery avy amin'ny Anarany, dia ny Fanahy Masina. (Jao. 14:26; Jao. 6:51). (...)

 Velarina eo anoloantsika ny hanim-py, izay azon'ny rehetra mino an'i Kristy ho Mpamonjin'ny tenany manokana hihinanana. (...) 

Asaina mametraka izao fanon-taniana izao amin' ireo izay milaza fa mandray an'i Kristy ho Mpamonjin' ny tenany manokana aho: "Nahoana no ataonareo ankilabao ny tenin'Ilay Mpampianatra lehibe, ka manoratra amin'ny olombelona ianareo mba hampaherezany anareo? Nahoana no mitoky amin'ny fanam-pian'olombelona ianareo, kanefa manana ireo teny fikasana lehibe sady feno no tsara, manao hoe: "Izay mihinana ny nofoko sy misotro ny rako no mitoetra ao amiko, ary Izaho kosa ao aminy (...) Ity no mofo izay nidina avy tany an-danitra; tsy tahaka ny razana izay nihinana (mana), nefa maty ihany; fa izay mihinana ity mofo ity dia ho velona mandrakizay"? — Jao. 6:56,58. Mety ho faty tokoa izy ireo, kanefa ny fiainan'i Kristy ao anatiny dia fiainana mandrakizay, ary hatsangana amin'ny maty izy ireo any am-parany. "Ny fanahy no mahavelona; ny nofo tsy mahasoa na inona na inona; ny teny izay nolazaiko taminareo dia fanahy sy fiainana." - Jao. 6:63.

Ampianarin'ny tenin' Andriamanitra aho fa ho ahy sy ny zanak'Andriamanitra rehetra ny teny fikasany. Eo anoloantsika ny hanim-py; asaina isika hihinana ny Tenin'Andriamanitra, izay hanatanjaka ny hozatra ara-panahintsika. — MS 21, tt. 132,133.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.
Sun 08 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Misaina ny zavatra any ambony.
Mon 09 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Atsaharo ny fisainana momba ny tany.
Tue 10 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Havaozina ho amin’ny fahalalana tsara.
Wed 11 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Ny toetry ny fiainam-baovao.
Thu 12 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fiainam-baovao.
Fri 13 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 28 Feb 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Fampidirana.
Sun 01 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Ny fahendren’Andriamanitra sy ny fahalalany.
Mon 02 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Mamaka sy mitombo ao amin’i Kristy.
Tue 03 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Nofantsihana teo Amin’ny hazo fijaliana.
Wed 04 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Tandindona sa tena izy?
Thu 05 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Didin’olombelona.
Fri 06 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Fianarana fanampiny
Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (67)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal