Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Raha te hahatakatra, mankatoava

Daty
Alahady 27 April 2025

"Ny fon’ny manan-tsaina mitady fahendrena; Fa ny vavan'ny adala mankamamy ny fahadalana." - Ohab. 15:14.

Mofon’aina:
Tsy misy olona mamaky ny Testamenta Taloha sy ny Vaovao omban'ny Fanahin'i Kristy ka tsy hovaliana soa. "Mankanesa aty amiko, hianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana" hoy ny Mpamonjy, "Ento ny ziogako, ka mianara amiko; fa malemy fanahy sady tsy miavona am po Aho; dia hahita fitsaharana ho an'ny fanahinareo hianareo." — Mat. 11:28. Eo anoloanao ny fanasana avy amin'Ilay Mpampianatra lehibe. Hamaly sy hanaiky izany an-tsitrapo ve ianao? Tsy afaka manatona an'i Kristy mba hianatra eo an-tongony ianao raha tsy mazava ny sainao, ka entanin'ny fitiavana sy fanajana madio sy masina ny fonao. Ary ianao hanao hoe: "Isaorana anie Izay avy amin'ny anaran'i Jehôvah ! " — Mat. 21:9. 

Nanidy varavarana tsy hidiran'ny fahalalana maro tokony ho azo avy amin'ny Tenin'Andriamanitra ny tsy fankatoavana. Mandalo amin'ny fankatoavana ny didin'Andriamanitra ny olona vao mahatakatra izany. Raha nankatò ny lehilahy sy ny vehivavy, dia ho nahatakatra ny drafitry ny fitondran'Andriamanitra, ho nanokatra ny varavarany ny lanitra hahitan'ny olona fahasoavana sy voninahitra. Ho hafa tanteraka amin'izao toetrany ankehitriny izao ny olombelona, na amin'ny endrika, na amin'ny fiteny, na amin'ny hira, satria ho nahazoany fahamendrehana ny fitrandrahana ny harenan'ny fahamarinana. Tsy hanjavozavo ao an-tsaintsika, tahaka ny amin'izao fotoana izao, ny zava-miafin’ny famonjena, ny nahatongavan' i Kristy ho nofo, sy ny sorona fanavotana nataony. Tsy vitan'ny ho nahatakatra tsara kokoa izany izy ireo, fa ho nankasitraka kokoa izany koa.

Hianarantsika mandritra ny man-drakizay ireo lohahevitra nanokatra ny fahatakaran'ny saintsika, raha noraisintsika ny fahazavana rehetra nomena antsika teto an-tany. Hameno ny fo sy ny saina ary ny lelan'ireo voavonjy rehetra mandritra ny mandrakizay ny momba ny fanavotana. Ho takatr'izy ireo ny fahamarinana izay nirin'ny Tompo ho takatry ny mpianany teto kanefa tsy azony noho ny tsy finoana. Hisy fomba fijery vaovao ho hita momba ny fahatanterahana sy ny voninahitr'i Kristy mandritra ny taona rehetra mandrakizay. — RH, 3 Jolay 1900. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fampidirana.
Sun 15 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny Daniela toko faharoa sy ny tantara.
Mon 16 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Miankohoka amin’ny sary.
Tue 17 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Miankohoka amin’ny sary indray.
Wed 18 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny fanenjehana ny fiangonana voalohany.
Thu 19 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny mariky ny bibidia.
Fri 20 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fianarana fanampiny.
Sat 21 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Fampidirana.
Sun 08 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Mosary tany Amin ny "tranon’nymofo"
Mon 09 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - I Rota sy i Boaza.
Tue 10 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Boaza amin’ny maha-mpanavotra azy.
Wed 11 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - I Hamana sy I Satana.
Thu 12 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Ho amin’izao andro izao mihintsy.
Fri 13 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 21 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fampidirana.
Sun 22 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Ilay mpaminany malaina.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (65)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal