Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Raha te hahatakatra, mankatoava

Daty
Alahady 27 April 2025

"Ny fon’ny manan-tsaina mitady fahendrena; Fa ny vavan'ny adala mankamamy ny fahadalana." - Ohab. 15:14.

Mofon’aina:
Tsy misy olona mamaky ny Testamenta Taloha sy ny Vaovao omban'ny Fanahin'i Kristy ka tsy hovaliana soa. "Mankanesa aty amiko, hianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana" hoy ny Mpamonjy, "Ento ny ziogako, ka mianara amiko; fa malemy fanahy sady tsy miavona am po Aho; dia hahita fitsaharana ho an'ny fanahinareo hianareo." — Mat. 11:28. Eo anoloanao ny fanasana avy amin'Ilay Mpampianatra lehibe. Hamaly sy hanaiky izany an-tsitrapo ve ianao? Tsy afaka manatona an'i Kristy mba hianatra eo an-tongony ianao raha tsy mazava ny sainao, ka entanin'ny fitiavana sy fanajana madio sy masina ny fonao. Ary ianao hanao hoe: "Isaorana anie Izay avy amin'ny anaran'i Jehôvah ! " — Mat. 21:9. 

Nanidy varavarana tsy hidiran'ny fahalalana maro tokony ho azo avy amin'ny Tenin'Andriamanitra ny tsy fankatoavana. Mandalo amin'ny fankatoavana ny didin'Andriamanitra ny olona vao mahatakatra izany. Raha nankatò ny lehilahy sy ny vehivavy, dia ho nahatakatra ny drafitry ny fitondran'Andriamanitra, ho nanokatra ny varavarany ny lanitra hahitan'ny olona fahasoavana sy voninahitra. Ho hafa tanteraka amin'izao toetrany ankehitriny izao ny olombelona, na amin'ny endrika, na amin'ny fiteny, na amin'ny hira, satria ho nahazoany fahamendrehana ny fitrandrahana ny harenan'ny fahamarinana. Tsy hanjavozavo ao an-tsaintsika, tahaka ny amin'izao fotoana izao, ny zava-miafin’ny famonjena, ny nahatongavan' i Kristy ho nofo, sy ny sorona fanavotana nataony. Tsy vitan'ny ho nahatakatra tsara kokoa izany izy ireo, fa ho nankasitraka kokoa izany koa.

Hianarantsika mandritra ny man-drakizay ireo lohahevitra nanokatra ny fahatakaran'ny saintsika, raha noraisintsika ny fahazavana rehetra nomena antsika teto an-tany. Hameno ny fo sy ny saina ary ny lelan'ireo voavonjy rehetra mandritra ny mandrakizay ny momba ny fanavotana. Ho takatr'izy ireo ny fahamarinana izay nirin'ny Tompo ho takatry ny mpianany teto kanefa tsy azony noho ny tsy finoana. Hisy fomba fijery vaovao ho hita momba ny fahatanterahana sy ny voninahitr'i Kristy mandritra ny taona rehetra mandrakizay. — RH, 3 Jolay 1900. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fampidirana.
Sun 06 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Ny ohapiainan’i Jesôsy.
Mon 07 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Ny antony manesika.
Tue 08 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Manao drafitra.
Wed 09 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Toetsaina.
Thu 10 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Firaisana.
Fri 11 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fianarana fanampiny.
Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 29 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fampidirana.
Sun 30 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Ny vokatry ny fanompoana tena izy.
Mon 31 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fahoriana sy voninahitra.
Tue 01 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -Fanompoam-pivavahana mifantoka amin’i Kristy.
Wed 02 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Antso ho amin’ny fahamasinana.
Thu 03 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fiononana sy alahelo.
Fri 04 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fianarana fanampiny.
Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.
Sun 20 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITATIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fahasoavan’i Jesôsy.

Archive mensuelle

  • June 2026 (38)
  • July 2026 (77)
  • August 2026 (52)
  • September 2026 (21)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal