Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Manondro ny lalana mankeo amin'i Kristy

Daty
Alatsinainy 28 April 2025

"(...) Mifankatiava fatratra amin 'ny fo; (...) 'Fa ny nofo rehetra dia tahaka ny ahitra, ary izay mety ho voninahiny dia tahaka ny vonin'ny ahitra. Malazo ny ahitra, ka mihintsana ny voniny; Fa ny tenin'ny Tompo maharitra mandrakizay" - 1 Pet. 1:22-25.

Mofon’aina: 
Manome antsika fahalalana momba ny drafi-pamonjena lehibe ny Baiboly masina, ary manoro antsika ny fomba ahazoan'ny tsirairay fiainana mandrakizay. Iza no mpanoratra io Boky io? I Jesôsy Kristy. Izy no Vavolombelona Marina, ary hoy Izy amin'ny olony: "Izaho manome azy fiainana mandrakizay, ka tsy ho very izy mandrakizay, ary tsy hisy handrombaka azy amin'ny tànako." — Jao. 10:28. Natao hampiseho antsika ny lalana mankany amin'i Kristy ny Baiboly, ary ao amin'i Kristy no miseho ny fiainana mandrakizay. Hoy i Jesôsy tamin'ny Jiosy sy ireo vahoaka nifanizina nanodidina Azy, "Diniho ny soratra masina." Nanana ny Teny ao amin'ny Testamenta Taloha ny Jiosy, saingy nafangarony tamin'ny hevitr'olombelona izany ka nanjary nanjavozavo ny fahamarinany, ary voafina ny sitrapon'Andriamanitra ho an'ny olombelona. Manao tahaka azy ireo koa ny mpampianatra ara-pivavahana amin'izao vanim-potoana izao. 

Na dia nanana ny Soratra Masina izay nanambara an'i Kristy aza ny Jiosy, dia tsy nahafantatra an'i Kristy tao amin'ny Soratra Masina izy ireo; ary na dia manana ny Testamenta Taloha sy Vaovao aza isika, dia aolan'ny olona ankehitriny ny Soratra Masina mba hialana amin'ny fahamarinana; ary tahaka ny fomban'ny Fariseo. no ampianarany ny Soratra Masina, ka atakalony lovantsofina sy fitsipik'olombelona ny didin'Andriamanitra. (...)

Ny toritehin'i Kristy teo an-tendrombohitra dia nanohitra tanteraka ny fampianaran'ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo mpanamarin-tena. Mpitsara masiaka, tsy miantra, tsy mamindra fo, ary tsy misy fitiavana no nanehoany an'Andriamanitra. (...) Na nilaza ho mahalala sy mivavaka amin'Andriamanitra marina sy velona aza izy ireo, dia tsy naneho Azy araka ny tokony ho izy velively; ary ny toetran'Andriamanitra, araka ny hita ao amin'ny Zanany, dia toy ny lohahevi-baovao, fanomezana vaovao ho an'izao tontolo izao. Nanao ny fomba rehetra i Kristy mba hamafana ny sary diso napetrak'i Satana tao an-tsain'ny olona, mba hiverina hatoky ny fitiavan'Andriamanitra indray ny olona. — FCE, tt. 308,309. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 26 Jul 2025
Lesona 5: NY PASKA - Fampidirana.
Sun 27 Jul 2025
Lesona 5: PASKA - Miampy indray ny loza.
Mon 28 Jul 2025
Lesona 5: PASKA - Ny Paska.
Tue 29 Jul 2025
Lesona 5: PASKA - Pechah.
Wed 30 Jul 2025
Lesona 5: PASKA - Mampita ny fanilo.
Thu 31 Jul 2025
Lesona 5: PASKA - Ny fitsaran’Andriamanitra.
Fri 01 Aug 2025
Lesona 5: PASKA - Fianarana fanampiny.
Sat 02 Aug 2025
LESONA 6: NIAMPITA NY RANOMASINA MENA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 19 Jul 2025
Lesona 4: IREO LOZA TANY EGYPTA - Fampidirana.
Sat 19 Jul 2025
Lesona 4: IREO LOZA TANY EGYPTA - Fampidirana.
Sun 20 Jul 2025
Lesona 4: IREO LOZA TANY EGYPTA - Jehôvah sa ireo andriamani-kafa?
Mon 21 Jul 2025
Lesona 4: IREO LOZA TANY EGYPTA - Iza no nanamafy ny fon’i Farao?
Tue 22 Jul 2025
Lesona 4: IREO LOZA TANY EGYPTA - Ny loza telo voalohany.
Wed 23 Jul 2025
Lesona 4: IREO LOZA TANY EGYPTA - Lalitra, biby fiompy ary vay.
Thu 24 Jul 2025
Lesona 4: IREO LOZA TANY EGYPTA - Havandra, valala ary haizina.
Fri 25 Jul 2025
Lesona 4: IREO LOZA TANY EGYPTA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (65)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal