Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Diniho ny Soratra Masina ka ankatoavy

Daty
Talata 29 April 2025

"Raha misy olona ta-hanao ny sitrapony, dia hahalala ny amin'ny fampianarana izy, na avy amin 'Andriamanitra izany, na miteny ho Ahy Aho." - Jao. 7:17.

Mofon’aina:
Ireo izay mandinika amim-panetren-tena sy amim-bavaka ny Soratra Masina, mba hahafantatra sy hanao ny sitrapon'Andriamanitra, dia tsy hisalasala ny amin'ny adidiny amin'Andriamanitra; satria "Raha misy olona ta-hanao ny sitrapony, dia hahalala ny amin 'ny fampianarana izy. " Raha te hahafantatra ny zava-miafin'ny fahamasinana ianao, dia aoka hanaraka ny tenin'ny fahamarinana mazava — na mampihetsi-po anao izany na tsia. Ny fankatoavana dia tsy maintsy avy amin'ny faharesen-dahatra hanaraka fitsipika, ary ny marina dia tsy maintsy atao na inona na inona zava-mitranga. Ny olona manana toetra toy izany no fidin'Andriamanitra ho amin'ny famonjena.

Omena ao amin'ny Tenin'Andriamanitra ny fomba hamantarana ny tena Kristianina marina. Hoy i Jesosy: "Raha tia Ahy hianareo, dia hitandrina ny didiko." — Jao. 14:15. (...) Ny fitandremanao ny didin'Andriamanitra dia porofon'ny fanananao anj ara amin'ny lovan'ny olona masina eo amin'ny mazava. Misy toetra tsara takin'Andriamanitra; ary izay rehetra mahatratra ny fenitra napetrany, noho ny fahasoavan' i Kristy, dia ho tafiditra soamantsara ao amin'ny fanj akan ' ny voninahitra. (...) 

Aoka ho tonga mpiara-miasa amin' Andriamanitra ianao raha tianao ny handova ilay fitsaharana izay mbola misy ho an'ny zanak'Andriamanitra. Voafidy hitondra ny ziogan'i Kristy ianao — hitondra ny entany, hitondra ny hazo fijaliany. Aoka ianao hazoto "hampitoetra ny fiantsoana sy ny fifidianana" anao (2 Pet. 1:10).

Diniho ny Soratra Masina dia ho hitanao fa tsy misy taranak'i Adama, na lahy na vavy, natao hovonjena ao anatin'ny tsy fankatoavana ny lalàn'Andriamanitra. Manao izay hahafoana ny lalàn'Andriamanitra izao tontolo izao, fa ny Kristianina kosa nofidina mba hohamasinina amin'ny alalan'ny fankatoavana ny fahamarinana. Natao hitondra ny hazo fijaliana izy ireo raha maniry hitondra satro-boninahitra. 

Ny Baiboly no hany fitsipiky ny finoana sy ny foto-pampianarana (...). Ny fahamarinana sy ny fivavahana ara-Baiboly ihany no ho tafajoro amin'ny andro fizahan-toetra sy fitsarana. Tsy azontsika atao ny manolana ny Tenin'Andriamanitra araka izay mety amintsika mba hahazoantsika tombony araka izao tontolo izao. Aoka kosa isika hanontany amim-pahatsoram-po hoe: "Andriamanitra ô, inona no tianao hataoko?" — RH, 17 Jolay 1888. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fampidirana.
Sun 06 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Ny ohapiainan’i Jesôsy.
Mon 07 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Ny antony manesika.
Tue 08 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Manao drafitra.
Wed 09 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Toetsaina.
Thu 10 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Firaisana.
Fri 11 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fianarana fanampiny.
Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 29 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fampidirana.
Sun 30 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Ny vokatry ny fanompoana tena izy.
Mon 31 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fahoriana sy voninahitra.
Tue 01 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -Fanompoam-pivavahana mifantoka amin’i Kristy.
Wed 02 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Antso ho amin’ny fahamasinana.
Thu 03 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fiononana sy alahelo.
Fri 04 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fianarana fanampiny.
Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.
Sun 20 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITATIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fahasoavan’i Jesôsy.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal