Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Natao hitandrina ny Sabata isika

Daty
Alakamisy 01 May 2025

 "Ary tamin'ny andro fahafito dia vitan’Andriamanitra ny asa efa nataony; ary dia nitsahatra tamin'ny andro fahafito Izy tamin'ny asany rehetra izay efa nataony." - Gen. 2:2.

Mofon’aina:
Nohamasinin'Andriamanitra sy notahiny ilay andro nitsaharany tamin'ny asany rehetra mahagaga. (...) Natao ho tsangambato fahatsiarovana mandritra ny taona rehetra mifandimby izany, mandra-pifaran'ny tantaran'ny tany.

 Nanafaka ny Hebreo tamin'ny fanan-devozan'ny Egiptianina Andriamanitra, ary nandidy azy ireo hitandrina ny Sabatany sy hanaja ny lalàna nomena tao Edena. Nanao fahagagana isan-kerinandro ny Tompo mba hampitoetra ao an-tsain'izy ireo fa nanorina ny Sabata hatrany am-piandohan'izao tontolo izao Izy. (...)

Tonga tany an'efitr'i Sinay izy ireo tamin'ny volana fahatelo, ary teo no nanambarana ny lalàna, teo an-tampon-tendrombohitra, tamin'ny fomba manetriketrika sy miezinezina. Efa ela tokoa ny Isiraely no nandre sy nahita ny fanaon'ny mpanompo sampy tany Egipta, hany ka veriny tamin'ny ampahany lehibe ny fahalalana an'Andriamanitra sy ny lalàny ary ny fahatsapany ny maha-zava-dehibe sy masina ny Sabata. Koa nohamafisina fanindroany ny lalàna ho fampahatsiarovana azy ireo ny amin'izany zavatra izany. (...) 

Hoy i Jehôvah tamin'i Mosesy: "milazà amin'ny Zanak'Isiraely hianao hoe: Ny Sabatako no tandremo." — Eks. 31:13a. Satria te hanafoana ny lalàn'Andriamanitra ny olona sasany dia manazava io "Sabatako" io ho ny Sabata ankalazain'ny Jiosy isan-taona. Kanefa tsy mifandrindra amin' ity fitakiana mazava manaraka azy ity izany hevitra izany: "fa famantarana ho amiko, sy ho aminareo hatramin'ny taranakareo fara mandimby izany, mba ho fantatrareo fa Izaho no Jehôvah Izay manamasina anareo. Koa tandremo ny Sabata, fa masina aminareo izany; izay tsy manamasina azy dia hatao maty tokoa, fa izay rehetra manao raharaha amin 'izany dia hofongorana tsy ho amin'ny. fireneny. Henemana no hanaovana raharaha; fa ny andro fahafito dia tena fitsaharana ka masina ho an 'i Jehôvah (...). Dia hotandreman'ny Zanak'Isiraely ny Sabata hankatoavany azy hatramin'ny taranany fara mandimby, dia fanekena mandrakizay izany. Ho famantarana amiko sy amin'ny Zanak'Isiraely mandrakizay izany; fa tamin 'ny henemana no nanaovan Jehôvah ny lanitra sy ny tany, ary tamin’ny andro fahafito dia nitsahatra Izy ka niala sasatra." — Eks. 31:13b-18. — RH, 30 Aogôsitra 1898.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 24 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 25 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fanambarana ankapobeny sy fanambarana manokana.
Mon 26 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Ny tsindrimandrin’Andriamanitra.
Tue 27 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Hafatra am-bava.
Wed 28 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Hafatra an-tsoratra.
Thu 29 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fanehoana ohatra mivaingana, tandindona, fanoharana.
Fri 30 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Ny tenin’i Ellen G. White momba ny fanambarana sy ny tsindrimandry avy amin’Andriamanitra.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.
Sun 18 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Jesôsy, amin’ny maha Mpaminany azy.
Mon 19 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny Apôstôly sy ny mpaminany.
Tue 20 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny asan’ireo Mpaminanin’ny TV.
Wed 21 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo mpaminany vavy sy zatovo mpitandrina, mpiara-miasa.
Thu 22 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo Mpaminany sandoka ao amin’ny TV.
Fri 23 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Manao an’i Jesôsy ho ivo.
Sat 24 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • June 2026 (38)
  • July 2026 (77)
  • August 2026 (52)
  • September 2026 (52)
  • October 2026 (55)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal