Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Natao ho an'ny rehetra ny didy folo

Daty
Talata 20 May 2025

 "Ary ny hafa firenena izay efa manaiky ho an 'i Jehôvah mba hanompo Azy sy ho tia ny anaran'i Jehôvah mba ho mpanompony dia izay rehetra mitandrina ny Sabata ka tsy manao azy ho tsy masina sady mitana ny fanekeko, dia ho entiko ho any an-tendrombohitro masina." - Isa. 56:6,7a.

Mofon’aina:
Tsy nanana anjara feno tamin'ireo tombontsoa nomena ny Isiraely ny vahiny sy ny ionoka teo ambanin'ny lalàn' i Mosesy. Nambaran'ny mpaminany anefa fa ho avy ny fotoana izay hahafoanan'ireny fameperana ireny. Niantefa manokana tamin'ny Jiosy ny teny masin' Andriamanitra (...). Nihanitombo tao amin'izy ireo ny fiheveran-tena ho ambony noho ny olona rehetra eto ambonin'ny tany, noho ny zo ananany avy any an-danitra, nefa tsy nohazoniny tamim-pitandremana tamin'ny alalan'ny fankatoavana ireo didin'Andriamanitra rehetra ny fiavahany tamin'ny hafa sy ny toetra masina. 

Ambaran'ny mpaminany izao fa ny vahiny izay tia sy mankatô an'Andriamanitra dia hanana ireo tombontsoa izay tsy nomena afa-tsy ho an'ny vahoakan'Andriamanitra irery hatrizay. Ny famorana sy ny fitandremana hentitra ireo lalàna seremôniely no fepetra nanekena ny Jentilisa ho isan'ny Isiraely hatrizay, fa nofoanan'ny Filazantsara kosa ireo fahasamihafana ireo [Isa. 56:6-8]. (...)

Vahoaka izay toa mifaly amin'ny fanompoana ny Tompo no asehon'ny ampahany voalohany amin'ny Isa. 58, "firenena efa nanao ny marina ka tsy nahafoy ny fitsipik 'Andriamaniny." - and. 2b. Tsy marina eo imason'Andriamanitra anefa ny fiainan'izy ireo satria izao no baiko nomen'Andriamanitra ny mpaminaniny: "Ezaho ny fiantsonao, fa aza atao malemy, asandrato ny feonao ho tahaka ny an'ny anjomara, ka ambarao amin'ny oloko ny fahadisoany ary amin'ny taranak'i Jakoba ny fahotany." - Isa. 58:1. (...)

Nailiky ny fivavahana kristianina ny Sabata masin'i Jehovah ka andro fiasana no nekeny ho eo amin'ny toerany, andro izay tsy mba nohamafisin'ny "Izao no lazain'i Jehovah" na dia indray mandeha monja aza. Tamin'izany no nampirisihany ny tsy fahatokiana sy nanekeny ankolaka ny fahambonian'ilay fahefana izay hany afaka mibaiko ny hanaovana izany fanovana izany. Nitarika ho amin'ny fandavana ny didin'Andriamanitra iray manontolo ny fandavana ny Sabata, ary olona an'arivorivony mitonona ho Kristianina no maneho amim-pahasahiana fa tsinontsinona izany. - ST, 28 Febroary 1884. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 24 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fampidirana.
Sun 25 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Miasa hahatanteraka ny asan’Andriamanitra ao anatintsika isika.
Mon 26 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fanazavana ao anatin’ny aizin’izao tontolo izao.
Tue 27 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fanatitra velona.
Wed 28 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Voazaha toetra.
Thu 29 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - "Omeo voninahitra izay olona tahaka izany."
Fri 30 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fianarana fanampiny.
Sat 31 Jan 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 17 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Fampidirana.
Sun 18 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Fisaratsarahana tany Filipy.
Mon 19 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Ny loharanon’ny firaisana.
Tue 20 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Fanisian-javatra ao amin’ny atidoha sa fandidiana atidoha?
Wed 21 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Ny sain’ i Kristy.
Thu 22 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Ny zava-miafina ny amin’ny toe-pananahy araka an’Andriamanitra.
Fri 23 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Fianarana fanampiny.
Sat 24 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 31 Jan 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Fampidirana.
Sun 01 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Mifaly ao amin’i Tompo.
Mon 02 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Ny fiainan’i Paoly tamin’ny lasa.
Tue 03 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Wed 04 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Thu 05 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Fri 06 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal