Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Natao ho an'ny rehetra ny didy folo

Daty
Talata 20 May 2025

 "Ary ny hafa firenena izay efa manaiky ho an 'i Jehôvah mba hanompo Azy sy ho tia ny anaran'i Jehôvah mba ho mpanompony dia izay rehetra mitandrina ny Sabata ka tsy manao azy ho tsy masina sady mitana ny fanekeko, dia ho entiko ho any an-tendrombohitro masina." - Isa. 56:6,7a.

Mofon’aina:
Tsy nanana anjara feno tamin'ireo tombontsoa nomena ny Isiraely ny vahiny sy ny ionoka teo ambanin'ny lalàn' i Mosesy. Nambaran'ny mpaminany anefa fa ho avy ny fotoana izay hahafoanan'ireny fameperana ireny. Niantefa manokana tamin'ny Jiosy ny teny masin' Andriamanitra (...). Nihanitombo tao amin'izy ireo ny fiheveran-tena ho ambony noho ny olona rehetra eto ambonin'ny tany, noho ny zo ananany avy any an-danitra, nefa tsy nohazoniny tamim-pitandremana tamin'ny alalan'ny fankatoavana ireo didin'Andriamanitra rehetra ny fiavahany tamin'ny hafa sy ny toetra masina. 

Ambaran'ny mpaminany izao fa ny vahiny izay tia sy mankatô an'Andriamanitra dia hanana ireo tombontsoa izay tsy nomena afa-tsy ho an'ny vahoakan'Andriamanitra irery hatrizay. Ny famorana sy ny fitandremana hentitra ireo lalàna seremôniely no fepetra nanekena ny Jentilisa ho isan'ny Isiraely hatrizay, fa nofoanan'ny Filazantsara kosa ireo fahasamihafana ireo [Isa. 56:6-8]. (...)

Vahoaka izay toa mifaly amin'ny fanompoana ny Tompo no asehon'ny ampahany voalohany amin'ny Isa. 58, "firenena efa nanao ny marina ka tsy nahafoy ny fitsipik 'Andriamaniny." - and. 2b. Tsy marina eo imason'Andriamanitra anefa ny fiainan'izy ireo satria izao no baiko nomen'Andriamanitra ny mpaminaniny: "Ezaho ny fiantsonao, fa aza atao malemy, asandrato ny feonao ho tahaka ny an'ny anjomara, ka ambarao amin'ny oloko ny fahadisoany ary amin'ny taranak'i Jakoba ny fahotany." - Isa. 58:1. (...)

Nailiky ny fivavahana kristianina ny Sabata masin'i Jehovah ka andro fiasana no nekeny ho eo amin'ny toerany, andro izay tsy mba nohamafisin'ny "Izao no lazain'i Jehovah" na dia indray mandeha monja aza. Tamin'izany no nampirisihany ny tsy fahatokiana sy nanekeny ankolaka ny fahambonian'ilay fahefana izay hany afaka mibaiko ny hanaovana izany fanovana izany. Nitarika ho amin'ny fandavana ny didin'Andriamanitra iray manontolo ny fandavana ny Sabata, ary olona an'arivorivony mitonona ho Kristianina no maneho amim-pahasahiana fa tsinontsinona izany. - ST, 28 Febroary 1884. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.
Sun 13 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Ady ara-panahy.
Mon 14 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Mirehareha ny amin’i Jehôvah.
Tue 15 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fantatra ireo mpampianatra sandoka.
Wed 16 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Miaripahoriana noho ny filazantsara.
Thu 17 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Antso ho an’ireo tsy mbola nibebaka.
Fri 18 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fianarana fanampiny.
Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fampidirana.
Sun 06 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Ny ohapiainan’i Jesôsy.
Mon 07 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Ny antony manesika.
Tue 08 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Manao drafitra.
Wed 09 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Toetsaina.
Thu 10 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Firaisana.
Fri 11 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fianarana fanampiny.
Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.
Sun 20 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITATIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fahasoavan’i Jesôsy.

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal