"Ary ny hafa firenena izay efa manaiky ho an 'i Jehôvah mba hanompo Azy sy ho tia ny anaran'i Jehôvah mba ho mpanompony dia izay rehetra mitandrina ny Sabata ka tsy manao azy ho tsy masina sady mitana ny fanekeko, dia ho entiko ho any an-tendrombohitro masina." - Isa. 56:6,7a.
Mofon’aina:
Tsy nanana anjara feno tamin'ireo tombontsoa nomena ny Isiraely ny vahiny sy ny ionoka teo ambanin'ny lalàn' i Mosesy. Nambaran'ny mpaminany anefa fa ho avy ny fotoana izay hahafoanan'ireny fameperana ireny. Niantefa manokana tamin'ny Jiosy ny teny masin' Andriamanitra (...). Nihanitombo tao amin'izy ireo ny fiheveran-tena ho ambony noho ny olona rehetra eto ambonin'ny tany, noho ny zo ananany avy any an-danitra, nefa tsy nohazoniny tamim-pitandremana tamin'ny alalan'ny fankatoavana ireo didin'Andriamanitra rehetra ny fiavahany tamin'ny hafa sy ny toetra masina.
Ambaran'ny mpaminany izao fa ny vahiny izay tia sy mankatô an'Andriamanitra dia hanana ireo tombontsoa izay tsy nomena afa-tsy ho an'ny vahoakan'Andriamanitra irery hatrizay. Ny famorana sy ny fitandremana hentitra ireo lalàna seremôniely no fepetra nanekena ny Jentilisa ho isan'ny Isiraely hatrizay, fa nofoanan'ny Filazantsara kosa ireo fahasamihafana ireo [Isa. 56:6-8]. (...)
Vahoaka izay toa mifaly amin'ny fanompoana ny Tompo no asehon'ny ampahany voalohany amin'ny Isa. 58, "firenena efa nanao ny marina ka tsy nahafoy ny fitsipik 'Andriamaniny." - and. 2b. Tsy marina eo imason'Andriamanitra anefa ny fiainan'izy ireo satria izao no baiko nomen'Andriamanitra ny mpaminaniny: "Ezaho ny fiantsonao, fa aza atao malemy, asandrato ny feonao ho tahaka ny an'ny anjomara, ka ambarao amin'ny oloko ny fahadisoany ary amin'ny taranak'i Jakoba ny fahotany." - Isa. 58:1. (...)
Nailiky ny fivavahana kristianina ny Sabata masin'i Jehovah ka andro fiasana no nekeny ho eo amin'ny toerany, andro izay tsy mba nohamafisin'ny "Izao no lazain'i Jehovah" na dia indray mandeha monja aza. Tamin'izany no nampirisihany ny tsy fahatokiana sy nanekeny ankolaka ny fahambonian'ilay fahefana izay hany afaka mibaiko ny hanaovana izany fanovana izany. Nitarika ho amin'ny fandavana ny didin'Andriamanitra iray manontolo ny fandavana ny Sabata, ary olona an'arivorivony mitonona ho Kristianina no maneho amim-pahasahiana fa tsinontsinona izany. - ST, 28 Febroary 1884.