Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mitohy amin'ny Sabata ny asa soa.

Daty
Talata 27 May 2025

 "Ary noho izany ny Jiosy dia nanenjika an'i Jesôsy, satria nanao izany zavatra izany tamin'ny Sabata Izy. Fa Jesôsy namaly azy hoe: Ny Raiko miasa mandraka ankehitriny, ary Izaho koa miasa." - Jao. 5:16,17.

Mofon’aina:
Raby maro nandalim-pahaizana no nonina tao Jerosalema izay isy ny Mpamonjy tamin'izay. Hevi-diso mikasika ny Sabata no nampianarin' izy ireo ny olona tao. (...) Naniry ny hanitsy ireny fahadisoana ireny i Kristy. Izany no antony nanasitranany lehilahy iray tamin'ny andro Sabata sy nilazany tamin'io lehilahy io mba hibata ny fandriany. Fantany fa hanintona ny sain' ireo raby hifantoka Aminy izany, ka hanome azy fotoana fanararaotra hampianarana azy ireo. Izany tokoa no nitranga(...)

Nambaran'ny Mpamonjy fa mifandrindra amin'ny lalàna momba ny Sabata ny asa nataony. Nifanaraka tamin'ny sitrapon'Andriamanitra sy ny Asany izany. "Ny Raiko miasa mandraka ankehitriny, ary Izaho koa miasa" hoy Izy (Jao. 5:17).

Miasa tsy tapaka Andriamanitra ho fanohanana ny zava-manana aina rehetra. Moa ve tokony hitsahatra ny Asany amin'ny andro Sabata? Moa ve Izy tokony handrara ny masoandro tsy hanatanteraka ny asany amin'ny Sabata? Tokony hofoanany tsy hitaratra mba hanafana ny tany sy hamelona ireo zava-maniry ao ve ny tara-masoandro? 

Tokony hitsahatra tsy hanondraka ny tanimboly intsony ve ny sakelidrano, ary tokony hampitsahatra ny fitopan'ny onjany ve ny ranomasina? Moa ve ny varim-bazaha sy ny katsaka tokony hampijanona ny faniriny (...)?

Raha izany dia tsy hihinana ny vokatry ny tany ny olona, ary tsy hahazo ireo fitahiana izay mamelona azy. Tsy maintsy manohy ny asany ny zavaboary, raha tsy izany dia ho faty ny olona. (...)

Ny asantsika manokana no raran'ny lalàna tsy hatao amin'ny andro fitsaharan'Andriamanitra. Tsy maintsy atsahatra ny asa fivelomana; fandikan-dalàna ny fanaovana ny asa ho fikatsahana fahafinaretana na tombontsoa araka izao tontolo izao amin'izany andro izany. Kanefa tsy natao holanina foana amin'ny fitomoe-poana ny Sabata. (...) Didiany ny hametrahantsika ny fanaontsika andavanandro ka hanokanantsika ireo ora masina ho an'ny fitsaharana mahasalama, mba hiankohofana Aminy sy hanaovana asa masina. - SJ, 73,74. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 02 Aug 2025
LESONA 6: NIAMPITA NY RANOMASINA MENA - Fampidirana.
Sun 03 Aug 2025
LESONA 6: NIAMPITA NY RANOMASINA MENA - Mandehana ka manompoa an’i Jehôvah.
Mon 04 Aug 2025
LESONA 6: NIAMPITA NY RANOMASINA MENA - Fanokanana ny voalohan-teraka.
Tue 05 Aug 2025
LESONA 6: NIAMPITA NY RANOMASINA MENA - Niampita ny ranomasina mena.
Wed 06 Aug 2025
LESONA 6: NIAMPITA NY RANOMASINA MENA - Mandroso amim-pinoana.
Thu 07 Aug 2025
LESONA 6: NIAMPITA NY RANOMASINA MENA - Ny hiran’i Mosesy sy i Miriama.
Fri 08 Aug 2025
LESONA 6: NIAMPITA NY RANOMASINA MENA - Fanampiny.
Sat 09 Aug 2025
LESONA 7: MOFON’AINA SY RANON’AINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 26 Jul 2025
Lesona 5: NY PASKA - Fampidirana.
Sun 27 Jul 2025
Lesona 5: PASKA - Miampy indray ny loza.
Mon 28 Jul 2025
Lesona 5: PASKA - Ny Paska.
Tue 29 Jul 2025
Lesona 5: PASKA - Pechah.
Wed 30 Jul 2025
Lesona 5: PASKA - Mampita ny fanilo.
Thu 31 Jul 2025
Lesona 5: PASKA - Ny fitsaran’Andriamanitra.
Fri 01 Aug 2025
Lesona 5: PASKA - Fianarana fanampiny.
Sat 02 Aug 2025
LESONA 6: NIAMPITA NY RANOMASINA MENA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 09 Aug 2025
LESONA 7: MOFON’AINA SY RANON’AINA - Fampidirana.
Sun 10 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANIN’AINA - Rano mangidy.
Mon 11 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Ny Papelika sy ny Mana.
Tue 12 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Rano avy amin’ny vatolampy.
Wed 13 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Jetro.
Thu 14 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Mofon’aina sy ranon’aina.
Fri 15 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Fianarana fanampiny.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (65)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal