Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mitohy amin'ny Sabata ny asa soa.

Daty
Talata 27 May 2025

 "Ary noho izany ny Jiosy dia nanenjika an'i Jesôsy, satria nanao izany zavatra izany tamin'ny Sabata Izy. Fa Jesôsy namaly azy hoe: Ny Raiko miasa mandraka ankehitriny, ary Izaho koa miasa." - Jao. 5:16,17.

Mofon’aina:
Raby maro nandalim-pahaizana no nonina tao Jerosalema izay isy ny Mpamonjy tamin'izay. Hevi-diso mikasika ny Sabata no nampianarin' izy ireo ny olona tao. (...) Naniry ny hanitsy ireny fahadisoana ireny i Kristy. Izany no antony nanasitranany lehilahy iray tamin'ny andro Sabata sy nilazany tamin'io lehilahy io mba hibata ny fandriany. Fantany fa hanintona ny sain' ireo raby hifantoka Aminy izany, ka hanome azy fotoana fanararaotra hampianarana azy ireo. Izany tokoa no nitranga(...)

Nambaran'ny Mpamonjy fa mifandrindra amin'ny lalàna momba ny Sabata ny asa nataony. Nifanaraka tamin'ny sitrapon'Andriamanitra sy ny Asany izany. "Ny Raiko miasa mandraka ankehitriny, ary Izaho koa miasa" hoy Izy (Jao. 5:17).

Miasa tsy tapaka Andriamanitra ho fanohanana ny zava-manana aina rehetra. Moa ve tokony hitsahatra ny Asany amin'ny andro Sabata? Moa ve Izy tokony handrara ny masoandro tsy hanatanteraka ny asany amin'ny Sabata? Tokony hofoanany tsy hitaratra mba hanafana ny tany sy hamelona ireo zava-maniry ao ve ny tara-masoandro? 

Tokony hitsahatra tsy hanondraka ny tanimboly intsony ve ny sakelidrano, ary tokony hampitsahatra ny fitopan'ny onjany ve ny ranomasina? Moa ve ny varim-bazaha sy ny katsaka tokony hampijanona ny faniriny (...)?

Raha izany dia tsy hihinana ny vokatry ny tany ny olona, ary tsy hahazo ireo fitahiana izay mamelona azy. Tsy maintsy manohy ny asany ny zavaboary, raha tsy izany dia ho faty ny olona. (...)

Ny asantsika manokana no raran'ny lalàna tsy hatao amin'ny andro fitsaharan'Andriamanitra. Tsy maintsy atsahatra ny asa fivelomana; fandikan-dalàna ny fanaovana ny asa ho fikatsahana fahafinaretana na tombontsoa araka izao tontolo izao amin'izany andro izany. Kanefa tsy natao holanina foana amin'ny fitomoe-poana ny Sabata. (...) Didiany ny hametrahantsika ny fanaontsika andavanandro ka hanokanantsika ireo ora masina ho an'ny fitsaharana mahasalama, mba hiankohofana Aminy sy hanaovana asa masina. - SJ, 73,74. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 24 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fampidirana.
Sun 25 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Miasa hahatanteraka ny asan’Andriamanitra ao anatintsika isika.
Mon 26 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fanazavana ao anatin’ny aizin’izao tontolo izao.
Tue 27 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fanatitra velona.
Wed 28 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Voazaha toetra.
Thu 29 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - "Omeo voninahitra izay olona tahaka izany."
Fri 30 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fianarana fanampiny.
Sat 31 Jan 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 17 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Fampidirana.
Sun 18 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Fisaratsarahana tany Filipy.
Mon 19 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Ny loharanon’ny firaisana.
Tue 20 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Fanisian-javatra ao amin’ny atidoha sa fandidiana atidoha?
Wed 21 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Ny sain’ i Kristy.
Thu 22 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Ny zava-miafina ny amin’ny toe-pananahy araka an’Andriamanitra.
Fri 23 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Fianarana fanampiny.
Sat 24 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 31 Jan 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Fampidirana.
Sun 01 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Mifaly ao amin’i Tompo.
Mon 02 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Ny fiainan’i Paoly tamin’ny lasa.
Tue 03 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Wed 04 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Thu 05 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Fri 06 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal