Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Tsy andro masin’ny Jiosy fa an'i Kristy.

Daty
Zoma 30 May 2025

"Dia tonga tao Nazareta, izay nahabe Azy, Izy; ary araka ny fanaony dia niditra tao amin'ny synagoga tamin'ny andro Sabata Izy ka nitsangana hamaky teny." - Lio. 4:16.

Mofon’aina:
hoana no hanazavantsika ny fitandreman'ny ankamaroan' ireo mitonona ho Kristianina ny andro voalohany amin'ny herinandro kanefa ny Baiboly tsy manome fahefana mikasika izany fanovana izany (...)? Izao no fanazavana azontsika omena amin' izany: ny lovantsofin’olombelona no arahin'izao tontolo izao fa tsy ny "izao no lazain'i Jehôvah :" Izany no asa nokatsahin'i Satana hotaiiterahina mandrakariva - ny hitarika ny olona hiala amin'ny didin'Andriamanitra hankamin'ny fanindrahindrana sy ny fankatoavana ireo lovantsofina (...). Ny olombelona no fitaovana nampiasainy mba hanao tsinontsinona ny Sabatan'i Jehovah sy hiantso izany hoe: "Sabatan'ny Jiosy fahiny." 

Olona an'arivony no mamerim-berina izany anarana izany tsy amim-pisainana akory, (...) nefa tsy takany fa vahoaka nofidin'Andriamanitra manokana ny Jiosy mba ho mpitandrina ny Fahamarinany sy ny Lalàny ary ho mpitahiry ireo Teniny masina. Izy ireo no nandray ny teny masina velona mba hampita izany amintsika. Samy avy tamin'ny Jiosy no nahazoantsika ny Testamenta Taloha sy ny Testamenta Vaovao. (...)

I Kristy no Mpitarika ny Hebreo raha niala avy tany Egipta ho any Kanana izy ireo. Tao amin'ny firaisana tamin'ny Rainy no nanambarany ny lalàna tamin'ny Jiosy, tao anatin'ireo tselatselatra tao Sinay, ary rehefa tonga teto an-tany tao amin'ny maha-Olona Izy dia tonga tamin'ny maha-taranak'i Abrahama Azy. Moa ve isika hampiasa ny tohan-kevitra fampiasan'ny olona mikasika ny Baiboly sy i Kristy ka handà izany noho ny maha-avy amin'ny Jiosy azy, tahaka ny fandavan'ny olona ny Sabatan'i Jehôvah ilay Tompontsika? Misy ifandraisany akaiky amin'ny Jiosy tahaka ny amin'ny Baiboly ny Sabata ka ny fandavana ny iray dia mitovy amin'ny fandavana ny ankilany. Tsy an'ny Jiosy anefa ny Sabata tany am-piandohana; naorina tany Edena izany raha tsy mbola nisy akory ny vahoaka nantsoina hoe Jiosy. Noforonina ho an'ny taranak'olombelona rehetra ny Sabata (...). Nantsoin'ny Mpamorona hoe: "androko masina" izany. Nanambara ny Tenany ho "Tompon'ny Sabata" i Kristy (...). - ST, 12 Nôvambra 1894. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.
Sun 15 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny mpivady.
Mon 16 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny ray amandreny sy ny zanaka.
Tue 17 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny fifandraisana araka asa.
Wed 18 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mifampivavaka.
Thu 19 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mandeha amin’ny fahendrena.
Fri 20 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.
Sun 08 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Misaina ny zavatra any ambony.
Mon 09 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Atsaharo ny fisainana momba ny tany.
Tue 10 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Havaozina ho amin’ny fahalalana tsara.
Wed 11 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Ny toetry ny fiainam-baovao.
Thu 12 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fiainam-baovao.
Fri 13 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (67)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal