Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Tahaka an'i Jesôsy fa tsy tahaka an'izao tontolo izao

Daty
Alahady 01 June 2025

 "Aoka tsy hisy vato mahery sy reraka ao an-kitaponao. Aoka tsy hisy famarana mihoatra sy latsaka ao an-tranonao." - Deo. 25:13,14.

Mofon’aina:
Tokony hikolokolo firaisam-po sy fitiavana ho an'ny hafa ireo   izay milaza fa tia sy matahotra an'Andriamanitra, ary tokony hihevitra ny tombontsoan'ny hafa toy ny an'ny tenany. Tsy tokony hitondra tena araka ny fitsipik'izao tontolo izao ny Kristianina. Niavaka tamin'izao tontolo izao ny vahoakan'Andriamanitra nandritra ny vanim-potoana rehetra, noho ny fiantsoana azy ireo ambony kokoa noho ny an'ny tsy mpino.

Ny fitiavam-bola no fototry ny ratsy rehetra. Ny faniriana tombontsoa no imatimatesan'izao taranaka izao. Raha tsy mety azo amin'ny alalan'ny asa mafy atao amim-pahitsiana ny harena dia katsahin'ny olona amin'ny alalan'ny fanambakana. Robaina amin'ny kamboty sy ny mpitondratena ny kely ananany, ary misahirana fatratra ny mahantra vao mahazo izay ilainy eo amin'ny, fiainana. Ataon'ny mpanan-karena izany rehetra izany mba hanohanana ny fitiavany rentirenty na koa hamaliana ny hetahetany ta hanangon-karena.

Mampivarahontsana sy mampi-horohoro ny fanahy ny heloka bevava mahatsiravina ataon'ny olona isan'andro noho ny amin'ny tombontsoa. Miantso fanetren-tena lalina sy asa matotra avy amin'ireo mpanara-dia an'i Kristy ny fahitana ireo fahotana ireo, izay miseho amin'ny fomba mahery vaika na malefaka kokoa na dia eo amin'izay mitonona ho mpivavaka aza. Nanjary fieren'ny jiolahy sy ny mpandroba izao tontolo izao noho ny fitiavan-kisehoseho sy ny fitiavam-bola. Tsy eto an-tany anefa no tena fonenan'ny Kristianina; vahiny eto amin'ny firenen-kafa ihany izy ireo (...). Tsy tokony ho ao aminy ny faniriana sy ny hery manosika hiasa izay ao amin'ireo manao ny eto ho fonenany sy mametraka ny hareny eto. Fanirian'Andriamanitra ny hisehoan'ny fiainan'Ilay Ohatra lehibe eo amin'ny fiainantsika: mba ho velona hanasoa ny hafa isika, tahaka an'i Jesôsy . (...)

Mihatra mivantana amin' i Kristy (...) ny ratsy atao amin' ireo zanak'Andriamanitra. Ny fiezahana rehetra haka tombontsoa avy amin'ny tsy fahalalan'ny hafa na ny fahalemeny na koa ny fahavoazany dia voarakitra ho fanambakana ao amin'ny boky firaketan'ny lanitra. - SW, 10 Mey 1904. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 25 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fampidirana.
Sun 26 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ny helok’ireo Kananita
Mon 27 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay mpitsara faratampony
Tue 28 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fandroahana sa fandringanana?
Wed 29 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Safidy malalaka.
Thu 30 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay Andrian’ny fiadanana.
Fri 31 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fianarana fanampiny
Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 18 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fampidirana
Sun 19 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Komandin’ny miaramilan’i Jehôvah
Mon 20 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ady tany an-danitra
Tue 21 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah dia mpiady mahery
Wed 22 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah hiady ho anareo
Thu 23 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ny safidy tsara indrindra faharoa
Fri 24 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fianarana fanampiny
Sat 25 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal