Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Tahaka an'i Jesôsy fa tsy tahaka an'izao tontolo izao

Daty
Alahady 01 June 2025

 "Aoka tsy hisy vato mahery sy reraka ao an-kitaponao. Aoka tsy hisy famarana mihoatra sy latsaka ao an-tranonao." - Deo. 25:13,14.

Mofon’aina:
Tokony hikolokolo firaisam-po sy fitiavana ho an'ny hafa ireo   izay milaza fa tia sy matahotra an'Andriamanitra, ary tokony hihevitra ny tombontsoan'ny hafa toy ny an'ny tenany. Tsy tokony hitondra tena araka ny fitsipik'izao tontolo izao ny Kristianina. Niavaka tamin'izao tontolo izao ny vahoakan'Andriamanitra nandritra ny vanim-potoana rehetra, noho ny fiantsoana azy ireo ambony kokoa noho ny an'ny tsy mpino.

Ny fitiavam-bola no fototry ny ratsy rehetra. Ny faniriana tombontsoa no imatimatesan'izao taranaka izao. Raha tsy mety azo amin'ny alalan'ny asa mafy atao amim-pahitsiana ny harena dia katsahin'ny olona amin'ny alalan'ny fanambakana. Robaina amin'ny kamboty sy ny mpitondratena ny kely ananany, ary misahirana fatratra ny mahantra vao mahazo izay ilainy eo amin'ny, fiainana. Ataon'ny mpanan-karena izany rehetra izany mba hanohanana ny fitiavany rentirenty na koa hamaliana ny hetahetany ta hanangon-karena.

Mampivarahontsana sy mampi-horohoro ny fanahy ny heloka bevava mahatsiravina ataon'ny olona isan'andro noho ny amin'ny tombontsoa. Miantso fanetren-tena lalina sy asa matotra avy amin'ireo mpanara-dia an'i Kristy ny fahitana ireo fahotana ireo, izay miseho amin'ny fomba mahery vaika na malefaka kokoa na dia eo amin'izay mitonona ho mpivavaka aza. Nanjary fieren'ny jiolahy sy ny mpandroba izao tontolo izao noho ny fitiavan-kisehoseho sy ny fitiavam-bola. Tsy eto an-tany anefa no tena fonenan'ny Kristianina; vahiny eto amin'ny firenen-kafa ihany izy ireo (...). Tsy tokony ho ao aminy ny faniriana sy ny hery manosika hiasa izay ao amin'ireo manao ny eto ho fonenany sy mametraka ny hareny eto. Fanirian'Andriamanitra ny hisehoan'ny fiainan'Ilay Ohatra lehibe eo amin'ny fiainantsika: mba ho velona hanasoa ny hafa isika, tahaka an'i Jesôsy . (...)

Mihatra mivantana amin' i Kristy (...) ny ratsy atao amin' ireo zanak'Andriamanitra. Ny fiezahana rehetra haka tombontsoa avy amin'ny tsy fahalalan'ny hafa na ny fahalemeny na koa ny fahavoazany dia voarakitra ho fanambakana ao amin'ny boky firaketan'ny lanitra. - SW, 10 Mey 1904. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.
Sun 13 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Ady ara-panahy.
Mon 14 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Mirehareha ny amin’i Jehôvah.
Tue 15 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fantatra ireo mpampianatra sandoka.
Wed 16 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Miaripahoriana noho ny filazantsara.
Thu 17 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Antso ho an’ireo tsy mbola nibebaka.
Fri 18 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fianarana fanampiny.
Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fampidirana.
Sun 06 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Ny ohapiainan’i Jesôsy.
Mon 07 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Ny antony manesika.
Tue 08 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Manao drafitra.
Wed 09 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Toetsaina.
Thu 10 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Firaisana.
Fri 11 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fianarana fanampiny.
Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.
Sun 20 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITATIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fahasoavan’i Jesôsy.

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal