Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Marina eo amin'ny asa fa tsy ao am-piangonana ihany 

Daty
Alatsinainy 02 June 2025

"Koa amin'izany na inona na inona tianareo hataon'ny olona aminareo, dia mba ataovy aminy kosa tahaka izany; fa izany no lalàna sy mpaminany." - Mat. 7:12.

Mofon’aina:
Ny olona tena matahotra an'Andriamanitra dia hifidy ny hiasa mafy andro aman'alina mba hihinanana mofo tsizarizary toy izay hampanaram-po ny fankamamiana tombontsoa avy amin'ny fampahoriana ny mpitondratena sy ny kamboty na koa amin'ny fandrobana ny zon'ny vahiny. Nataon'ny Mpamonjintsika izay hahatakaran'ireo mpihaino Azy fa ny olona izay manambaka ny namany amin'ny tsipirian-javatra bitika dia hanandrana hanao izany amin-javatra lehibe kokoa raha misy ny toe-javatra ahafahany manao izany. Mandrodana ny fefy ny fialana kely foana amin'ny fahitsiana ary manomana ny fo ho amin'ny fanaovana ny tsy marina bebe kokoa. Tamin'ny torolalana sy ny ohatra no nampianaran'i Kristy fa ny fahitsiana hentitra indrindra no tokony hifehy ny fitondrantenantsika manoloana ny olombelona namantsika. Izao no nambaran'ilay Mpampianatra avy any an-danitra: "na inona na inona tianareo hataon'ny olona aminareo, dia mba ataovy aminy kosa tahaka izany." 

Rehefa mahazo tombontsoa avy amin'ny fahavoazan'ny hafa nyolona dia manjary donto ny fisainany ka tsy mety iasan'ny hery miasa manginan'ny Fanahin'Andriamanitra intsony. (...) Tsara kokoa ny mahantra noho ny mandainga; tsara kokoa ny noana noho ny mangalatra (…). Tompon'andraikitra amin' ny ampahany lehibe amin'ireo fahotan'ny mambra ao aminy ny fiangonana; mankasitraka ny ratsy izy raha toa tsy miteny mafy izany. Tsy ny hery miasa mangina avy amin'ireo mpanohitra miharihary sy ny tsy mahatoky ary ny mpiteny ratsy an'Andriamanitra no tokony hatahoran'ny fiangonana indrindra fa ny an'ireo mpampianatra momba an'i Kristy nefa tsy mitondra tena araka izany. Ireny no manakana ny fitahian'Andriamanitra tsy ho amin'ny Isiraely. (...) 

Tsy amin'ny Sabata (...) ihany no anehoana ny tena fivavahana marina fa natao ho an'ny andro sy ny toerana rehetra izany. (...) Ireo izay manana ny fivavahana marina dia haneho fahitsiana eo amin'ny asa sy ny raharahany rehetra tahaka izay ataony rehefa mitondra ny fivavahany eo amin'ny seza fiandrianan'ny fahasoavana izy. - SW, 10 Mey 1904

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.
Sun 13 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Ady ara-panahy.
Mon 14 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Mirehareha ny amin’i Jehôvah.
Tue 15 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fantatra ireo mpampianatra sandoka.
Wed 16 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Miaripahoriana noho ny filazantsara.
Thu 17 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Antso ho an’ireo tsy mbola nibebaka.
Fri 18 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fianarana fanampiny.
Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fampidirana.
Sun 06 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Ny ohapiainan’i Jesôsy.
Mon 07 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Ny antony manesika.
Tue 08 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Manao drafitra.
Wed 09 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Toetsaina.
Thu 10 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Firaisana.
Fri 11 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fianarana fanampiny.
Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.
Sun 20 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITATIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fahasoavan’i Jesôsy.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal