Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 4: IREO LOZA TANY EGYPTA - Fianarana fanampiny.

Daty
Zoma 25 July 2025

Vakio "Ny loza tany Egipta", ao amin'ny PM, tt. 250-258 (ed. 2014).

"Navelany hianjadian'ny fahalozan'ny Egiptianina ny vahoaka mba hahitany ny hery mpanimba eo amin'ny fanompoan-tsampy. Nampiseho ny fankahalany ny fanompoan-tsampy sy ny fanandevozana ary ny fahasiahana Andriamanitra, tamin'ny famaizany io mpanjaka io. (...) Tsy avy amin'ny hery tsy fahita mandrakariva na an-tsitrapo no nahatonga io fahamafisam-po io. Nomen'Andriamanitra porofo tsy azo lavina hanehoana ny heriny izy, dia porofo izay nodiany tsy fantatra ny fahamarinany tamin'ny fanakimpiana ny masony tamin'ny fahazavana. Vao mainka nandrisika azy bebe kokoa ho ao amin'ny fikomiana ny fanehoana tsirairay ny hery tsy manam-petra izay nolaviny. Nitondra ny vokany ny voan'ny fikomiana izay nafafiny rehefa rehet nolaviny ny fahagagana voalohany natao teo anatrehany." - PP, t. 268.

"Niankohofan'ireo Egyptianina koa ny masoandro amam-bolana; niantraika tamin'ny vahoaka sy ireo andriamaniny Ilay hery izay nanapatapaka ny fatoran'ireo olona nandevozina. Nahatahotra tokoa izany, nefa io fitsarana io dia porofon'ny famindrampon'Andriamanitra sy ny tsy fitiavany handringana. Nomeny fotoana hieritreretana sy hibebahana ireo vahoaka ireo mialoha ny handrotsahany aminy ny loza farany sy mampihoron-koditra indrindra." - PP, t. 272.

FANONTANIANA hifanakalozan-kevitra

1. Saintsaino bebe kokoa ny antony nahatonga an'i Farao nanamafy tanteraka ny fony ka mbola nandà ihany izy na dia teo anatrehan'ny safidy mazava sy mety indrindra aza: ny handefa ny olona. Ahoana no mahatonga ny olona iray hamita-tena tahaka izany? Inona ny fampitandremana tokony horaisintsika avy amin'izany, isika izay mety mafy fo loatra ao anatin'ny fahotana ka mandray fanapahan-kevitra mampidi-doza na dia efa eo anoloantsika mandrakariva aza ny fanapahan-kevitra tsara sy ny lalana tokony hizorantsika? Iza koa no nanao fahadisoana tahaka izao tao amin'ny Baiboly? Eritrereto, ohatra, ny momba an'i Jodasy.

2. Nisy fotoana nilazan'i Farao izao teny izao teo anivon'ny faharavana izay nianjady tamin'ny tany sy ny vahoaka, noho izay nataony: "Efa nanota aho tamin'izao, ka Jehovah no marina, fa izaho sy ny vahoakako no meloka." - Eks. 9:27. Na dia fiaiken-keloka lehibe aza izany tamin'io fotoana io, ahoana no hamantarana ny tena fiaiken-keloka marina?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.
Sun 12 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mangeja ny avonavona.
Mon 13 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Diniho ny tenanao.
Tue 14 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mosesy, mpanompo nanetry tena.
Wed 15 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Ny zava-manafintohina indrindra.
Thu 16 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Jereo Izy.
Fri 17 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fianarana fanampiny.
Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 04 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 05 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Endrik’Andriamanitra mazava kokoa
Mon 06 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Masina Andriamanitra.
Tue 07 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra dia Fitiavana.
Wed 08 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra ao amin’ny famoronana.
Thu 09 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Imanoela, amintsika Andriamanitra.
Fri 10 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal