Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 5: PASKA - Ny fitsaran’Andriamanitra.

Daty
Alakamisy 31 July 2025

Vakio ny Eks. 12:29,30, izay miresaka ny amin'ny namelezan Andriamanitra ireo lahimatoan'i Egypta. Nahoana no nifantoka manokana tamin'ny lahimatoa Andriamanitra? (jereo koa ny Heb. 11:28).

Nihatra tamin'ireo lahimatoa ny loza farany tao Egypta. Fitsaran'ny lanitra nahatra tamin'ireo andriamanitra rehetra tao Egypta, sy tamin'ny fianakaviana rehetra izay nivavaka tamin'ireo andriamani-tsy izy ireo izany, izay sampy tsy misy heviny fa naneho ny filan'ny olona sy ny faniriany ary ny tahony fotsiny.

Araka ny hita teo amin'ireo loza teo aloha dia tsy afaka namonjy ny olona ireo sampy ireo. Miharihary kokoa izao ny maha-tsinontsinona azy, dia teto amin'ity loza fahafolo ity, izay ratsy indrindra ho an'ny Egyptianina.

"Isan-tokantrano dia maty ny zanaka lahimatoa, izay rehareha sy tabihan'ny ray aman-dreny. Hatsatra sy taitra ny endriny ary nangovitra ny lohalik'i Farao sy ireo tandapany nandre izany zava-doza izany, raha vao nifoha teo am-pandriany." - PM, p. 280 (ed 1985).

Naneho ny fahefana faratampony sy andriamanitr'i Egypta ny Farao, ary ny zanany lahimatoa dia noheverina ho zanak'andriamanitra. Andriamani-bavy mpiaro ny zanaka i Isis; i Heqet kosa dia andriamani-bavy mpanampy ny vehivavy eo arm-piterahana; ary i Min no andriamanitry ny fahavanonan'anaka. Ankoatra ireo, dia nisy andriamanitra egyptianina maron'ny fahavokarana koa. Tsy nanan-kery ireo andriamanitra rehetra ireo raha oharina amin'llay Andriamanitra velona. Hoy i Mosesy: "Jehôvah ô, iza moa no tahaka Anao amin'izay andriamanitra? Iza moa no tahaka Anao, Izay ankalazaina amin'ny fahamasinana, deraina amin'ny fahatahorana, Mpanao fahagagana?" - Eks. 15:11. Niloa-bava i Jetro taty aoriana, hoe: "Ankehitriny dia fantatro fa lehibe Jehovah mihoatra noho ny andriamanitra rehetra, dia tamin'izay zavatra nentin'ny Egyptiana nirehareha tamin'ireny." - Eks. 18:11.

Araka ny Eks. 1, noho ny didin'i Farao dia namono ny zazalahy vao teraka rehetra tao amin'ny Isiraely ny Egyptianina mba handemena ny Isiraelita, hampilefitra sy hampietry azy ireo. Izao kosa, mihatra amin'ny zanaka lahimatoan'i Egypta ny famaizan'Andriamanitra. Izay afafin'ny olona no hojinjany.

Misy vokany ny fanapahan-kevitsika sy ny fitondrantenantsika. Ary ny zava-misy mampalahelo dia ity: tsy isika irery no mizaka ny vokatry ny asa ratsy ataontsika. Manjary mijaly koa ny hafa, tsy vitsy fa maro, eny, na ny tsy manan-tsiny aza. Toy izany ny toetry ny fahotana.

Tamin'ny fomba ahoana no efa nizakanao fahoriana noho ny fahotan'ny hafa? Na koa, ahoana no efa nizakan'ny hafa fahoriana noho ny fahotanao? Inona no hany fanantenantsika?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 22 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fampidirana.
Sun 23 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fisaorana.
Mon 24 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fahanasinana sy fahadiovam-po.
Tue 25 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Manova drafitra noho ny fitiavana.
Wed 26 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Famelan-keloka sy fanamafisana ny fitiavana.
Thu 27 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fandresena ao amin’i Kristy.
Fri 28 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fianarana fanampiny.
Sat 29 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 15 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Fampidirana
Sun 16 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Mitory ny fisanganan’i Kristy tamin’ny maty.
Mon 17 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - I Kristy nitsangana tamin’ny maty, Ilay hany fanantenantsika .
Tue 18 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Kristy no santatra.
Wed 19 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Ny vatana hatsangana amin’i maty.
Thu 20 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Horesena ny fahafatesana.
Fri 21 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Fianarana fanampiny.
Sat 22 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 29 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fampidirana.
Sun 30 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Mon 31 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Tue 01 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Wed 02 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Thu 03 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Fri 04 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA -

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal