"Ary Andriamanitra nanao hoe: Andeha Isika hamorona olona tahaka ny endritsika, araka ny tarehintsika; ary aoka izy hanjaka amin'ny hazandrano ao amin'ny ranomasina sy ny voro-manidina sy ny biby fiompy sy ny tany rehetra ary ny biby rehetra izay mandady na mikisaka amin'ny tany." - Gen. 1:26.
Mofon’aina:
Raha nitoetra ho mahatoky tamin'Andriamanitra i Adama sy i Eva, dia ho nomena fahefana lehibe ho mpanapaka ny zava-manana aina rehetra. Ny liona sy ny zanak'ondry dia niara-nilalao sy nifampiankinankina tamim-piadanana teo an-tongotr'izy mivady; andiam-borona falifaly no nanidintsidina teny ambonin'ny lohany (…).
Tsy hoe zanak'Andriamanitra fotsiny ihany i Adama sy i Eva, fa mpianany koa. Nandray lesona avy tamin'Ilay Fahendrena tsy hita lany izy. Sady novangian'ny anjely izy no afaka niresaka nifanatrika tamin'Ilay Mpamorona azy koa. Nahasalama azy tokoa ny hazon'aina. Latsa-danja kely foana tamin'ny fahendren'ny anjely ny fahendreny. (...)
Ny lalàna samy hafa mifehy izao tontolo izao, izay efa nandanian'ny olombelona herim-po sy ron-doha be dia be hatramin'ny enina arivo taona izay, dia nasehon'Ilay marika mahay sy Mpitahiry ny zavatra rehetra azy mivady. (...) Hatramin'ireo leviatana mahery any an-dranomasina ka hatramin'ireo bibikely tsy hita maso manidintsidina eny amin'ny rivotra, dia samy nahazatra an'i Adama avokoa. Nomeny anarana avokoa izy rehetra ary samy fantany daholo na ny toetrany na ny fanaony.
Ny voninahitry ny habakabaka, ny kintana tsy hita isa ary ny masoandro amam-bolana samihafa sy ny fandehan'izy rehetra tsirairay avy eny amin'ny lanitra, ny "fihevahevan’ny rahona matevina", ny zava-miafin'ny hazavana sy ny feo, ny momba ny andro sy ny alina, ireny sy ny toy ireny no fototry ny lesona nianaran'ireo razambentsika. (...) Ny filaminana sy ny firindran'ny zavaboary dia samy nampiseho taminy ny herin'ny fahendrena tsy hita fetra nananan'Ilay Mpamorona. Ny dingana tsirairay avy nataony dia nahitany anton-javatra nameno ny fitiavana lalina ny fo amam-panahiny izay nahatonga azy mivady ho velom-pisaorana lalandava." —PM, tt. 26, 27.