Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mitia ny hakanto milamin'ny natiora

Daty
Talata 12 August 2025

"Iza moa no nihady lalan-drano ho an'ny ranonorana mirotsaka be, sy lalan-kaleha ho an'ny helatry ny kotrokorana, handatsaka ranonorana ambonin'ny tany izay tsy itoeran'olona, dia any amin'ny efitra tsy misy mponina, mba hahavonto ny efitra sy ny tany foana, ary hampitsimoka ny ahitra vao mitsiry?" — Jôba 38:25-27.

Mofon’aina:
Ilay nanao  ny fanorenan'ny tany, nameno ny lanitra sy nametraka ny kintana ho eo amin'ny filaharany, nampitafy ny tany tamin'ny karipetra velona ary nanome endrika tsara izany tamin'ny voninkazo tsara tarehy manana loko sy endrika samy hafa, no misintona ny zanany hitia ny asan'ny tanany amin'ny hatsaran-tarehy tsotra sy milamina nanaingoany ny fonenan'izy ireo teto an-tany.

(...) Nahoana moa no tsy nataon'Andriamanitra volon-tany na volon-davenona ny karipetra nanafiany ny tany? Nofidiny ny loko mampitony indrindra, izay mora raisin'ny retsi-pandre indrindra. Endrey mampahery ny fo sy mamelombelona ny fanahy reraka ny mijery ny tany mitafy ny fitafiany maitso mavana! Raha tsy eo izany dia ho feno vovoka ny rivotra ary ho toy ny efitra ny tany. Ny ahitra rehetra, ny tsiry mamony sy ny voninkazo mamelana rehetra, dia mariky ny fitiavan'Andriamanitra, ary tokony hampianatra lesona antsika mikasika ny finoana sy ny fitokiana Aminy. 

Mampitodika ny saintsika i Kristy hijery ny hatsaran-tarehy voajanahary ananan' ireny, ary manome toky antsika fa na ny fitafiany tsara indrindran'ny mpanjaka lehibe indrindra teto an-tany aza dia tsy manam-pitoviana amin'izay tafian'ny voninkazo tsotra indrindra (...).

Asehoko eo anatrehanao i Kristy izay voahombo. Atolory azy ny fitiavana tsara indrindra ao am-ponao. Omeo Azy ny fahaizanao fa Azy izany. Omeo azy ny talenta entinao miasa sy mitaona ny hafa fa nampindramina anao hohatsaraina ihany izany. Navelan'i Jesôsy ny akanjom-piandrianany, niala teo amin'ny seza fiandrianany izay maharitra mandrakizay Izy ka nitafy ny maha-olombelona, ary noho ny amintsika dia nanjary mahantra Izy, mba hahatonga antsika hanan-karena amin'ny alalan'ny fahantrany. Manan-karena vola ve? Tany? Petra-bola any amin'ny banky? Tsia, fa mba hahazoantsika antoka ny hananana harena maharitra mandrakizay. (...). — RH, 27 Oktôbra 1885.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.
Sun 13 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Ady ara-panahy.
Mon 14 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Mirehareha ny amin’i Jehôvah.
Tue 15 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fantatra ireo mpampianatra sandoka.
Wed 16 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Miaripahoriana noho ny filazantsara.
Thu 17 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Antso ho an’ireo tsy mbola nibebaka.
Fri 18 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fianarana fanampiny.
Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fampidirana.
Sun 06 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Ny ohapiainan’i Jesôsy.
Mon 07 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Ny antony manesika.
Tue 08 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Manao drafitra.
Wed 09 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Toetsaina.
Thu 10 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Firaisana.
Fri 11 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fianarana fanampiny.
Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.
Sun 20 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITATIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fahasoavan’i Jesôsy.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal