MOFON'AINA SY RANΟΝ'ΑΙΝΑ
Hodinihina mandritra ny herinandro: Eks. 15:22-16:36, Gen. 3:1-6, Eks. 17:1-7, 1 Kor. 10:4, Eks. 18:1-27, 1 Kôr. 10:11.
Tsianjery:
"Ary hoy Jehôvah tamin'i Mosesy: Mandra-pahoviana no handavanareo tsy hitandrina ny didiko sy ny lalako? Saino fa Jehôvah no nanome anareo ny Sabata, koa izany no anomezany anareo mofo ampy ho indroa andro amin'ny andro fahenina; samia mitoetra eo amin'ny fitoerany avy hianareo, ka aoka tsy hisy hiala amin'ny fitoerany amin'ny andro fahafito. Dia nitsahatra ny olona tamin'ny andro fahafito." - Eks. 16:28-30.
Taorian'ny nandaozan'ny Isiraely ny tany Egypta, dia niainga ho any amin'ny Tany Nampanantenaina, izay tsy fantany, izy ireo. Dia lavitra sady sarotra no niandry ny vahoaka, ary nila nianatra lesona vaovao maro be izy ireo. Vonona ny hitari-dalana sy hiahy azy ireo ny Tompo; ary niriny tokoa ny hanampy azy ireo hitombo, saingy tsy maintsy nianatra fitsipi-pifehezana izy ireo, ny fifehezan-tena, ny fahafoizan-tena, ny tsy fitiavan-tena, ny fitokiana amin'ny Tompo, ary indrindra koa ny fankatoavana.
Mpitarika hita maso i Mosesy, ary tsy maintsy nanaraka azy sy ny torolalana omeny ny olona raha te handresy. Niankinan'ny ain'izy ireo ny firaisana, ny firaisan-kina sy ny fifanampiana amin'ny maha-fiarahamonina azy. Sakantsakana sy zava-tsarotra maro no niandry azy ireo. Miankina amin'ny fomba flatrehany ireo fotoan-tsarotra ireo sy ny fandraisany an'i Mosesy ny ampahany betsaka amin'ny fitomboany ara-panahy, indrindra rehefa mihabetsaka ny olana.
Misy ohabolana sinoa malaza manao hoe: "Ny dia an'arivo kilaometatra dia manomboka amin'ny indray mandingana." Mifanaraka amin'ny toe-javatra niainan'ny Isiraelita io ohabolana io, ary nila nitoky tamin'ny torolalan'ny Tompo izy ireo tamin'ny dingana tsirairay nataony. Indrisy fa araka ny ho hitantsika dia tsy mora ny nianaran'izy ireo izany lesona izany.
Kanefa, iza moa no mahay izany mora foana?
*Famerenana ny lesona ny sabata 16 Aogositra.