NY PAPELIKA SY NY MANA
Indrisy, hita miverimberina manerana ny tantaran'ny dian'ny zanak'Isiraely ny fikomiana. Mazava fa hadinon'ny olona ny namonjen'ny tana-maherin'Andriamanitra azy ireo tamin'ny lasa, sy ny namahany ny olany. Navelany hanajamba ny tenany tsy hahita ny tanjona farany sy ny hoavy mahafinaritra nampanantenaina azy ny olana nahazo azy ireo. Mateti-pitranga izany na dia eo amin'ny vahoakan' Andriamanitra ankehitriny aza.
Vakio ny Eks. 16:1-36. Inona no tsy nahafaly ny Isiraelita, ary inona no nitranga taorian'izany?
Zava-dehibe ny manamarika fa mifandray amin'ny sakafo matetika ny fakam-panahy ao amin'ny Baiboly. Tao amin'ny Saha Edena, ny Fahalavoana dia nifandray tamin'ny fihinanana ny voan'ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy, izay voarara (Gen. 2:16,17; Gen. 3:1-6). Rehefa nalaim-panahy tany an'efitra i Jesosy, dia momba ny sakafo ny famelezana voalohany nataon'i Satana taminy (Mat. 4:3). Very ny fizokian'i Esao noho ny fitiavan-komana tsy voafehy (Gen. 25:29-34). Impiry moa ny tsy fankatoavan'ny Isiraely no nifandray tamin'ny sakafo sy ny zava-pisotro! Tsy mahagaga raha nampahatsiahy ny taranaka taty aoriana i Mosesy hoe: "Tsy mofo ihany no iveloman'ny olona; fa izay rehetra aloaky ny vavan'i Jehôvah no iveloman'ny olona." - Deo. 8:3.
Mazava loatra fa ny mana dia mofo avy any an-danitra, izay nomen Andriamanitra ny Isiraelita nandritra ny 40 taona nirenireneny tany an'efitra. Tamin'ny alalan'io fanomezana io no nampianaran'ny Tompo azy ireo fa Izy no Mpamorona sy Mpanome ny zavatra rehetra. Nentin'Andriamanitra nanehoana ny fomba fitandremana ny Sabata andro fahafito koa ny fidirany an-tsehatra tamin'ny fandrotsahana ny mana tamin'ny fomba mahagaga.
Nisy fahagagana efatra nitranga isan-kerinandro: (1) nanome anjara mana sahaza hohanin'ny olona isan'andro Andriamanitra nandritra ny dimy andro, (2) avo roa heny no nomeny isaky ny zoma; (3) tsy simba ny mana izay notehirizina ny zoma alina ka hatramin'ny Sabata maraina; ary (4) tsy nisy mana nilatsaka tamin'ny andro Sabata. Nataon'Andriamanitra tsy tapaka ireo fahagagana ireo mba hahatsiarovan'ny olona ny andro Sabata sy hankalazany ny fahatsaran Andriamanitra rehefa tonga io andro io. Hoy Andriamanitra: "Saino fa Jehôvah no nanome anareo ny Sabata." - Eks. 16:29.
Tia mihinan-kanina ny olona. Noforonina isika mba ho tia izany. Ny sakafo manana amby ampy nataon'Andriamanitra maniry sy mandrobona amin'ny tany (izay sakafontsika hatrany am-piandohana) dia tsy vitan'ny mampiseho fa tian’Andriamanitra hihinana isika, fa natao ho tia izay hohanintsika koa isika. Nanjary nanaram-po tafahoatra tamin'ity fanomezana mahafinaritra ity anefa ny olona, dia ny sakafo (sy ny fitiavana azy); ami n'ny fomba ahoana?