Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Fanomezana avy amin'ny tany, Porofom-pitiavany

Daty
Zoma 22 August 2025

 "Ary Izay manome voa ho an 'ny mpamafy sy mofo hohanina dia hanome sy hahabe ny voa afafinareo ary hampitombo ny vokatry ny fahamarinanareo, dia hanan-karena amin'ny zavatra rehetra hianareo ka handroso amin'ny hitsim-po, izay mahatonga ny fisaoranay an 'Andriamanitra." — 2 Kôr. 9:10,11.

Mofon’aina:
Koa satria mandray tsy tapaka ny fitahian' Andriamanitra isika, ia tokony hanome hatrany koa. Rehefa tsy manome antsika intsony ilay Mpanome any an-danitra, izay vao azo ekena ny fialan-tsiny ataontsika; satria tsy hanana na inona na inona homena isika amin'izay fotoana izay. Tsy mbola nisy fotoana tsy nanehoan'Andriamanitra ny fitiavany, fa nanao tsara tamintsika hatrany Izy. Omeny ranon'orana avy any an-danitra sy taon jing isika, omeny betsaka amin'ny fahalalahan-tanany isika ary fenoiny fifaliana ny fontsika. Efa nilaza Izy fa "raha mbola maharitra koa ny tany, dia tsy hanam-pitsaharana ny taom-pamafazana sy ny taom-pijinjana, ary ny hatsiaka sy ny hafanana ary ny fahavaratra sy ny ririnina, ary ny andro sy ny aiina." 

Eo amintsika isa-minitra ny fikara-karan' Andriamanitra izay tohanan' ny heriny. Mamelatra ny latabatsika Izy ary manisy sakafo eo. Manome torimaso mamy sy mamelombelona antsika koa Izy. Isan-kerinandro dia omeny Sabata isika, mba hitsaharantsika amin'ireo asa fanao sy hiderantsika Azy any an-tranony. Nomeny antsika ny Teniny ho fanilon'ny tongotra sy fanazavana ny lalana alehantsika. (...) Ambonin' ny zavatra rehetra Ilay fanomezana tsy misy fetra avy amin'Andriamanitra, ny Zanany malala, izay mampikoriana ireo fitahiana hafa ho amin' izao fiainana izao sy ny fiainana ho avy.

 Azo antoka fa momba antsika isaky ny indray mandingana ny fahatsaran' Andriamanitra sy ny famindrampony. Raha tsy hoe isika mihitsy angaha no maniry ny hiatoan'Andriamanitra tsy handrotsaka ny fitahiany amintsika, ka hanontany hoe: tsy misy fetra ve ny fanomezana? Tsy hoe tokony hamerina amim-pahatokiana ny ampahafolony amin'Andriamanitra fotsiny isika, izay voalazany fa Azy, fa tokony hitondra fanomezana feno Naja ho fanati-pankasitrahana ao amin'ny trano firaketany koa. Andeha hoentintsika amin'ny fo feno fifaliana eo amin'Ilay Mpamorona antsika ny voaloham-bokatry ny fanomezana feno fahalalahan-tanana avy Aminy — ny fananantsika tsara indrindra, ny fanompoantsika tsara sy masina indrindra. — RH, 9 Febroary 1886.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.
Sun 13 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Ady ara-panahy.
Mon 14 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Mirehareha ny amin’i Jehôvah.
Tue 15 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fantatra ireo mpampianatra sandoka.
Wed 16 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Miaripahoriana noho ny filazantsara.
Thu 17 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Antso ho an’ireo tsy mbola nibebaka.
Fri 18 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fianarana fanampiny.
Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fampidirana.
Sun 06 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Ny ohapiainan’i Jesôsy.
Mon 07 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Ny antony manesika.
Tue 08 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Manao drafitra.
Wed 09 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Toetsaina.
Thu 10 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Firaisana.
Fri 11 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fianarana fanampiny.
Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.
Sun 20 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITATIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fahasoavan’i Jesôsy.

Archive mensuelle

  • June 2026 (38)
  • July 2026 (77)
  • August 2026 (52)
  • September 2026 (21)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal