Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Fitahian-dehibe avy amin'ny fitsaharana ho an'ny tany

Daty
Alahady 24 August 2025

 "Enin-taona no hamafazanao ny taninao, enin-taona no hanamboaranao ny sahanao sy hanangonanao ny vokatra; .fa ny taona fahafito kosa ho tena fitsaharana ho an'ny tany, dia sabata ho an'i Jehovah; aza mamafy  amin'ny taninao hianao, ary aza mamboatra ny sahanao." — Lev. 25:3,4.

Mofon’aina:
Ny fetin'ny tabernakely, na ny fety fij inj ana miaraka amin'ireo fanatitra avy tamin'ny tanim-boankazo sy ny saha, ny fitoerana tamin'ny trano rantsan-kazo, ny fivoriana, ny fanompoam-pivavahana masina, ny fandraisana mahafatra-po ireo mpiasan' Andriamanitra, ny Levita mpanompo tao amin'ny tabernakely sy ireo zanany, ireo vahiny sy ny mahantra, dia namohafoha ny saina ho amin' ny fankasitrahana an'Andriamanitra izay nandravaka ny taona tamin'ny fahatsarany, ka nameno zava-tsoa ny lalan-kalehany.

Volana iray manontolo isan-taona no natokan'ireo Isiraelita tia vavaka ho amin'izany. Fotoana izay tsy iasana na anaovana raharaha izany, ary saika natokana indrindra ho amin'ny tanjon'ny fanabeazana.

Ny hampianatra ny vahoakany ny amin'ny fitsipika ara-drariny mikasika ny fananan-tany, izay nampitainy tamin' ny taranaka nifandimby no tanjon' Andriamanitra raha nizara ny lova tamin'izy ireo. Nozaraina tamin'ny olona rehetra ny tany Kanana, afa-tsy ireo Levita ihany, izay mpanao raharaha tao amin'ny tabernakely ka tsy voakasik'izany. Na dia afaka nampiasa amin-kalalahana ny taniny aza ny rehetra dia tsy azo natao ny manakalo ny lovan'ny taranany. Raha nisy nanao izany dia manana zo haka izany indray amin'ny fotoana rehetra izy; afoy ny trosa rehetra rehefa tapitra ny fito taona, ary amin'ny fahadimampolo taona, taon-jôbily, dia averina amin'ny tompony avokoa ny tany rehetra. (...)

(...) Fomba fanabeazana iray ihany koa ny fampitsaharana ny asa fambolena isaky ny fito taona; tsy novolena ny tany ary navela ho an'ny malahelo ny vokatra. Nahazoana tombontsoa handinihana ny fifandraisana eo amin' ny fiarahamonina sy ny fanompoam-pivavahana izany, ary koa hanaovana asa soa, izay matetika no saron'ny vesatry ny fiainana sy ny asa mahasasatra. 

Ho hafa tokoa ny fiainan'ny olona raha ampiharina ao amin'ny tontolo misy antsika ankehitriny ireo fitsipiky ny lalàn'Andriamanitra mikasika ny fizaram-pananana. - Fk, tt. 41, 42, np. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 02 Aug 2025
LESONA 6: NIAMPITA NY RANOMASINA MENA - Fampidirana.
Sun 03 Aug 2025
LESONA 6: NIAMPITA NY RANOMASINA MENA - Mandehana ka manompoa an’i Jehôvah.
Mon 04 Aug 2025
LESONA 6: NIAMPITA NY RANOMASINA MENA - Fanokanana ny voalohan-teraka.
Tue 05 Aug 2025
LESONA 6: NIAMPITA NY RANOMASINA MENA - Niampita ny ranomasina mena.
Wed 06 Aug 2025
LESONA 6: NIAMPITA NY RANOMASINA MENA - Mandroso amim-pinoana.
Thu 07 Aug 2025
LESONA 6: NIAMPITA NY RANOMASINA MENA - Ny hiran’i Mosesy sy i Miriama.
Fri 08 Aug 2025
LESONA 6: NIAMPITA NY RANOMASINA MENA - Fanampiny.
Sat 09 Aug 2025
LESONA 7: MOFON’AINA SY RANON’AINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 26 Jul 2025
Lesona 5: NY PASKA - Fampidirana.
Sun 27 Jul 2025
Lesona 5: PASKA - Miampy indray ny loza.
Mon 28 Jul 2025
Lesona 5: PASKA - Ny Paska.
Tue 29 Jul 2025
Lesona 5: PASKA - Pechah.
Wed 30 Jul 2025
Lesona 5: PASKA - Mampita ny fanilo.
Thu 31 Jul 2025
Lesona 5: PASKA - Ny fitsaran’Andriamanitra.
Fri 01 Aug 2025
Lesona 5: PASKA - Fianarana fanampiny.
Sat 02 Aug 2025
LESONA 6: NIAMPITA NY RANOMASINA MENA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 09 Aug 2025
LESONA 7: MOFON’AINA SY RANON’AINA - Fampidirana.
Sun 10 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANIN’AINA - Rano mangidy.
Mon 11 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Ny Papelika sy ny Mana.
Tue 12 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Rano avy amin’ny vatolampy.
Wed 13 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Jetro.
Thu 14 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Mofon’aina sy ranon’aina.
Fri 15 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Fianarana fanampiny.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (65)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal