Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Miasà fa efa antomotra ny alin'ny tany

Daty
Talata 26 August 2025

 "Ary izay hendry dia hamirapiratra toy ny famirapiratry ny lanitra; ary izay mamerina ny maro ho amin'ny fahamarinana dia ho tahaka ny kintana mandrakizay doria." — Dan. 12:3.

Mofon’aina:
Lehibe sady manan-danja ny asa nomena antsika, ary tena mila mpiasa hendry sy tsy tia tena, mpiasa izay mahatakatra ny hevitry ny fanoloran-tena ho amin'ny ezaka (...) ho famonjem-panahy. Tsy ilaina ny asa avy amin'ny lehilahy sy vehivavy matimaty izay tsy azon'i Kristy ampiasaina. Ny mpiasa ilaina dia ireo manana fo voakasiky ny fahorian'ny olombelona, ireo manana fiainana maneho porofo fa mandray ary manapariaka fahazavana sy fiainana ary fahasoavana. (...) 

Manavesatra matetika ny foko ny amin'ireo olona marobe tokony hiasa nefa tsy manao na inona na inona. Hazan'ny fakam-panahin'i Satana izy ireo. Ny mambran'ny fiangonana tsirairay izay manana fahalalana ny fahamarinana dia tokony hiasa raha mbola andro, fa ho avy ny alina izay tsy hahafahan'iza na iza miasa. Amin'izay vao ho azontsika ny hevitry ny hoe alina. Esorina tsy ho eto an-tany intsony ny fanahin'Andriamanitra. Ho tezitra amin' ny firenena iray hafa ny firenena iray. Fiomanana maneran-tany no atao ho amin'ny ady. Efa mby akaiky ny alina. Aoka ny fiangonana hifoha ka hanatanteraka ny asa ampanaovina azy. Ny mpino rehetra, na nandia fianarana na tsia, dia samy afaka mitondra ny hafatra avokoa. 

Misokatra eo anoloantsika ny mandrakizay. (...) Nahoana no mihevitra ny hifikitra amin'ny fitiavan-tena sy izay mahametimety ny fiainantsika isika nefa fanahy maro manodidina antsika no very? Moa nihamafy tahaka ny vato ve ny fontsika? Tsy afaka ny hahita ve isika ka hahatakatra fa manana asa hatao ho an'ny hafa? (...) Moa ve zava-poana ny nanomezan'Andriamanitra anao ny fahalalana ny sitrapony? Moa ve zava-poana ny nandefasany ireo fampitandremana nifanesisesy manambaranyfahantomoran'nyfarany? Moa ve ianao mino ny fanambaran'ny Teniny mikasika izay hiseho eto amin'izao tontolo izao? Moa ve ianao mino fa mihantona eo ambonin'izao tontolo izao ny fitsaran'Andriamanitra? Amin' ny fomba ahoana no ahafahanao mipetrapetraka maka aina, tsy miraika sy tsy taitra? — TFC, b. 9, tt. 26, 27.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 31 Jan 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Fampidirana.
Sun 01 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Mifaly ao amin’i Tompo.
Mon 02 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Ny fiainan’i Paoly tamin’ny lasa.
Tue 03 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Wed 04 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Thu 05 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Fri 06 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 24 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fampidirana.
Sun 25 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Miasa hahatanteraka ny asan’Andriamanitra ao anatintsika isika.
Mon 26 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fanazavana ao anatin’ny aizin’izao tontolo izao.
Tue 27 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fanatitra velona.
Wed 28 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Voazaha toetra.
Thu 29 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - "Omeo voninahitra izay olona tahaka izany."
Fri 30 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fianarana fanampiny.
Sat 31 Jan 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal