"Eo anatrehan'Andriamanitra sy Kristy Jesosy, Izay hitsara ny velona sy ny maty, ary noho ny amin'ny fisehoany sy ny fanjakany, no ananarako anao mafy: mitoria ny teny, mazotoa, na amin'ny fotoana, na tsy amin 'ny fotoana, mandrese lahatra, mamporisiha, mananara mafy amin'ny fahari-po sy ny fampianarana rehetra." - 2 Tim. 4:1,2.
Mofon’aina:
Nampiasainao tamin' inona ny fanomezana avy amin' Andriamanitra? Nomeny hery manosika hiasa ianao, mba hanehoanao an'i Kristy, indrindra fa Izy voahombo teo amin'ny hazo fijaliana, amin'ny faharetana sy fanantenana ary fiambenana tsy mety sasatra, hiantsoanao ny very mba hibebaka amin'ny fahotany, ary hilazanao ny fampitandremana fa ho avy tsy ho ela i Kristy amin-kery sy voninahitra lehibe.
Raha tsy mifoha sy mandeha miasa any amin' ireo saha misiônera ny mambran'ny fiangonana ankehitriny (...), dia ho tafalatsaka indray ao anatin'ny torimasom-pahafatesana izy ireo. Tamin'ny fomba ahoana no niasan'ny Fanahy Masina tao am-ponao? (...) Tsy nampirisihina ve ianao hampiasa ny talenta nomen'Andriamanitra anao, ka ny lehilahy sy ny vehivavy ary ny tanora dia samy hampiasa ny talentany ho fitoriana ny fahamarinana ho an'izao andro izao, ary hanao ezaka manokana hitety ireo tanàna izay tsy mbola nitoriana mihitsy ny fahamarinana, sy hanandratra avo ny fanevan'ny filazantsara?
Tsy nohatanjahin'ireo fitahiana narotsak'Andriamanitra taminao ve ianao? Tsy nifantsika lalina kokoa tao amin'ny fanahinao ve ny fahamarinana? Tsy hitanao mazava kokoa ve ny lanjan'izany ho an'ireo very tsy manana an'i Kristy? (...)
Nampahafantarin' ny Fanahy Masina anao mazava ireo fahamarinana manan-danja sy iankinan'ny aina ho an'izao andro izao. Hofonosina ka halevina ao ambanin'ny tany ve izany fahalalana izany? Tsia. Tsy maintsy hapetraka any amin'ny mpanàna vola izany. Rehefa mampiasa ny talentany amim-pahatokiana ny olona iray, na kely manao ahoana aza izany, dia alain'ny Fanahy Masina ireo zava-panahy ireo, ka havaoziny indray eo anatrehan'ny saina. Ataon'Andriamanitra ho hery mamelombelona antsika ny Teniny, amin'ny alalan'ny Fanahiny. Velona sy mahery ny Tenin'Andriamanitra, ka miasa amin'ny saina, tsy noho ny fahalalana na ny fahaizan'ny olombelona, fa noho ny fiaraha-miasan' ny herin'Andriamanitra sy ny herin'ny olombelona. Ary Andriamanitra no tokony hoderaina noho ny heriny. -TFC, b. 8, tt. 54,55.